Université de l'Itasy Ofisialy

Université de l'Itasy Ofisialy Université de l'İtasy à Soavinandriana

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐀𝐂𝐂𝐀𝐋𝐀𝐔𝐑𝐄́𝐀𝐓 𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐍𝐀𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐅𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐄𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀, 𝐇𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐍𝐀.
23/06/2026

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐀𝐂𝐂𝐀𝐋𝐀𝐔𝐑𝐄́𝐀𝐓 𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐍𝐀𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐅𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐄𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀, 𝐇𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐍𝐀.

"Fanadiovana faobe ny tanàna renivohitr’i Soavinandriana Itasy"🧹Ho fanomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy ...
20/06/2026

"Fanadiovana faobe ny tanàna renivohitr’i Soavinandriana Itasy"🧹

Ho fanomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy 2026 ,dia niara-nientana nanadio ny tampon-tanànan'i Soavinandriana Itasy renivohitra niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry teto an-toerana ary ireo sampan-draharaha isan-karazany ny Oniversiten’Itasy tamin’ity Sabotsy 20 Jona 2026 ity.

Nandritra izany dia hita tokoa ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny mpianatra, ireo mpandraharaha ary ireo tompon’andraikitra maro .

Ity hetsika ity dia naneho ny firaisankina sy fitiavan-tanindrazana ❤️ ary ny finiavana hanome endrika tsara sy madio ny tanàna✨.

Mankasitraka antsika rehetra izay nifanohana sy nandray anjara tamin’ity hetsika manan-danja ity androany 🙏💐.

💳 "Enrôlement Biométrique" eto amin’ny Oniversiten’Itasy Faliarivo Soavinandriana.👉Nanomboka androany Talata 16 Jona 202...
16/06/2026

💳 "Enrôlement Biométrique" eto amin’ny Oniversiten’Itasy Faliarivo Soavinandriana.

👉Nanomboka androany Talata 16 Jona 2026 ny fisoratana anarana biometrika ho an’ireo mpampianatra, mpiasa ary mpianatra eto amin’ny Oniversiten’Itasy.

👉Maharitra efatra andro izany: ny mpampianatra sy ny mpiasa no nanomboka azy androany, ary ny mpianatra kosa hanomboka rahampitso Alarobia 17 Jona 2026 ka hifarana amin’ny Zoma 19 Jona 2026.

🤔 Inona moa no atao hoe “enrôlement biométrique”?
Ny "enrôlement biométrique" dia fomba hanangonana ny mombamomba ny olona iray toy ny anarana, toerana nahaterahany, sary, ary rantsan-tànana... Ny tanjona dia ny hanomezana "identité unique" na “IZAHO TOKANA” ho an’ny olom-pirenena tsirairay, mba hahazoana antoka ny maha-izy azy.

👉Manentana ny mpianatra, mpiasa ary mpampianatra rehetra handray anjara amin’ity fisoratana anarana biometrika ity araka izany.

📌Aza adino ny mitondra ny CIN na kopia nahaterahanao.

16/06/2026
🎉✨ Famaranana ny fankalazana ny “Andron'ny Mpianatra andiany faharoa eto amin’ny Oniversiten’Itasy" -J2 ✨🎉 🙏 Misaotra ha...
12/06/2026

🎉✨ Famaranana ny fankalazana ny “Andron'ny Mpianatra andiany faharoa eto amin’ny Oniversiten’Itasy" -J2 ✨🎉

🙏 Misaotra hatrany ny mpikarakara, ny mpianatra rehetra, ny mpampianatra ary ny vahiny tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ity hetsika lehibe ity. Ny fandraisan’anjaranareo rehetra no nahatonga azy ho tontosa soa aman-tsara tahaka izao 😍👏.

🌟 Tao anatin’ny firaisankina tokoa no nanatanterahana ny hetsika.

🙏 Mankasitraka indrindra ny ezaka sy ny fanoloran-tena nataon’ny rehetra.

'Itasy #

🎉 "Andron'ny Mpianatra andiany faharoa eto amin'ny Oniversiten'Itasy – J1" 🎉📅 Androany Alakamisy 11 Jona 2026 sy Zoma 12...
11/06/2026

🎉 "Andron'ny Mpianatra andiany faharoa eto amin'ny Oniversiten'Itasy – J1" 🎉

📅 Androany Alakamisy 11 Jona 2026 sy Zoma 12 Jona 2026 no natao hankalazana ity hetsika lehibe ity. Manasa antsika rehetra ho tonga hanotrona, indrindra ianareo mpianatra eto amin'ny Oniversiten'Itasy.

✨ Maro ireo seho ara-koltoraly sy ara-panatanjahantena niseho anio toy ny:

👑 Fifaninanana: "Miss sy Mister UDI 2026"

🏀 Fifaninanana: Basket OPEN, Basket 3x3 lahy sy vavy, "Foot à 11" sy "Foot à 7", "Tsipy kanetibe"

🎲 Fifaninanana kilalao an-databatra: ping-pong, domino,...

💃🎤 Fifaninanana. mandihy, mihira, kabary, tononkalo, slam,...

🤝 Mankasitraka hatrany ireo mpikarakara sy ny mpandray anjara rehetra!

Rapitso indray isika mihaona ary!👍🎆

🏅 "Semi-Marathon Itasy 2026"🏃♂️✨ 👉Amin’arivony ireo mpandray anjara tamin’ny "Semi-Marathon" izay nokarakarain’ny Oniver...
11/06/2026

🏅 "Semi-Marathon Itasy 2026"🏃♂️✨

👉Amin’arivony ireo mpandray anjara tamin’ny "Semi-Marathon" izay nokarakarain’ny Oniversiten’Itasy androany Alakamisy 11 Jona 2026.👏

👉Teo ambany fiahian’i Ramatoa Lehiben’ny Faritra Itasy ity hetsika ity, izay notroniny, tao ihany koa ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Soavinandriana, ny Filohan’ny Oniversiten’Itasy sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Lehiben’ny Distrikan’i Soavinandriana, ny Ben’ny Tanànan’i Kaominina Soavinandriana mivady, ireo sivily sy miaramila, ary ireo sampan-draharaha maro samihafa teto amin’ny Faritra Itasy.

