JET Avenir de Bongolava

JET Avenir de Bongolava Students Association from the region BONGOLAVA MADAGASCAR

26/11/2020
13/08/2019

JUS IRAY MONJA DIA MANASITRA NY KARAZANA CANCER AO ANATINAO AO TOY NY: CANCER => FOIE , SANG , DIGEFTIF,
IMPUISSANCE , ANÉMIE, HÉPATITE, ETC...

1 Grande betterave 1 manta ( sasana tsara dia voasana )
orange 1
pomme 1 ( sasana tsara dia voasana )
cuillère à soupe de gingembres râpé
1 gousse d'ail tongologasy singany manta 1 na vininy1

Mixéna miaraka ireo ary atao zay ahazoana jus aminy..( tsy tapohana inina na rano kely aza )

Misotro indray mandeha 1 vera vao mifoha maraina amin'io mandritra ny 21 jours ,
izany hoe mila mananmboatra vaovao foana isan'andro madritra an'io 21jours io , ary mijanona 10 jours dia mamerina 21 jours ndray dia vita!

- afaka misotro ihany koa ny tsy marary indraindray

- tsy mety ho an'ny olona ambany tension sy diabétiques

-Zarao fa aza fihinina samy irery fa mahasoa anao sy ny hafa ihany koa

 !!! 😎Koa asaina am-pitiavana isika   rehetra mba hifanotrona sy Hifampizara fa indrindra isika  !!!  !!! ☝☝☝
23/07/2019

!!! 😎

Koa asaina am-pitiavana isika rehetra mba hifanotrona sy Hifampizara fa indrindra isika !!!

!!! ☝☝☝

13/07/2019

Faly Miarahaba Antsika Mpianatr'I BONGOLAVA rehetra! 😊
Asaina Am-pitiavana isika rehetra mba ho tonga hanatrika ny fivoriam-be , ny ao +3 Rose Cité Vaovao @ 2ora Tolakandro!
OJ: ,
na CITE ho an'ny Mpianatra,
Anniversaire Jet Avenir de Bongolava,
,
...
TONGAVA NAMA!!!

09/09/2016

salama daholo isika rehetra tompoko!
tapaka taminny fivorian'ny birao ny fikambanana sy ireo mpra-miasa mpanohana hatrizay ny fikambanana.dia tapaka fa ahemotra ny fifidianana izay ho filohan'ny jet zay saika hatao ny alahady 11 izao.ambara koa fa tsy misy ny AG aminio daty 11 voalaza io noho ny fandaminana rehetra hatao.mitohy ny asa ny birao amperinasa hatreto aloha ka noho ny asa aman-draharaha sy ny adidy tsy ahafaany filoha jet am-perinasa manao ny asa jet dia manolotra ny fahefana tanteraka hoan'ireo birao ankehitriny mampadeha ny raharaha ankapobeany ny resaka logement mpianatra( SG Andriantsilavo rado (responsable CITE teo aloha rehetra misy bongolava,Randrianarisoa Hertiana (responsable CITE vaovao R+3) .nalefa ary nankatoavin'ny oniversiten'ny ankatso sy ny CROU-A.

05/09/2016

fampitam-baovao jet avenir de Bongolava.
Ny fifidianana izay ho filohan'ny jet avenir de bongolava ny alahady 11 izao manomboka amin'ny 8ora maraina hatramin'ny 5ora hariva. ny candidat dia izy 03 miralahy izay nahafeno ny fepetra voalazan'ny sata mifehy ny fikambanana.nahazo ny fankatoavan'ny oniversiten'ny ankatso androany 05 septambra;ary ny MAFAMI foibe(mpianatra ambaratonga ambony,mpiasa,mpandraharaha,mainty molaly avy amin'ny faritanin'ny antananarivo miray).noho izany tomponandraikitra tanteraka ireo voalaza tetsy ambony ny amin'ny fandehanan'ny election jet

