09/03/2026
🎓 FAQ : Ny momba ny fiovan’ny CNTEMAD ho Université Virtuelle Publique (UVP)
Mbola manan-kery ve ny diplaoma azoko tao amin’ny CNTEMAD?
Mazava ho azy, tsy manafoana ny lanjan’ny diplaoma efa azonao izao fivoarana ho UVP izao. Mifanohitra amin’izany aza, ny fijoroan’ny UVP dia manome lanja bebe kokoa ny fianarana vitanao :
• Fankatoavan’ny Fanjakana: Ny diplaoma dia eken’ny Fanjakana Malagasy, na amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana izany, na eo amin’ny sehatra tsy miankina.
• Fenitra Iraisam-pirenena: Ny taranja sy ny fampianarana atao amin’ny UVP dia mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fampianarana (EAD), izay manamora ny fankatoavana ny diplaomanao any ivelany.
• Fitohizan’ny fianarana: Ho anareo mpianatra, mitohy hatrany ny dingana efa vitanareo. Ny fifindrana amin’ny fitantanana vaovao dia mandeha ho azy (automatique), ka tsy misy fomba fiasa sarotra tsy maintsy hataonareo.
Ny tokony hotadidina: Ny fiovana ho UVP dia natao hampiakarana ny lanjan’ny diplaomanao. Tsy foanana ny zava-bitan’ny CNTEMAD fa ampanarahina ny toetrandro sy ny teknolojia vaovao.
fans
Mesupres
🎓 FAQ : Transition CNTEMAD vers l’UVP
Mon diplôme actuel du CNTEMAD reste-t-il valable ?
Oui, absolument. La validité de votre diplôme n'est en aucun cas remise en question par cette transformation. Au contraire, ce passage de l'UVP apporte plusieurs avantages.
• Reconnaissance Étatique : Votre diplôme conserve son caractère officiel et est pleinement reconnu par l'État Malagasy pour les concours administratifs et le secteur privé.
• Modernisation : L'UVP aligne les cursus sur les standards internationaux de l'EAD (Enseignement à Distance), ce qui peut faciliter la mobilité internationale et les équivalences.
• Continuité de parcours : Si vous êtes actuellement en cours de cycle, votre progression est maintenue. La transition administrative est automatique : vous n'avez aucune démarche complexe à entreprendre pour valider vos acquis précédents.
Ce qu'il faut retenir : Le changement de nom et de structure vise à valoriser votre titre académique, pas à le remplacer. Vous passez d'un centre national à une université de plein exercice.