👉Ny refi-dàlana nodiavina nandritra izany dia 22 km eo ho eo, niainga teo amin’ny Kaominina Renivohitr’i Soavinandriana mankany amin’ny Kaominina Ambohidanierana ary niverina eny amin’ny Oniversiten’Itasy Faliarivo 🚩

🎯Ity hetsika ity dia natao ho fanomanana ny fankalazana ny Fetim-pirenena Malagasy 2026 eto amin’ny Kaominina Soavinandriana ary ho fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny "Andron’ny Mpianatra andiany faharoa eto amin’ny Oniversiten’Itasy" izay nanomboka anio.

🙏 Misaotra ireo mpandray anjara rehetra, izay tena nampiseho fahavononana sy fanoloran-tena lehibe. Niavaka tokoa ny hetsika izay niaraha-nanatontosa androany 💪🎉.

🔥 Andro feno firaisankina, manamarika dingana lehibe ho an’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina eto amin’ny faritra Itasy ny hetsika tahaka izao.

Mankasitraka feno antsika rehetra 🏅👏.

'Itasy #

🤝 "Fiaraha-miasa eo amin'ny Oniversiten'Itasy sy ny Zandarimariam-pirenena eto Soavinandriana Itasy "👉Ho fanohanana ny a...
08/06/2026

🤝 "Fiaraha-miasa eo amin'ny Oniversiten'Itasy sy ny Zandarimariam-pirenena eto Soavinandriana Itasy "

👉Ho fanohanana ny asa sy ny andraikitry ny Zandarimaria amin’ny fiarovana sy ny filaminana eto Soavinandriana, dia nanolotra solosaina ho azy ireo ny Oniversiten'Itasy androany Alatsinainy 08 Jona 2026.

💻 Ity fanomezana ity dia mariky ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ara-teknolojia izay manampy amin’ny fanatsarana ny asa ho an’ny fiarahamonina.

🙏 Ny Brigadin’ny Zandarimaria Soavinandriana dia naneho fankasitrahana feno tamin’ity fanomezana ity, izay hanampy betsaka azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa andavan'andro.

👉Ny Oniversiten’Itasy kosa dia hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo andrim-panjakana rehetra izay mitondra tombontsoa ho an’ny mponina sy ny faritra.

'Itasy #

"FIKAROHANA MANAKAIKY VAHOAKA – Parvis Analakely, 05 sy 06 Jona 2026"📌Nandray anjara tamin’ny hetsika lehibe "Fikarohana...
06/06/2026

"FIKAROHANA MANAKAIKY VAHOAKA – Parvis Analakely, 05 sy 06 Jona 2026"

📌Nandray anjara tamin’ny hetsika lehibe "Fikarohana Manakaiky Vahoaka", nokarakarain’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny Oniversiten’Itasy.

👉Nandritra ny hetsika dia nisy ny fampirantiana sy ny fihaonana ara-tsiansa. Teo ihany koa ny fifaninanana ara-kolontsaina toy ny dihy, ary ireo lalao ara-panatanjahantena samihafa, toy ny basikety 3x3 izay nahasarika mpijery maro.

👉Nandray anjara tamin’ny basikety 3x3 lahy sy vavy ny Oniversiten’Itasy ary tsy nitsanga-menatra tamin’ny fanehoana ny fahaiza-manaony sy ny heriny, izay isaorana hatrany. 👏💪

🎯Ny fandraisana anjara toy izao dia manaporofo fa ny Oniversite dia tsy mijanona amin’ny sehatra akademika ihany, fa mandray anjara amin’ny fananganana tanora feno finiavana ho avin’ny firenena.

👏Mankasitraka ny mpikarakara, ary indrindra ianareo solontena izay nitondra avo ny lokon’ny Oniversiten’Itasy.✨

'Itasy #

" Fitsidihan’ny Filohan’ny Oniversiten’Itasy sy ny Talen’ny INGE Ankatso (École Doctorale Ingénierie et Géosciences) ny ...
02/06/2026

" Fitsidihan’ny Filohan’ny Oniversiten’Itasy sy ny Talen’ny INGE Ankatso (École Doctorale Ingénierie et Géosciences) ny Laboratoaran’ny NOVA Resources, Ivato Antananarivo – Zoma 29 Mey 2026 "

🔬 Noho ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny NOVA Resources Madagascar, ny Oniversiten’Itasy ary ny INGE Ankatso, dia hotantanan’ny Oniversiten’Itasy sy ny INGE ny laboratoara lehibe ao amin’ny NOVA Resources, Ivato Antananarivo. Ity laboratoara ity dia natao hanohanana ny fikarohana sy ny fandrosoana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibontany sy ny rano, sady mikajy hatrany ny tontolo iainana.

🤝 Nandritra ny dinika nifanaovan’ireo tompon’andraikitra dia nodinihina ihany koa ny fahafahana hanitatra ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra hafa.

🎯 Ny tanjona lehibe amin'izany dia ny hanokatra varavarana ho amin’ny fampandrosoana sy fanitarana ny sehatra fikarohana momba ny harena an-kibontany sy ny rano, ho fampiroboroboana izany eto Madagasikara.

'Itasy #
#

Address

RN43
Soavinandriana
118

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Université de l'Itasy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share