24/08/2016
24/08/2016

salama daholo! fifidianana ny president jet avenir de bongolava ny 11 septembre 2016 izao.toy izao ny fepetra ahafahana milatsaka:mpianatra ankatso na ENS manana BACC+2,mila sary tapaka 2,lettre de motivation1,dika mitovy na attestation BAAC+2,CV,caution 50000ar.@03 septembre izao no farany fanaterana dossier. 0346324281.
Booster

24/08/2016

salama daholo! fifidianana ny president jet avenir de bongolava ny 11 septembre 2016 izao.toy izao ny fepetra ahafahana milatsaka:mpianatra ankatso na ENS manana BACC+2,mila sary tapaka 2,lettre de motivation1,dika mitovy na attestation BAAC+2,CV,caution 50000ar.@03 septembre izao no farany fanaterana dossier. 0346324281.

15/12/2014

FIN D'ANNEE JET AVENIR DE BONGOLAVA LE 29,30,31DECEMBRE A TSIROANOMANDIDY

fanokafana ny faha 15 taona ny jet avenir de bongolava ny asabotsy 30 aogositra 2014 eny @ batou beach,miaraka @ tsik'ma...
07/08/2014

fanokafana ny faha 15 taona ny jet avenir de bongolava ny asabotsy 30 aogositra 2014 eny @ batou beach,miaraka @ tsik'man sy jet'musik ,dj fernand,invité special,iantohana ny sakafo sy ny fiara,eo @ fast food ankatso2 ny fotoan @ 7h 20min maraina,carte membre 3000ar no fandraisana anjara! que demande le peuple?

11/03/2014

NY TEKNOLOJIA SY NY VOKATRA ENTINY
Araka ny vaovao malaza any amin'iny faritra misy antsika iny dia nanapa-kevitra iresaka momba ity fandrosoana sy ny fivoaran'ny teknolojia ity ny JET Avenir de Bongolava!
Tany ampiandohana dia noheverina hanamora ny fiainana sy ny serasera ary ny fifanakalozana ny teknolojia. Manaporofo izany ny ezaka niandalana tamin'ny fikarakarana ireny fitaovana ireny, ohatra amin'izany ny fiantso lavitra na "telephone" izay niandoha tamin'ny fampiasana tariby (antso an-tariby) avy eo nivoatra tsikelikely dia tonga Finday.
Ny internet izay fitaovana nentin'ny Amerikana ampiasana tamin'ireo ady izay nataony ary tena nampisongadina ny tanjany mihitsy ny vokatr'izany.
Taty aoriana anefa rehefa niroborobo ny fandrosoana dia nameno tanàna ireny fitaovana ireny. Izahay tsy hiteny hoe ratsy izany fa ny fomba entintsika mampiasa azy mihitsy no mivoana indraindray. Ekeko aloha hoe tampohiny isika nefa ny lesoka tena goavana dia ny toe-tsaintsika izay tsy voavolavola hatramin'ny fahakelintsika noho ny tsy fahampian'ny fanabeazana. Nivoana niaraka tamin'izay ihany koa isika ka nopotehintsika amin'ny resa-pandrosoana ny fototra maha isika antsika.
Ny teninay farany dia tsotra, mahaiza mandanjalanja ry tanora namana, aza mitomany randrana manendrika ny hafa. Raha te haneho ny maha ianao anao ianao dia mijoroa amin'ny fototra naha ianao anao hatrizay. Aza sodoka ny rendrarendram-bazaha. Manana saina mandinika isika koa ampiasao izany!
ZONTSIKA TOKOA NY MISAFIDY IZAY TIANTSIKA ATAO NEFA AZA ADINO FA TSY MANAM-PAHEFANA HANDAHATRA IZAY HO VOKATRY NY SAFIDY NATAONTSIKA ISIKA.
Mahaiza mamindra ary e!

Address

Tsiroanomandidy
119

Telephone

+261320254450

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when JET Avenir de Bongolava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category