Étudiants - IFIRP Toamasina

Étudiants - IFIRP Toamasina Ensemble, façonnons l'avenir des soins 🎓 💉

Bienvenue sur la page officielle des étudiants paramédicaux de l'IFIRP Toamasina
Nous sommes des futurs professionnels de la santé et on exerce notre metier avec passion, solidarité et expertise.

Salama daholo tompoko,Tontosa am-pahombiazana ny hetsika ara-panatanjahan-tena nokarakarain’ny mpianatra IFIRP TOAMASINA...
23/05/2026

Salama daholo tompoko,
Tontosa am-pahombiazana ny hetsika ara-panatanjahan-tena nokarakarain’ny mpianatra IFIRP TOAMASINA(Tournoi football inter institut paramédicaux Toamasina) ny 16 mey 2026 lasa teo🩺
Nandray anjara tamin’izany ireo sekoly Paramedical 💉teto Toamasina
IFIRP,INSPALM,ISFSP, IFSPT, IFPA,ISSPM,INSPNMAD,UPRIM.
Nanjaka ny firaisankina, ny fifanajana ary ny fiaraha-mientana nandritra ny lalao, ka nahatonga ny hetsika ho nahafinaritra sy nahomby.
Isaorana ireo rehetra nandray anjara sy nanohana ary nikarakara
Nivoaka mpandresy tamin'izany moa
-IFIRP(vehivavy)
-ISFSP(Lehilahy)

Fampahafantara:Izaho : ANTONIOT MAXE Didia Denis noPrésident des étudiants IFIRP TOAMASINA 2025-2026Institut de Formatio...
18/05/2026

Fampahafantara:
Izaho : ANTONIOT MAXE Didia Denis no
Président des étudiants IFIRP TOAMASINA 2025-2026
Institut de Formation Inter‑Régional des Paramédicaux – Toamasina izay ahitana sage-femme sy infirmier (e) généraliste

Faly izahay amin’ny maha‑IFIRP anay, ary mirehareha amin’ny fahaiza‑manao sy ny fanoloran‑tena ho amin’ny fahasalamana.
Ny taona 2025‑2026 dia mariky ny fiaraha‑mientana sy ny fanantenana vaovao: iray vina, iray fo , iray tanjona ho amin’ny fahasalaman'ny vahoaka tsy an-kanavaka.

Tanteraka sy tontosa ary vita ilay fianarana sy fiofanana teo anivon'IFIRP Toamasina ka nampintondraina ny anarana hoe:"...
09/05/2026

Tanteraka sy tontosa ary vita ilay fianarana sy fiofanana teo anivon'IFIRP Toamasina ka nampintondraina ny anarana hoe:" Promotion MAZAVA " ny promotion anay izay miisa 60 (27 SF sy 33 INF). Andiany faha 9 izay nikambanana t@ faculté de médecine teto Toamasina izahay ka nifaranana tamin'ny lanonana teo anoloan'ny olona maventy manan'kaja isan'tsokajiny sy ireo Ray aman-dreny izay tonga , natao tamin'ny 6 mey 2026. Dingana ihany iny fa mbola betsaka ny dingana haraina sy adidy hosedraina fa izahay promotion MAZAVA kosa dia vonona hatramin'ny farany.
Mankasitra anareo nanotrona rehetra ee !

Promotion MAZAVA / IFIRP Toamasina ✨🎓
09/05/2026

Promotion MAZAVA / IFIRP Toamasina ✨🎓

Trotraka alahelo sy fakivina izahay mpianatra IFIRP Toamasina 'ny fananana izay vao nitokanana roa(2) erinandro lasa.Vok...
16/02/2026

Trotraka alahelo sy fakivina izahay mpianatra IFIRP Toamasina 'ny fananana izay vao nitokanana roa(2) erinandro lasa.Voka-dratsy naterakin'ny fandalovany "Cyclone GEZANI" dia potika tsy hazo hianarana ny salle ankehitriny.

Salama Tompoko !Velom-pisaorana sy fankasitrahana ho anjareo ekipan'ireo PRRM sy PSOM ka tsy nijery maina fotsiny fa nan...
16/02/2026

Salama Tompoko !
Velom-pisaorana sy fankasitrahana ho anjareo ekipan'ireo PRRM sy PSOM ka tsy nijery maina fotsiny fa nandray an-tànana tamin'ny fanampiana ho an'ny mpianatra IFIRP traboina eto Toamasina dia nanolotra vary sy menaka ary vovon-dronono izy ireo.
Mankasitraka sy mankatelina mitafotafo ho anareo 🙏🙏

Tanteraka soamatsara ny stage rural L2 sy L3 IFIRP Toamasina ny 02 hatramin'ny 30 Jona 2025 satria tafaverina eto Toamas...
03/07/2025

Tanteraka soamatsara ny stage rural L2 sy L3 IFIRP Toamasina ny 02 hatramin'ny 30 Jona 2025 satria tafaverina eto Toamasina daholo izahay.
Misaotra an'Andriamanitra nahatanterahana izany.
Mankasitraka an'ireo responsable anay koa nandamina ny fandefasana anay tany.
Fisaorana mitafotafo ihany koa hoan'ireo nandray anay tany dia ireo Médecins Inspecteurs, Chef CSB ary ny mpiara-miasa aminy.
Mankasitraka sy mankatelina anareo rehetra izahay 🙏🙏.

Nanatanteraka ny "Inspection de viande" izahay teto ka misaotra an'i Docteur sy ireo Monitrices koa nahafahanay nanatant...
12/05/2025

Nanatanteraka ny "Inspection de viande" izahay teto ka misaotra an'i Docteur sy ireo Monitrices koa nahafahanay nanatanteraka izany.

Nitsidika an'ny "MERCY-SHIPS" ny "Infirmières généralistes" teo ka mankasitraka ireo Monitrices nametraka ny drafitra na...
12/05/2025

Nitsidika an'ny "MERCY-SHIPS" ny "Infirmières généralistes" teo ka mankasitraka ireo Monitrices nametraka ny drafitra nahafana nanatanteraka izany fitsidihana izany.

Akory aby ee,,fampafantarana no hataoko dia hoe: Alain Amode RAMAMONJISOA no anarako feno izay filoha "Sage Femme et Inf...
12/05/2025

Akory aby ee,,fampafantarana no hataoko dia hoe: Alain Amode RAMAMONJISOA no anarako feno izay filoha "Sage Femme et Infirmières généraliste à l'Institut des Formations Inter-Régionaux des Paramédicaux" Toamasina ny taona 2024-2025. Faly izahay @ maha IFIRP anay.Ka sambatra raha samy sambatra isika iray kitapo ivoahana.

Address

Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Étudiants - IFIRP Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share