09/06/2025
Manana hevitra ianao, tetikasa, talenta… fa tsy manam-bola. Nahoana?
Satria tsy mbola hainao ny mamadika ny fahalalanao. ho lasa vola. Tsy hainao ny mivarotra.
Ny mivarotra dia Tsy midika hoe fahaizana manambaka olona, na fanerena olona hividy zavatra tsy mety aminy! Tsia
Ny fivarotana dia fandresen-dahatra.
Fahaizana mampitsiry faniriana ao anatin'ny olona iray.
Fahaizana mampifandray ny filàna sy ny vahaolana.
👉 Raha manana ireo fahaizana ireo ianao, dia hahavita hamorona vola amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza .
Tadidio fa na manana ny produit na service tsara indrindra eran-tany aza ianao kanefa tsy misy mividy, dia tsy misy dikany!
Mifantoha tsara ary fa hilaza fahamarinana lehibe ho anao aho:
Misy karazany roa ny varotra —
➡️ ny varotra mivantana (mifanatrika, any anaty fivarotana, eny an-dalambe, amin’ny antso an-telefaonina )
➡️ ary ny varotra numerique (amin’ny pejy Facebook-nao, WhatsApp-nao... ).
Na amin’iza na amin’iza amin'ireo dia mitovy foana ny lalàna: mila mahatakatra tsara ny mpanjifanao ianao, miteny amin’ny fiteniny, ary manao izay hahatsapany fa izao no fotoana tokony handraisany fanapahan-kevitra.
"Toy ny mpanao art martiaux, ny mpivarotra mahay dia tsy mihetsika amin’izay tiany fotsiny fa amin’izay ilaina. Manaraka teknika izy, mahalala ny psikôlôjian’ny mpifanandrina!
Ohatra :
Mivarotra boky fianarana Nahandro ianao
Raha miteny ianao hoe: Mivarotra boky fianarana Nahandro aho! Mety ho olona vitsy no liana amin'izany!
Fa raha miteny kosa ianao hoe:
“Te hahandro sakafo matsiro ho an’ny fianakavianao ve ianao? Ity boky ity no hanampy anao ho mpahandro mahay sy tian’ny rehetra, anaty fotoana fohy! Dia mahasarika kokoa satria
Eto dia tsy boky fotsiny no amidinao, fa fahasambarana an-dakozia, fitiavana fianakaviana, ary koa hatongavana ho mpahandro mahay.
Tsy mivarotra vokatra fotsiny ianao amin'izay , fa mivarotra vahaolana. Tsotra izany nefa tena mahomby. Tokony hikasika foana ny fihetseham-po sy hanolotra vahaolana ny vokatra amidinao .
Tsy hay hoazy anefa izany fa mila hianarana!
Ny tiako tenenina aminao dia izao:
Aza mandany andro fotsiny mi-scroller eto amin'ny Facebook,
🔍 Fa mianara mivarotra!
➡️ Manaova fikarohana,
➡️ Mividiana formation,
➡️ Miresaka amin’ny olona efa mahay.
➡️ Mianara ny psikolojian’ny mpividy.
Tsy afaka manantena hahomby amin’ity tontolo feno mpivarotra ity ianao... raha tsy mianatra mivarotra.
Efa manomana formation momba izany izahay amin'izao! Izay hahatonga anao ho mpivarotra matihanina ary hanomezanay anao ny fototra lehibe miantoka amin'ny fahombiazan'ny varotra ataonao.
🎁 MAIMAIM-POANA ity formation ity, ho fanampiana ho an’ny rehetra mpanaraka ny pejy!
Soraty amin'ny commentaire hoe liana raha toa ianao ka maniry hi-sitraka azy io!
Aorian’ity formation ity,
Hiova tanteraka ny fomba fijerinao ny varotra.
Ary ho hitanao fa raha hainao ny mivarotra — dia tsy ho maty noana mihitsy ianao!
03/06/2025
🌟 VISIBILITÉ
📉 Ireto ny antony 3 lehibe mahatonga ny publication-nao tsy misy mpahita, sy ny vahaolana tsotra ho an'izay tsirairay!
---
1. 🎯 Tsy mazava ny cible (olona kendrena)
👉 Vahaolana: Fantaro hoe iza marina no tianao hividy ny zavatra amidinao
(oh: vehivavy mpivarotra, tanora mitady vola, sns).
Soraty toy ny miresaka mivantana aminy mihitsy ny publications ataonao.
