06/11/2025
NAHOANA NO ATAO NY FANABEAZANA
RAY AMAN-DRENY ?
Ny fanabeazana tsara dia mila manomboka amin’ny fanabeazana ray aman-dreny satria ny ray sy ny reny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana sy ny fanabeazana ny zaza .
Ny fanabeazana ray aman-dreny atao eo anivon’ny sekoly na fiangonana na fikambanana dia sehatra iray enti-manampy ny olon-dehibe hanovozam-pahalalana sy hanatsarany ny fahaiza-manao efa ananany momba ny fitaizana sy ireo lafin-javatra samihafa momba ny fifandraisana amin’ny zaza .
Fa antony iray lehibe hafa ihany koa anaovana ny fanabeazana ray aman-dreny dia ho fisorohana ireo olana mifandraika amin’ny fihetsika sy ny fitondran-tenan’ny ray aman-dreny izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainan’ny zaza sy ny hoaviny .
Zava-misy saika fahita matetika amin’ny tokantrano maro ohatra ny fanaovana herisetra amin’ny zaza , ny fandaozana ny tokantrano . Misy aza olon-dehibe sasany tonga amin’ny fanaovana fanararaotana ara-nofo amin’ny zaza mihitsy .
Noho izany dia asa iray lehibe tsy azo ialana intsony ireo sehatra fanabeazana ray aman-dreny . Izany no atao dia mba ho soa ho an’ny taranaka faramandimby , izay tsy inona fa lova avy amin ´Andriamanitra , napetrany mba ho tandreman’ny ray sy ny reny eto an-tany .
Raoeliarijao