15/05/2026
💻✨ 𝗙𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 "𝗘𝗤𝗨𝗜𝗩𝗔𝗟𝗘𝗡𝗖𝗘"
📍 𝗛𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 “𝗣𝗹𝗮𝘁𝗲𝗳𝗼𝗿𝗺𝗲” 𝗵𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟰 🌍
______________
🏛️ 𝗙𝗶𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 “𝗱𝗶𝗴𝗶𝘁𝗮𝗹𝗶𝘀𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻”
Ho fanatsarana ny famoahana ny « 𝐄𝐪𝐮𝐢𝐯𝐚𝐥𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐚𝐝𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐯𝐞 », dia miroso hatrany amin’ny fametrahana rafitra nomerika (plateforme numérique) ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP), miaraka amin’ny Unité de Gouvernance Digitale (UGD) eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ary ireo mpiara-miombon’antoka 🤝.
______________
🧠 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮𝘀𝗮 (𝗮𝗽𝗽𝗹𝗶𝗰𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻)
Ao anatin’ny famitana ny rindranasa ankehitriny ireo manam-pahaizana manokana ao amin’ny sampam-piofanana Matematika, Informatika ary Statistika Ampiharina (MISA), eny amin’ny Anjerimanontolo 🎓.
📅 Hatolotra amin’ny volana Jona 2026 ny vokatra, ary hiroso avy hatrany amin’ny andrana (phase test).
______________
🎯 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚
* ⚡ Famoahana ny “Equivalence administrative” ao anatin’ny iray andro
* 🌍 Fahafahana mangataka sy mahazo izany eny amin’ny faritra 24
* 📊 Fanatsarana ny fitahirizana sy fanangonana angon-drakitra
* 🖥️ Fametrahana rafitra maoderina mifanaraka amin’ny “centralisation des données”
______________
📂 𝗟𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗼𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮
Ezaka lehibe tanterahin’ny MTEFoP ny famadihana ny lisitr’ireo rehetra nahazo mari-pahaizana ho angon-drakitra nomerika 💾.
📲💻 𝗔𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆 🇲🇬✨
𝗠𝗮𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝟭𝟯𝟬 𝟬𝟬𝟬 𝗽𝗲𝗷𝘆 ireo 𝗹𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗮𝘃𝗼𝗮𝘇𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗻𝗼𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮, ahafahana mpampandeha ny 𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 hipetraka. 📁📊
« 𝑴𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒊𝒌𝒐𝒍𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒊𝒓𝒂𝒌𝒊𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒏𝒐𝒎𝒆𝒓𝒊𝒌𝒂, 𝒏𝒐𝒉𝒐 𝒊𝒛𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒉𝒆𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒆𝒛𝒊𝒗𝒆𝒛𝒆𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒔𝒂𝒏𝒂 »,
___𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗡𝗝𝗔𝗧𝗢 𝗥𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮, tale misahana ny fampiofanana sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao ny mpiasam-panjakana na 𝗗𝗙𝗣𝗔𝗘, ao anatin'ny 𝗗𝗶𝗿𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗚é𝗻é𝗿𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗙𝗼𝗻𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗽𝘂𝗯𝗹𝗶𝗾𝘂𝗲 (𝗗𝗚𝗙𝗼𝗣)💬🛡️⏱️
🏛️🤝📅 Nanatanteraka 𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 niarahana tamin’ny 𝗨𝗚𝗗 sy ireo avy ao amin’ny 𝗠𝗜𝗦𝗔 ny 𝗸𝗼𝗺𝗶𝘁𝘆 𝘁𝗲𝗸𝗻𝗶𝗸𝗮 ao amin’ny 𝗠𝗧𝗘𝗙𝗼𝗣 ny 11 ka hatramin’ny 13 May 2026.