02/06/2025
Ry ray aman-dreny sy havana,
Mitady cadeau tsara indrindra ho an’ny ankizy ve ianareo? Izao no fotoana mety indrindra hampianarana azy ireo teny vahiny, indrindra fa ny teny Anglisy!
Efa misokatra ho antsika rehetra ny English American Course for Kids, eto Tanambao 5, Cité Béryl Rose, ambadiky ny Fiangonana Sacré Cœur.
Mandray mpianatra izahay manomboka amin’ny kilasy 10e ka hatramin’ny Terminale.
Inona no mampiavaka anay?
Fampianarana manokana amin’ny teny Anglisy ho an’ny ankizy sy tanora.
Ray aman-dreny izay maniry hampivoatra ny fiainany amin’ny sehatry ny asa, varotra, fandraharahana, sy ny sisa dia afaka misitraka fampiofanana manokana ihany koa.
Raha mikasa hiasa any ivelany na amin’ny sambo mpitondra mpizaha tany (batea croisière) ianao, dia misy fampianarana manokana koa ahafahanao miomana amin’izany.
👉 Aza miandry ela! Tongava misoratra anarana dieny izao!