---
2. 💬 Tsy misy Interaction (j’aime, commentaire, sns)
👉 Raha tsy misy Interaction mihitsy ny publications - nao , dia vao maika afenin'ny algorithme Facebook ilay publication.
👉 Vahaolana:
Mampiasà fanontaniana mora valiana: “Manaiky ve ianao?” “Efa nanandrana ve ianao?”
Ampirisiho ny olona hanoratra amin’ny commentaire.
📈 Tsarovy: miakatra ny visibilité-nao arakaraka ny hisian’ny Interaction! 😉
---
3. ⏰ Tsy mety ny fotoana hamoahanao ilay publication ary tsy manintona ny sary sy titre
👉 Vahaolana:
Jereo ny statistiques (Insights) ao amin'ny pejy: amin’ny ora inona no betsaka mpijery?
Mamoaha amin’io fotoana io.
Mampiasà sary misarika maso sy titre manaitra.
---
✅ Ampiharo tsikelikely ireo dia ho hitanao fa hiakatra ny olona mahita ny publication-nao!
---
👉 Inona amin’ireo no heverinao fa mbola mila hatsaraina amin’ny publication-nao?
Soraty amin'ny commentaire mba hahafahantsika mifanampy!
30/05/2025
🔥 TANDREMO varimbarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambanin'ny maso!
Fahadisoana lehibe ataon’ny mpivarotra maro io!
Matetika isika mpivarotra no mieritreritra fa ny fandrosoana dia avy amin’ny fahazoana mpanjifa vaovao.
Ka dia mifantoka loatra amin’ireo olona tsy mbola fantatra, amin’ireo tsy mbola nividy na kely aza.
Fa lazaiko aminao androany:
Ny client-nao dia efa eo am-pelatananao!
➡️ Ny laharan-telefaonina rehetra ao amin’ny findainao.
➡️ Ny namana rehetra ao amin’ny Facebook-nao.
➡️ Izay rehetra efa niresaka taminao na dia indray mandeha aza.
Ireo no olona mora indrindra hivarotana— satria efa misy fifampitokisana na fifandraisana madinika niandohany. Mila hainao fotsiny ny mampihetsika azy ireo indray.
---
✅ Ireto misy dingana 3 hanampy anao hanova ny contacts-nao ho lasa mpanjifa maharitra :
1. Mamoròna “base de contact”-nao manokana
Soraty daholo ny anarana sy laharana fantatrao (amin'ny finday, WhatsApp, Facebook, Messenger, sns).
2. Aza tonga dia mivarotra!
Fa mitadiava fomba hanampiana azy aloha.
Mandefasa PDF, torohevitra mahasoa, na zavatra tiany.
3. Ampahafantaro azy ireo amin’ny fomba tsotra hoe inona marina no ataonao.
Mety ho gaga ianao fa maro no liana nefa tsy nahafantatra mihitsy hoe inona no asanao!
---
📌 Tena nanampy ahy ireo!
Ny contact iray azoko dia nanjary client 3 na 4, satria rehefa afa-po izy dia nitondra ny namany, ary iny namana iny dia nitondra olona hafa indray.
Nandeha ho azy ny varotra.
---
🎯 Ampiharo amin’ity herinandro ity. Ary lazao amiko ny vokatra azonao.
Mety ho ny findainao sy Facebook-nao mihitsy no ahitana ny vola tsy mbola nalainao hatramin’izay. 💰
25/05/2025
Andao hifampizara kely androany e!
TE hanampy bebe kokoa anareo mpanaraka ny pejy izahay!
Tsy tianay ny hizara torohevitra ara-barotra amin'ny ankapobeny fotsiny…
Tianay ny hahalala bebe kokoa ny tena olana iainanao amin'ny varotra mba hahafahanay manampy anao!
Raha afaka maka iray minitra monja ianao, dia mba valio ity fanontaniana ity:
Inona no tena olanao amin’ny varotra?”
Afaka manoratra ao amin’ny commentaire ianao,
na mandefa message privé (MP) — araka izay mety aminao.
Ny valinteninao dia hanampy anay hizara contenu
tena mifanaraka amin’ny tena zava-misy hiainanao.
Misaotra indrindra!
Mahatoky izahay fa hitombo ny fahaizanao,
rehefa mifampizara isika.
