L.E.G Mahasolo

L.E.G Mahasolo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from L.E.G Mahasolo, School, Mahasolo, Tsiroanomandidy.

09/10/2025

⚜️ LYCÉE MAHASOLO ⚜️

🔥Miray sy miombona tanteraka amin'ny mpanabe rehetra eto Madagasikara ny amin'ny fitakiana rehetra izay atao, toy ny:
👉Fampiakarana ireo indemnités samihafa izay tsy mifanaraka amin'ny zavamisy sy ny vidim-piainana ankehitriny
👉Fitakiana manokana ilay indemnité de logement izay efa lany ho ampidirina anaty teti-bolam-panjakana sy ny rappel momba izany ary ny fampiakarana azy ho 300.000ar manomboka izao
👉Fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo Maitre FRAM, izay efa tsy nisy hatry ny ela, ary zara fa misy ankehitriny! Tsy araka ny VELIRANO sy fampanantenana!
👉Fandraisana ho subventionnés ireo tsy tafiditra recrutement, izay tsy nisy intsony tanaty 10 taona mahery teto amin'ny sekoly LEG Mahasolo manokana
👉Fanatanterahana ara-bakiteny ilay ZERO Ariary ho an'ny fidirana an-tsekoly araka ny ambara hatrany amin'ny vahoaka malagasy manontolo, sy fandraisan'ny fanjakana feno tanteraka ireo fepetra mifanandrify amin'izany tsy fisiana vola aloha izany!
👉Ny fijerena ny alignement grille indiciaire sy ny intégration ary ny maro hafa,....

Nb: Tsy misy loko na resaka politika ny hetsika!

👉 LYCÉE MAHASOLO en GRÈVE 👈

NY ATAO HOE RAY AMAN-DRENIN'NY MPIANATRANy atao hoe ray aman-drenin'ny mpianatra dia lehilahy sy vehivavy manaiky sy mij...
26/10/2022

NY ATAO HOE
RAY AMAN-DRENIN'NY MPIANATRA

Ny atao hoe ray aman-drenin'ny mpianatra dia lehilahy sy vehivavy manaiky sy mijoro ho tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana ny zanany : mampiditra ny zanany an- tsekoly ; mitaiza azy amin'ny fahaiza-miaina ; manazatra azy amin'ny fandraisana andraikitra ao amin'ny faritry ny fanajana ny zon'ny ankizy .

Ny atao hoe ray aman-drenin'ny mpianatra dia lehilahy sy vehivavy manaiky sy mijoro hanao ny andraikitra tandrify azy hampanjary ny fianaran'ny zanany : miahy ny filan'ny ankizy izy ; miantoka ny filaminana sy fitoniana ao an-tokantrano ; manara- maso ny fianaran'ny zanany .

Ny atao hoe ray aman-drenin'ny mpianatra dia lehilahy sy vehivavy mazoto mifandray amin'ny sekoly : zony sy adidiny ny mahafantatra ny fizotry ny fianarana sy ny fitondran-tenan'ny zanany any an- tsekoly . Mandray ny mpampianatra ho mpiara- manabe aminy izy .

Ny atao hoe ray aman-drenin'ny mpianatra dia lehilahy sy vehivavy mandray anjara mavitrika ao amin'ny Fikambanan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra . Tonga mamaly ny fanasana ataon'ny sekoly amin'ny hetsika rehetra mahakasika ny fianaran'ny ankizy izy . Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanohanana ny sekoly izy mba ho tombontsoan'ny zanany sy ny an'ny hafa .

Sokajin'olona iray mazava tsy azo soloina amin'ny anjara andraikiny ny ray aman-drenin'ny mpianatra . Ny fanajana ny zony sy ny fanaovany ny adidiny dia hery iray lehibe hahavanona ny fanabeazana ny ankizy .
(Lahatsoratra indrana)

10/08/2022
23/07/2022

Ho tontosaina ny 5, 6 ary 7 oktobra izao ny TEST D'ENTRÉE L1 (1ère Année) Economie, Gestion ary Sociologie ho an’ny Université Antananarivo.
Afaka manao TEST ireo izay manana ny Baccalauréat 2022, ny Baccalauréat 2021 sns sns.
Ny Zoma 30 Septambra 2022 no hifarana ny fametrahana ny antontan- taratasy fisoratana anarana amin'izany TEST izany (hatramin'ny 23 Septambra 2022 kosa ho an'ireo izay mipetraka any amin'ny Faritra ka mandefa izany amin'ny alalan'ny Paositra).
Jereo eny @ Faculté EGS Ankatso NA ao amin’ny Pejy Facebook « Faculté EGS-Univ.Antananarivo » ny andinindininy feno tsara ho fantatra.

Address

Mahasolo
Tsiroanomandidy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when L.E.G Mahasolo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category