NyHary

NyHary Fandalinana ny zavatra misy eto aminintsika.

Rehefa ambany ny karama nefa ambony ny nofinofy: Ny fahantrana ara-tsaina mitarika ho amin'ny Kolikoly.Nahoana no mirong...
21/06/2026

Rehefa ambany ny karama nefa ambony ny nofinofy: Ny fahantrana ara-tsaina mitarika ho amin'ny Kolikoly.

Nahoana no mirongatra ny kolikoly eo amin'ny tontolon'ny asa sy ny raharaham-panjakana aty amintsika? Satria misy banga goavana ao anatin'ny fanabeazana antsika.

NY OLANA TSAPAIN-TANANA:
Ny olona nahita fianarana dia manana finiavana sy nofinofy hivelona tsara sy hanankarena. Rehefa mifandona amin'ny zava-misy anefa izy karama kely tsy mahavelona dia tsy mahay ny fomba hampitomboana izany karama izany amin'ny fomba madio. Ny tsy fahaizany mamorona fidiram-bola hafa (sources de revenus alternatives) no manosika azy hisafidy ny lalana mora nefa mamotika firenena: ny kolikoly .

NY VAHAOLANA:
Ny fanabeazana dia mila mampianatra ny "Fahaizana Mamorona Sanda" (Cration de valeur). Mila ampianarina ny tanora fa ny fampitomboana fidiram-bola dia tsy avy amin'ny fangalarana fa avy amin'ny famahana olana ho an'ny fiarahamonina. Raha mahay mamorona tetikasa, mahay mivarotra ny fahaizany amin'ny fomba madio ny vahoaka, hihena ho azy ny kolikoly.

Ny ady amin'ny kolikoly dia tsy manomboka amin'ny fisamborana ny mpanao azy ihany, fa manomboka eny amin'ny dabilion'ny sekoly: fampianarana ny etika sy ny fandraharahana madio.

Ahoana ny hevitrao? Ny tsy fahampian'ny vola ve sa ny tsy fahampian'ny fahaiza-mamorona no tena manosika ny olona hanao kolikoly? Valia amin'ny commentaire!

Olon-dehibe tsy nianatra = Hery famokarana lany tamingana?Rariny raha tsy mahita asa mavelona ny olon-dehibe maro eto am...
20/06/2026

Olon-dehibe tsy nianatra = Hery famokarana lany tamingana?

Rariny raha tsy mahita asa mavelona ny olon-dehibe maro eto amintsika. Tsy noho izy ireo kamo, fa noho ny tsy fahazoany fampiofanana mifanaraka amin'ny taonany sy ny asany.

NY OLANA TSAPAIN-TANANA:
Rehefa mandeha ny taona nianarana, dia adino tanteraka ny olon-dehibe tsy nahita fianarana. Navela amin'ny fomba fambolena na fihariana nentin-drazana izy ireo. Ny vokany? Mandany hery be nefa kely ny vokatra azo (faible productivité). Na manana tany na fitaovana aza izy, lasa maty antoka satria tsy mahay ny fitantanana ara-bola fototra na ny fomba fitadiavana tsena tsara.

NY VAHAOLANA:
Fampiofanana Mandritra ny Fiainana (Formation tout au long de la vie).
Mila manangana Ivon-toerana Fampiofanana Teknika sy Matihanina ho an'ny Olon-dehibe (Centres de formation professionnelle continue) ny fanjakana sy ny fikambanana. Fampiofanana fohy (1 hatramin'ny 3 volana) amin'ny fandraharahana madinika, fanaovana zezika biolojika, na fahaizana miompy maoderina.

Ny fahaizana dia tsy ho an'ny tanora ihany. Raha mahay ny olon-dehibe, miova miaraka amin'izay ny toekarena ao an-tokantrano!

Inona ny formation hitanao fa tena ilain'ny olon-dehibe maika indrindra amin'izao fotoana izao? Valio ao amin'ny commentaire!

Nahoana no tsy mavelona ny tany sy ny ranomasina ananantsika?Maro amintsika no miteny hoe: "Manana tany midadasika hovol...
19/06/2026

Nahoana no tsy mavelona ny tany sy ny ranomasina ananantsika?

Maro amintsika no miteny hoe: "Manana tany midadasika hovolena sy hiompiana isika, manana ranomasina hanjonoana, nefa nahoana no mbola mahantra?"

Ny valiny dia tsotra: Ny zanakantsika any ambanivohitra dia miala am-pianarana aloha loatra, nefa tsy mahazo fampiofanana (formation) mifanaraka amin'ny tontolo manodidina azy.

