14/06/2026
Universite eto Vatomandry, nanomboka ny Alarobia faha-10 Jiona 2026 lasa teo ny "stage d'imprégnation rurale" ho an'ireo mpianatra taona voalohany amin'ny sampam-piofanana "Agronomie"
Ho fanatsarana ny fiofana omena ireo mpianatra dia tsy maintsy manao "stages" roa samihafa ny mpianatra ato amin'ny sampam-piofanana Agronomie, taona voalohany (L1) mandritra ny taom-pianarana iray.
Amin'ny enim-bolana voalohany amin'ny taom-pianarana (Semestre 1) dia manao ny atao hoe "stage d'imprégnation rurale" izy ireo. Amin'ny enim-bolana faharoa kosa (Semestre 2) no miditra amin'ny "stage pratique".
Ny Alarobia faha-10 Jiona 2026 lasa teo no nanomboka ny "stage d'imprégnation rurale" izay tanterahina ao amin'ny Kaominina Amboditavolo. Araka izany dia miparitaka amin'ny zana-tanàna miisa 19 ireo mpianatra, mandritra ny folo andro.
Isaorana ny Ben'ny Tanàna, Andriamatoa RASOLO Raymond sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ny Kaominina Amboditavolo noho ny fandraisan'izy ireo ny mpianatra rehetra. Ankasitrahana ihany koa ireo tokantrano tsirairay izay hipetrahanan'ireo mpianatra mandritra ny fotoana hanaovana ny "stage".
----------
Université de Vatomandry : lancement du « stage d’imprégnation rurale » pour les étudiants de première année en Agronomie
Le « stage d’imprégnation rurale » destiné aux étudiants de première année de Licence (L1) de la filière Agronomie a débuté le mercredi 10 juin 2026.
Dans le cadre de l’optimisation de leur cursus académique, les étudiants de cette filière sont tenus d’effectuer deux stages distincts au cours de l’année universitaire. Le premier semestre est ainsi consacré au « stage d’imprégnation rurale », tandis que le second semestre fait place au « stage pratique ».
Lancée le mercredi 10 juin dernier, cette immersion rurale se déroule au sein de la Commune rurale d’Amboditavolo. Durant dix jours, les étudiants seront répartis à travers 19 localités (villages) de la Commune.
Nous adressons nos vifs remerciements à Monsieur le Maire, Raymond RASOLO, ainsi qu’à l’ensemble de ses collaborateurs de la Commune rurale d’Amboditavolo pour leur accueil chaleureux. Nous exprimons également toute notre gratitude aux familles d'accueil qui hébergent nos étudiants tout au long de ce séjour