06/03/2026
FANADINANA "CONTRÔLE CONTINUE" TELO VOLANA VOALOHANY CFP TOAMASINA
Tanteraka ny 02 ka hatramin'ny 04 Martsa 2026 teo ny fanadinana "Contrôle Continue" teto amin'ny CFP Toamasina ho an'ny sampam-piofanana " Coupe et Couture"
✓ Fotoana nanehoan'ireo tanora ny fahaiza- manaony ifehezany ny ara-teknika amin'ny sampam-piofanana norantoviny nandritra izay telo andro izay.
✓ Na dia teo aza ny tsy fisian'ny herinaratra vokatry ny fandalovan'ny rivodoza "GEZANI" dia nasehon'ireo mpiofana ny fahaiza-manaony mampiasa ny "Machine à Main" sy ny "Fer à Charbon" mifandraika amin'ny zava-misy eto an-toerana.
✓ Tanjona ny hamolavola ireo tanora ho teknisianina hahazoan'izy ireo ny diplaoma B.E.P ary ny hidiran'izy ireo sahady eo amin'ny sehatry ny asa.
.