Fampianarana Mihira

Fampianarana Mihira Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fampianarana Mihira, Education, Tanjombato.

21/08/2026

Teny an-dàlana teny…

— Olona: Aiza ho aiza eto azafady no misy ilay toerana…?
— Izaho: Tena tsy haiko. Sao misy contact dia hanontaniana hoe aiza marina ilay toerana?
— Olona: Eny ary e! Misaotra anao. (Somary tsy nihetsika kely, toy ny nisy zavatra noeritreretina…) Ary tsy ianao ve ilay mampianatra feo e?
— Izaho: Eny, izaho. Raha ilay page Fampianarana Mihira no resahanao.
— Olona: Avy dia tsaroako ilay feonao…

Tsy iray, tsy roa no efa sendra toy izao aho teny an-dàlana na tany amin’ny sehatra hafa, rehefa nifampiresaka tamin’olona. Noho ilay feo somary farimparina ve, sa ahoana? 😄

Mirary zoma mahafinaritra! Fenoy “zygo” hatrany ny fiainanao. 🎶✨

Tojo

04/08/2026

Ho anareo manontany COURS INDIVIDUEL,

Satriko tokoa hampiofana individuel toy ny nataoko taloha, saingy TSY MANANA SALLE aho. Efa niezaka nikaroka fa mampisalasala. Lasa ambony be ny sarany aloanareo raha izay hitako hatreto izay.

Aza misalasala milaza amin'ny MP raha misy manana hevitra ianareo na mahita salle na trano azo anaovana an'izay COACHING VOCAL izay.

Maniry soa.

04/08/2026

Misy fotoana malalaka kely aho amin'ity aogositra ity ho anareo Chorale mitady formation technique vocale.

01/08/2026

MANKASITRAKA E!

Faly indray afaka nizara ny Mode vocal taminareo androany. Feno fifaliana hatrany rehefa mizara.

Amin'ny manaraka indray mizara misimisy!

Tojo

Aza hadinoina ny fotoanantsika rahampitso eny Andohalo.
31/07/2026

Aza hadinoina ny fotoanantsika rahampitso eny Andohalo.

30/07/2026

TSY RESAKA FEO FA TOHOHEVITRA MAHASOA E!

Ho anareo manomana mémoire, miezaha mifehy ny saut de section, style de mise en forme, table des matières automatiques, insertion légende des tableaux et des figures, numérotation des pages, sns.... rehefa manao rédaction ianareo. Ilainareo be ireo.

Inona no mety olanao amin'ny fanomanaan na rédaction ny mémoire anao? Soraty anaty commentaire ao sao misy torohevitra mety hanampy anao.

Aza hadinoina fa eo koa ny tolotra 𝗖𝗔𝗛𝗜𝗘𝗥 𝗗𝗘 𝗠𝗨𝗦𝗜𝗤𝗨𝗘
29/07/2026

Aza hadinoina fa eo koa ny tolotra 𝗖𝗔𝗛𝗜𝗘𝗥 𝗗𝗘 𝗠𝗨𝗦𝗜𝗤𝗨𝗘

𝗔𝗧𝗘𝗟𝗜𝗘𝗥 𝗠𝗢𝗗𝗘𝗦 𝗩𝗢𝗖𝗔𝗨𝗫𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟭 𝗔𝗼𝘂𝘁 (𝟵𝗛 - 𝟭𝟮𝗛)𝗔𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝗹𝗼 Asaiko indrindra ianareo namana:👉 Chef de choeur,👉 Manana faniria...
27/07/2026

𝗔𝗧𝗘𝗟𝗜𝗘𝗥 𝗠𝗢𝗗𝗘𝗦 𝗩𝗢𝗖𝗔𝗨𝗫
𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟭 𝗔𝗼𝘂𝘁 (𝟵𝗛 - 𝟭𝟮𝗛)
𝗔𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝗹𝗼

Asaiko indrindra ianareo namana:
👉 Chef de choeur,
👉 Manana faniriana ho Chef de choeur,
👉 Mpanitsy feo ao amin'ny Antoko-Mpihira,
👉 Ary ny mpihira rehetra te hanatsara ny fifehezany ny feo.

Ho fantatrao ao amin'io atelier io ny:

✅ 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 ireo modes vocaux efatra (Neutral, Curbing, Overdrive, Edge) mamaritra ny Méthode CVT,
✅ 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗩𝗔𝗞𝗔 ireo modes 4 ireo
✅ 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗬 𝗠𝗜𝗛𝗜𝗥𝗔 ireo modes 4 ireo
✅ 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗧𝗥𝗔 ny fetran'ireo modes tsirairay ireo.

MALALAKA ny fandraisana anjara ho fandoavana ny hofan'ny toerana.

Andohalo ao amin'ny bâtiment ny Lycée Andohalo no anaovana ny atelier. Tsy any amin'ny vavahady principal anefa no fidirana fa io atoro anaty carte io.

Fifandraisana: 037 68 980 55 | 038 84 022 91

Maniry soa
Tojo

22/07/2026

Mba alefaso MP amiko raha misy mahita salle azo anaovana formation chef de choeur sy coach eto Tana? Misaotra

13/07/2026

RY ANTOKO-MPIHIRA O!

Aza mitady tanjaka sy angovo be ianareo rehefa mihira naoty ambany sy antenantenany. Lasa manosika feo ianareo, ka sady lasa tsy stable ny naoty ambony, mety hivalana, no lany hery ny vatanareo. Fanampiny, lasa tapatapaka ny phrase musicale.

Tsisy feo aho ato fa rehefa tafaverina izay dia asehoko anaty vidéo ilay olana sy ny vahaolana pratique hialana aminy. Promis!

Address

Tanjombato
101

Telephone

+261344315280

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fampianarana Mihira posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to Fampianarana Mihira:

Shortcuts

Share

Category