02/02/2022
Azo atao ve manova ny efa voafora ho tsy?
Tena manaitra ahy foana io 1 Kor 7:18 io: περιτετμημένος τις ἐκλήθη, μὴ ἐπισπάσθω· ἐν ἀκροβυστίᾳ κέκληταί τις, μὴ περιτεμνέσθω.
Lehilahy izay efa voafora ve no nantsoina? Aoka izy mba tsy handalo fandidiana ahatonga azy ho tsy voafora indray! Lehilahy mbola tsy voafora ve no voaantso? Aoka izy mba tsy hoforana.
Araka ny 1 Makabeo, sy i Flavien Joseph (Ant. 12.5.1 [12.241]), ary ny BDAG 380 s.v. ἐπισπάω 3 dia toa nisy ireo Jiosy te hitovy amin’ny Grika, i.e., tsy vita hasoavana, dia nanatona dokotera mihitsy mba hanarona ny mahalehilahy amin’ny hoditra toy ny teo aloha, na tamin’ny mbola tsy voafora.
Araka ny sahan-kevitra eto dia manainga antsika i Paoly Apôstôly mba hanompo an’Andriamanitra amim-pifaliana eo amin’ny toerana sy ny zava-misy iainantsika amin’izao fotoan-kitenenana izao fa tsy hoe hiandry fiovana vao mba hanompo.
Afaka ny hivavaka mafy, sy hizara ny famonjen’i Kristy amin’ny hafa, ary hamaky Baiboly foana ianao amin’izao toerana misy anao izao! Aza miandry fiainana milamina feno vao mba hanompo amin’ny fo manontolo fa tsy hisy izany raha mbola eto an-tany.