21/05/2025
Ampiharo ity raha te hahalafo produit amin'ny vidiny ambony ianao : TECHNIQUE DE “PIED DANS LA PORTE”
Hazavaiko tsotsotra:
Mangataka zavatra kely sy mora ekena aloha. Rehefa manaiky an’iny ilay client, dia ho mora kokoa aminy ny manaiky fangatahana manaraka — na dia lehibe kokoa aza!
Ohatra: TELMA izao mampiasa io techniques io amin’ny tolotra MEGA :
Manolotra MEGA 200 Ar izy.
YeLow 200, mahazoa 40Mo mandritry ny 24 ora @ vidiny 200 Ar
– 200Ar fotsiny, dia mahazo
– Mora, manintona, tsy mampitahotra.
– Mividy ianao satria mba hanao Facebook kely vetivety ”.
2. Rehefa lany tampoka ilay data (indrindra rehefa misimisy sary sy vidéo tena manintona anao):
– Dia andefasana SMS ianao hoe:
Afaka mahazo 100 GO be izao ianao mandritra ny 30 andro amin'ny vidiny 195 000 Ar
Inona no mitranga?
– Tsy te hijanona amin’ny 200Mo lany haingana intsony ianao.
– Dia mividy ilay vidiny ambony kokoa satria efa nahazo tsirony kely tamin'ilay offre mora kokoa!
Jereo fa mampiasa io techniques io koa ny akamaroan' ireo mpampanao formation sy coach eto amin'ny facebook!
Manolotra formation maimaim-poana na masterclass....
Tanjona:
Izay tonga amin’ilay formation gratuit dia efa nanao hetsika kely (tongotra tafiditra amin’ny varavarana), ka lasa mora entina amin’ny formation feno na coaching payant
Ampiharo amin'ny varotra ataonao io technique io!
Zavatra roa fotsiny tadidinao:
Manomeza zavatra maimaim-poana, na vidiny tsy mampitahotra aloha amin'ny voalohany!
Raha vao liana ilay olona, na efa nanandrana dia tariho tsikelikely amin’ilay tolotra lehibe kokoa.
Azonao ve?
Ity technique ity no tena fomba iray hahavitanao mivarotra amin'ny vidiny lafo kokoa– ampiasain’ny orinasa lehibe rehetra izy io ary afaka ampiharinao koa, na inona na inona karazana entana amidinao.
Tsarovy:
Rehefa tafiditra amin'ny varavarana ny tongotra… dia sarotra ny miverina!
Ary izany dia mahakasika tsara ny sain’ny mpanjifa.
Soraty amin’ny commentaire:
Ahoana no hampiharanao an’io technique io amin’ny varotra ataonao?
19/05/2025
🚨 Ireo famantarana mazava fa tsy mandaitra mihitsy ilay pitch de vente-nao rehefa miresaka amin'ny client enao!
📱 Ianao miresaka... fa ilay client ? Mikitikitika finday tsy mijanona!
🤐Tsy mametraka fanontaniana mihintsy ilay client rehefa ianao manazava fa manao eka, eka .. .mm.. izay teneninao fotsiny!
👀 Mbola miezaka manazava ianao, fa ilay client mitoditodika mijery ny manodidina(mampiseho izany fa tsy amin'izay lazainao ny sainy)
Raha toy izany no ataon’ny client, fantaro fa:
💡 Tsy liana izy, satria tsy hitany hoe inona marina no mahasoa azy amin’izay lazainao.
💬 Inona àry no tokony ataonao?
✅ Ajanony aloha ny fanazavana.
✅ Anontanio mivantana toy izao izy:
“Mba afaka milaza ahy ve ianao hoe inona no tena olanao mahatonga anao nanontany ity produit na sevice ity?
Na koa hoe inona no tena antony ilanao azy ity?
➡️ Ampifanaraho amin’izay ny resakao. Asehoy hoe mitady izay hahasoa azy ianao fa tsy manao izay hahalafosana fotsiny!
💬 Efa sendra client nanao toa an’ireo ve ianao? Inona no nataonao?
👇 Zarao amin’ny commentaire — sao dia mba hahasoa ny hafa koa ny zavatra niainanao!
16/05/2025
🔒 Ampiharo iray volana fotsiny ity amin'ny varotra ataonao, dia hiverina eto ianao hisaotra ahy!
🛑 Aza manao toy ny ankamaroan'ny mpivarotra, izay mivarotra fotsiny izay lafo eo.
✅ Mametraha objectif mazava: isan’andro, isam-bolana, isan-taona.
