16/06/2024
Fantatrao ve?
Fantatrao ve fa ianao dia ilay hazavana maneho fahazavana,
mampamiratra ny tontolo toa ny masoandro, fanehoana ny hafanana.
Fantatrao ve fa ianao ilay zava-boary maneho ny fisian'ny fahalalana,
Ilay fanahy fitoeran'ny Fitiavana izay miaina finaritra ankalalahana.
Aza takomana ny maso-panahy hijery ireo zava-kanto mitoetra ao anaty,
ka hampitombo ireo voa tsaran' ny fo mba tsy ho faty.
Alaviro ny fahakiviana, dia andao hifoa、 ary hahiratra ka hahita,
Hahita ny tontolon'ny tsy hita ary ho afaka hiampita、
hoany aminy feon'ny Fifaliana 、mba ho afaka aminy fatotrin'ny fahoriana.
Ianao no tara-pahazavana ny fahasambarana、
izay hirian'ny fo fatratra mba ho hananana.
Ianao no hery fitobian'ny saina sy ny fo、
Izay fitoerana tsara tsy manampaharoa.
Fa andao eh! Andao indray anova pejy vaovao,
Andao hilentika aminy lalina izaho sy ianao、
Any misy ilay toerana tsy misy fifampitsarana、
Any misy ilay mampiavaka anao tsy misy fampiangana、
Andriam R.J