NY OLANA TSAPAIN-TANANA:
Fampianarana teorika loatra no omen'ny rafitra ankehitriny. Ny ankizy any ambanivohitra ampianarina tantaran'ny firenena hafa, nefa tsy omen'ny sekoly fahaizana maoderina momba ny fambolena (Agribusiness), ny fiompiana, na ny jono maharitra. Rehefa miala ny sekoly izy, dia lasa tsy mahay mitrandraka ny harena eo an-tanany.
NY VAHAOLANA:
Mila rafi-pampianarana "Ambanivohitra Maoderina". Tokony hisy taranja fampiharana mivantana (formation pratique) any amin'ny sekoly ambanivohitra: fahaizana mampiasa milina na Machine tsotra, fitehirizana ny vokatra, ary ny fototry ny varotra (commerce).

Raha tsy hain'ny ankizy ny mampitombo ny vokatry ny tany amin'ny fomba siantifika, dia hijanona ho fitaovana fotsiny ny tany fa tsy ho lasa harena mamelona.

Iombonanao ve izany hevitra izany? Inona no tokony hampianarina voalohany ny ankizy any ambanivohitra? Resaho ao amin'ny commentaire !

Mizotra mankany amin'ny hantsana ny fanaovana politika eto Madagasikara satria tsy misy hevitra ideolojika ijoroan'ireo ...
11/06/2026

Mizotra mankany amin'ny hantsana ny fanaovana politika eto Madagasikara satria tsy misy hevitra ideolojika ijoroan'ireo antoko. Lasa fikambanana mipoitra fotsiny rehefa akaiky ny fifidianana izy ireo, ka ny tanjona tokana dia ny hanohana candidature sy hifampizara seza fa tsy ny hiaro vahoaka. Noho io tsy fahaizan'ny mpitarika io, dia tofoka sy leo ny vahoaka ka mihevitra ny politika ho zavatra ratsy sy feno fitaka. Raha ampitahaina amin'ny any ivelany, ny antoko any dia manana hevitra mazava sy maharitra (tontolo iainana, toekarena, sosialy) ka na iza na iza mpitondra miova tsy miova ny hevitra.

Mba hanovana izany, tsy ny handositra ny politika no vahaolana, fa ny fananganana antoko mijoro amin'ny fampianarana, ny fiarovana ny madinika, ary ny fampandrosoana ny famoronan-javatra eo an-toerana(produit local). Ny politika tena izy dia fitaovana masina natao hanompoana firenena sy hitondrana vahaolana fa tsy natao hotompoina ny Mpitarika azy .

11/06/2026

10/06/2026

Vorona lehibe tsy hita ka tsy teto Madagascar izay mampalaza an'ny Madagascar any ivelana nefa 2% @ malagasy ihany mahay azy io

Ny fomba tsotra afahana mamoaka i Madagascar ao anatin'ny fahantrany dia ny politique Éducative: izay manome  vahana tan...
07/06/2026

Ny fomba tsotra afahana mamoaka i Madagascar ao anatin'ny fahantrany dia ny politique Éducative: izay manome vahana tanteraka ny fanabeazana. Hampitomboina ny budget lanina amin'ny fanabeazana. Ary tsy ny zaza mandinika ihany no ampianarina fa ny vahoaka efa misehatra amin'ny fambolena ,fihompiana, varotra, transport, sns.... Omena fanofanana izy ireo mba hampitombo vokatra azo avy amin'izy ireo fa izany miantoka ny fandrosoana .

06/06/2026
📍 Ry mponin’Antananarivo, aza matahotra ny État fédéral.Maro no mieritreritra hoe raha lasa fédéral i Madagascar dia ho ...
14/05/2026

📍 Ry mponin’Antananarivo, aza matahotra ny État fédéral.

Maro no mieritreritra hoe raha lasa fédéral i Madagascar dia ho very tombony i Antananarivo.
Fa ny marina dia mety mbola handroso kokoa aza Tananarive.

Ankehitriny mantsy:

feno olona be loatra ny tanàna,

misy embouteillage isan’andro,

sahirana ny rano sy ny herinaratra,

miakatra ny tsy fandriampahalemana,

betsaka ny olona tonga aty mitady asa sy fiainana.

👉 Raha misy État fédéral:

tsy voatery hifindra aty daholo ny olona,

miparitaka any amin’ny faritra ny asa sy ny développement,

mihena ny fitohanan’ny tanàna,

mihena ny tsindry amin’ny infrastructures.

Ary na fédéral aza: ✅ mbola eto ihany ny renivohitra,
✅ mbola eto ny ministera lehibe,
✅ mbola eto ny business sy université maro,
✅ mbola foiben’ny économie Malagasy i Tananarive.