🚫 Satria ny tsy fisian’ny tanjona mazava no mahatonga:
– Ny varotra tsy mihetsika,
– Ny vola miditra mijanona ambany,
– Ary ny fandrosoana tsy misy.
---
🧠 Ny tokony ho fantatrao :
Ny saintsika dia mila precision mazava vao mihetsika sy miezaka.
Raha tsy fantany hoe inona marina no tanjonao, dia tsy mandefa ezaka izy. Tsy miasa feno ilay faritra ao amin’ny atidoha mitarika hetsika sy mitady vahaolana.
"Rehefa tsy misy tanjona ara-barotra mazava sy voafaritra tsara, dia tsy misy 'pression positive' manosika ny saintsika hiezaka mafy sy handroso lavitra."
---
✍️ OHATRA TSOTRA AFAKA ATAONAO IZAO DIA IZAO :
📌 Aorian’ny famakiana ity publication ity, mandraisa stylo sy carnet.
1️⃣ Soraty hoe ohatrinona ny vola tianao ho azonao amin’ny varotrao isam-bolana.
➡️ Ohatra: 1.000.000 Ar isam-bolana.
2️⃣ Zarao amin’ny isan’andro : 1.000.000 ÷ 30 = 34.000 Ar isan’andro.
3️⃣ Manontania tena hoe: mila mahalafo firy isan’andro aho mba hahazoana 34.000 Ar ?
➡️ Ohatra : raha produit 3.400 Ar ny vidiny, dia mila mahalafo 10 isan’andro ianao.
4️⃣ Inona ny stratégie, technique, système ampiasaina mba hahatratrarana an’izany ?
➡️ ETO ianao no mila mikaroka, mamaky boky, mihaino podcast, manao formation...(mba hahitanao strategie, technique, système mety aminao)
5️⃣ Manandrama stratégie iray mandritra ny herinandro,
– Raha mampiakatra ny varotra dia tohizo.
– Raha tsy nahomby, dia soloy stratégie hafa.... Dia toy izany hatrany hatrany
👉 Test, analyse, puis adapte.
--
✅ Ampiharo iray volana fotsiny io dia ho hitanao fa hiverina eto ianao hisaotra ahy!
Izay fa mirary fahombiazana e!
14/05/2025
Tsy mandeha ve ny tsenanao? jereo sao hamaivaninao ity:
Maro amin’ireo mpivarotra no manamaivana ny publicité. Mihevitra izy ireo fa raha tsara ny entana sy tsara toerana, dia ho tonga ho azy ny mpanjifa.
Diso izany! Raha tsy mahalala ny fisianao ny olona — na tsara toy inona aza ny zavatra amidinao — dia tsy hisy hividy mihitsy.
💡 Ny orinasa lehibe maneran-tany dia manokana vola be ho an’ny publicité. Izany no nahatonga azy ireo ho malaza sy mitombo hatrany:
🥤 Coca-Cola dia mandany 3–4 miliara dolara isan-taona amin’ny publicité. Malaza izy, saingy mbola mitady ho hita hatrany.
🍏 Apple dia manokana mihoatra ny 1 miliara dolara amin’ny dokambarotra. Na dia efa fanta-daza aza!
👟 Nike kosa dia mandany 3 miliara dolara amin’ny marketing isan-taona. Manao publicité, manakarama olo-malaza.
📢 Tsy hoe manankarena izy ireo ka afaka manao publicité.
Fa ny fanaovana publicité no anisan’ny nahatonga azy ireo ho manankarena!
---
✅ Raha tianao handeha ny tsena dia ataovy izao:
1. Manokana 5–10% amin’ny tombom-barotra ho an’ny publicité – aza matahotra, satria miverina aminao ihany izany.
2. Asongadino amin’ny sary sy vidéo manintona ny entanao – manintona maso, manaitra saina.
3. Ampiasao tsara ny pejy Facebook-nao – izany no varavarana ahafahan’ny olona mahita anao.
---
Tsy mandeha ve ny tsenanao?
Jereo hoe firy % amin’ny tombom-barotra no natokanao hanaovana publicité amin'izao!
👉 Io no iray amin’ireo antony lehibe indrindra manakana ny tsenanao tsy mandeha araka ny antenainao.
---
Misaotra e!
Aza adino ny mi-abonnés ny page mba hahazoanao torohevitra mahasoa sy fampianarana isan'andro!