16/07/2026
LYCÉE MANARAPENITRA MITSINJO BETANIMENA - FANDRAISANA MPIANATRA VAOVAO AMIN'ITY TAOM-PIANARANA 2026-2027 ITY
Ampandrenesina ny ray aman-dreny sy ny mpianatra rehetra maniry hiditra ho mpianatra ato amin’ny Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena fa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny « Test de niveau ».
✅Fanombohan’ny fisoratana anarana: Alatsinainy 20 Jolay 2026.
✅Daty hanatanterahana ny Test: Sabotsy 01 Aogositra 2026.
Nahoana no mifidy ny Lycée Manarapenitra?
Satria manolotra tontolo manara-penitra sy fampianarana tsara tantana, tarihin’ireo mpanabe matihanina izahay, mba hiantohana ny fahombiazan’ny zanakao amin’ny fanadinana Bakalorea sy ny hoaviny.
« Ny fahaizana sy ny fitaizana ankehitriny, antoky ny fahombiazana rahampitso. »
Raha mila fanazavana fanampiny, manatòna mivantana ny sekoly.