Tsy hoe hampidina an’Antananarivo ny fédéralisme…
fa hanampy azy hifoka rivotra sy ho lasa tanàna maoderina kokoa. 🇲🇬✨

🔥🇲🇬 RY MALAGASY MANAN-TSAINA, FOTOANA IZAO ! 🇲🇬🔥Efa betsaka amintsika no mahita fa misy zavatra tsy mandeha intsony ao a...
13/05/2026

🔥🇲🇬 RY MALAGASY MANAN-TSAINA, FOTOANA IZAO ! 🇲🇬🔥

Efa betsaka amintsika no mahita fa misy zavatra tsy mandeha intsony ao anatin’ny rafitra “État unitaire” eto Madagasikara.

Faritra maro mbola miandry fanapahan-kevitra avy lavitra.

Harena misy, nefa tsy mampandroso ny faritra misy azy .

Tanora manan-tsaina, nefa voafetra ny sehatra ahafahany mamorona sy manangana ny faritra misy azy.

📢 Noho izany, ilaina ny mampianatra ny vahoaka momba ny État fédéral,
miresaka izany eny rehetra eny : Facebook, université, fokontany, resaka andavan’andro, manomana olona tena mahafehy sy vonona hitondra isam-paritra, ary manangana fahalalana lalina alohan’ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra lehibe.

⚠️ Raha mbola tsy mahalala tsara ny vahoaka, mora ny manohitra zavatra tsy mbola nohazavaina taminy.

Izany no antony tsy maintsy hanaovana fanabeazana sy fanentanana aloha.

🇲🇬 Ny “État fédéral” dia :
— tsy fizarazarana firenena,

— tsy fanonganana firenena,

— fa fanomezana hery bebe kokoa ny faritra mba hampandroso ny tenany.

🔥 Mila mpampianatra, mpianatra, tanora, mpandraharaha, tantsaha, manampahaizana, ary olom-pirenena vonona hianatra sy hampianatra isika samy hanentana ny fitakiana io fédéral io

📚 Ianaro : ➡️ ny fonctionnement ny État fédéral,
ny procédure constitutionnelle,
ny référendum, ny fitantanana isam-paritra, ary ny fomba hiarovana ny firenena amin’ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana. Tsy ampy intsony ny mitaraina.
Fotoana hananganana hevitra lehibe sy rafitra vaovao mety kokoa amin’ny zava-misy Malagasy.

🇲🇬 “Ny vahoaka mahalala no vahoaka afaka manova ny tantara.” 🇲🇬 .

🇲🇬 FOTOANA HANOVANA NY TANTARA: NY FEDERALE NO VAHAOLANA! 🇲🇬
Leo ve ianao miandry baiko avy lavitra foana vao afaka mampandroso ny tanànanao? Leo ve ianao mahita ny haren’ny faritra misy anao mivoaka nefa ny vahoaka ao aminy ihany no mahantra?

Tsy ampy intsony ny mitaraina. Fotoana izao hananganana rafitra vaovao! 🔥

Nahoana isika no mila ÉTAT FÉDÉRAL?

✅ FAHEFANA HO AN’NY REHETRA: Tsy ny mpitondra any an-tampony ihany no manapa-kevitra, fa ny faritra tsirairay no tompon’ny ho aviny.
✅ HARENA HO AN’NY TOMPONY: Ny vola sy ny harena azo ao amin’ny faritra dia miverina mampandroso ny mponina ao aminy voalohany indrindra.
Omena sehatra hitondra hevitra sy hanangana tetikasa ny tanora isam-paritra, fa tsy voafetra intsony.
Ny hoe "Fédéralisme" dia:
❌ TSY fizarazarana ny nosy.
❌ TSY fanonganana firenena.
✅ FA fizarana ny hery sy ny fitantanana mba ho vahoaka no tena tompon’ny fandrosoana.

📚 NY FAHALALANA NO FIADIANTSIKA!
Raha tsy mahalala ny vahoaka, mora fitahina. Noho izany, andao isika hifanabe:
🔹 Ifanakalozy hevitra any anaty taxi-brousse, any amin’ny oniversite, any anaty fokontany.
🔹 Ianaro ny fomba fitantanana vaovao sy ny lalàmpanorenana.
🔹 Omanina sahady ireo olona vonona hitantana isam-paritra amin’ny fahamarinana.

🔥 RY MALAGASY MANAN-TSAINA, MIFOHAZA!
Aza miandry olona hanova ny ho avinao. Ianao no fanovana. Ny vahoaka mahalala no vahoaka afaka manova ny tantara.

📢 ZARAO ity publication ity raha mino ianao fa mendrika fandrosoana i Madagasikara!

Address

Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when NyHary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share