17/10/2022
Indraindray lavo fefa nitsangana
Lavo fa tsy resy, potraka fa tsy vaky. Ary tsy resy fa an-tanina'ady💪
Nanota fefa nibebaka.🕊
Jiolahy fa lasa olom-baovao.👑
Ny famindrapon'i Jesosy no mbola maha toy izao ahy🙏
03/10/2022
METEZA HO OLOM-BAOVAO.🕊
Raha misy olona ao amin'ny Kristy dia olom-baovao izy, lasa ny zavatra taloha indreo efa tonga vaovao ireo.
Tsy hoe raha misy olona ao amin'ny fiangonana afaka ny ho lazaina fa olom-baovao izany olona izany fa ao amin'ny Kristy.
Miavaka ny fiainan'olona tena nandray an'i Kristy.
Lasa mana fiainam-baovao.
Vaovao ny fisainany, ny fijeriny, ny fitondran-tenany.
Ny ao amin'ny Kristy dia nanombo ny sitrapony tamin'ny hazo fijaliana ka hanatanteraka ny sitrapon'i Kristy.
Ny olom-baovao dia izao: mila maty ny aminao tanteraka ka Kristy no velona ao anatiny.
Maro ny efa miditra fiangonana fa mbola tsy tafasaraka amin'ny sitrapony sy amin'ny izao tontolo izao sy ny fanaony.
Mbola tsy mahafoy ny fiainan-dratsy sy ny fahotana (GALATIANA5:19-21/ 2TIMOTY 3:1-5) Hany miaina ao anaty fahoriana lava satria fahafatesana no tambin'ny ota.😫😭
Nateraka ny hiova ny fiainanao.
Io fahoriana io natao hivadika fifaliana, ny aretina natao ho sitrana, ny olana natao hivaha, sns..🎯
Saingy tapaho ny hevitrao miala amin'ny ratsy fanaonao ka rambeso Jesosy.
Fa any amin'ny izao tontolo izao ahitanareo fahoriana hoy Jesosy ka nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.💪👊
Sao de efa tafiditra fiangonana ary ianao fa mbola tsy ao ny fonao sy ny saino mbamin'ny mombamombanao rehetra?
Raha izaho sy ny ankohonako hoy Josoa dia hanompo an'i Jéhovah.
Refa ianao manomboka manompo Azy manomboka eo izy no hiseho ho premier responsable ny amin'ny fiainanao.
Fa hoy Jesosy, Anaka atolory ho Ahy ny fonao.😍😘
Mbola tsy tara izaho sy ianao fa atolory ho an'i Jesosy ny amnao rehetra mba hanananao izany fiainam-baovao izany.
Nefa raha manda izao antso izao ianao dia hoy aho hoe ho tara iany ianao.😟😟
Rambeso Jesosy 🙏
Misaotra Mamako noho Papako nampianatra ahy🌹
26/09/2022
Manohera an i devoly dia handositra anao izy amin'ny anaran i Jesosy.
Abonnés
26/09/2022
Aza manamarina ny tenanao intsony.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Jesosy ka ho avy hanadio antsika amin'ny tsy fahamarinatsika rehetra. Fa fibebahana ihany no miteraka famindram-po ary famindram-po miteraka fanasitranana tanteraka.
Raha tinao hiova ny fiainanao, raha tinao ho voavahana ny fatotra manageja anao mialà amin'ny ratsy fanao dia ho avy Jéhovah hanasitrana anao mbamin'ny taninao.💪
Rambeso Jesosy ho Tompo sy ho Mpamonjy ny fiainanao🙏
15/09/2022
Jaona10.10
Devoly tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana fa Jesosy avy mba hananany fiainana dia ny hananany be dia be🙏
13/09/2022
ROMANA 12:1
Mangataka amininareo aho ry rahalahy noho ny famindram-pona'Andriamanitra mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra dia fanompoam-panahy mety ataonanreo izany.🕊
Omeo an'i Jesosy ny androm-piananao sisa tavela ka anompoy Azy fa Azy anao ary noforoniny mba hanao ny sitrapony mandrakizay.🎗
Merci Papa, Maman mampianatra anay fona🙏🙏
05/09/2022
Mety maro ny zavatra hainao sy vitanao fa am zavatra tsy hainao sy ilanao famonjena mila an'i Jesosy ny fiainanao
Araka ny voalaza ny baiboly,
OHABOLANA 3 : 5
Matokia an i Jéhovah ami'ny fonao rehetra fa aza miankina am'ny fahalalanao.
Raiso Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao
fa natao hanotra noho ny mpandresy isika amn'ny alalan'ny Ilay tia antsika dia Jesosy Kristy🙏🙏🙏
27/08/2022
Raha miverina amiko ianareo hoy Jesosy dia mba miverina @ nareo koa aho.
Am'ny fotoana anakenao an i Jesosy, tonga Izy mba hanafaka anao amin manjo anao.
Izy no Mpamonjy mora azo indrindr amin'ny fahoriana
25/08/2022
EFESIANA 2:8
Fa fahasoavana no namonjen'i Jesosy anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanonezan'Andriamanitra