23/04/2026
Ombàko manana ity ! Misaotra mankasitraka 🙏
MITOKANA IRERY AO AN-TRANONY AO IZY
Hoy ny fitarainan’ny renim-pianakaviana iray :
« Dimy ambin’ny folo (15 ) taona ny zanako izao . Tonga ao an-trano izy ; miavona ; tsy miteny ; mitokana irery ao an-tranony ao . Matetika izy no manao tahaka izany , kanefa tsy olona marary . »
Ity no antony iray mety mahatonga izany trangan-javatra izany :
Mamorona tontolo te hisaraka amin’ny ray aman-dreniny ny zatovo manomboka eo amin’ny roa ambin’ny folo (12 ) taona eo ho eo . Ao anatin’ny dingam-pivoarana voajanahary ao amin’ny ankizy miala sakana izany .
Ny fahanginan’ny ankizy , ny fitokanany irery ao an-trano dia endrika iray anehoany ilay tontolo te hisintaka amin’ny fahefan’ny olon-dehibe satria mihevitra ny tenany ho efa lehibe koa izy .
Tsy ny firesahana momba ny fitondran-tenan’ny zatovo no tokony hatao betsaka , fa ny fidirana ao amin’ilay tontolo mahaliana azy : fialamboly , mozika , fanatanjahantena , finamanana , fianarana , sns .
Matetika no tsy mahomby ny hoe : « Mila miresaka aminao aho anio . » Fa any am-pitsangantsanganan’ny mpianakavy ; fiarahana milalao ; any amin’ny fiarahana manao zavatra ; any no koloina milamina ny fifandraisana .
Rehefa mihalehibe ny ankizy , dia mihalehibe miaraka aminy koa ny olany .
Mety mikatom-baravarana irery ao an-tranony ny zanakao , fa ny fonao kosa aoka hisokatra aminy mandrakariva .
Raoeliarijao
23/04/2026
Manasa anao handray anjara amin'ny adi-hevitra !
21/01/2026
OMANINA NY FIATREHANA
NY ADOLANTSENTO
Tsy tonga adolantsento tampoka akory ny ankizy fa dingana sy tohin’ny fiainany teo amin’ny fahazazany izany .
Noho izany tsy tonga tampoka ihany koa akory ny krizin’ny adolantsento fa mety efa novolavolain’ny fiainany tamin’ny fahazazany izany .
Dieny mbola kely ary ny zaza dia aoka homanina ny fomba hiatrehany ny krizin’ny adolantsento mba halefaka kokoa ny fisehoan-javatra rehefa tonga ny fotoany .
Ireto ohatra no anisan’ireo fanao tsara tokony hatao amin’ny zaza :
Tsy tenenina foana fa mba henoina ihany koa . Tsy atao zanaka foana fa mba atao namana ihany koa . Tsy fahefana no tena ilainy fa fifandraisana tsara .
Raoeliarijao
25/12/2025
MIFAMPIARAHABA VE NY ATO AN-TRANO REHEFA MARAINA ?
Hoy ny lehilahy anankiray raha nilaza ny heviny momba izany :
« Tsy mahazatra ahy ilay miarahaba satria samy olona ato an-trano ihany izahay ; ny vadiko ary olona miara-matory amiko amin’ny alina , dia tsy hitako izay mbola ifampiarahabanay indray amin’ny maraina . »
Fahaiza-miaina tsotra kanefa manan-danja eo amin’ny fiainan’ny ankohonana ny fifampiarahabana amin’ny maraina . Manokatra ny fifandraisana eo amin’ny mpivady sy eo amin’ny mpianakavy izany .
Arahabaina ny zaza : « Nanao ahoana ny alina ? » Mety raha arahina kopakopa-tanana kely na famihinana amin’ny sandry mihitsy izany . Mahasalama ny toe-po sy ny vatan’ny zaza ny fihetsika toy izany .
Tsy fahaiza-miaina fotsiny ihany akory ny fifampiarahabana eo amin’ny ankohonana amin’ny maraina , fa fiderana ihany koa an ‘ Andriamanitra izay mbola nanome indray andro iray vaovao .
Raoeliarijao
24/12/2025
"Ho tsara mandrakariva aminay anie ianao, Jéhovah Andriamanitra Rainay O. Amen !"
Isaoranay Ilay Andriamanitra Mpahary, Ilay fanorenana mandrakizay izay nanaiky ny nanorenanay ny tokantranonay teo Aminy tamin'alalan'ny FISORATAM-PANAMBADIANA ny 24 desambra 2010. Andro lehibe tokoa amin'ny fiainanay mivady izany.
Manana hafatra lehibe tiana ampitaina amintsika mpanaraka ny pejy Fanabeazana Miranga izahay mivady androany, ho fanamarihanay ity andro manokana ity :
Misesisesy ny fisoratam-panambadiana faobe etsy amin'ny kaominina ambonivohitr'i Mahajanga amin'izao faramparan'ny taona izao. Dia hoy ny lehilahy iray izay sendra tafaresaka tamiko nanao hoe : "Humm, tsy fotoana fihazakazahana hanaovana fisoratam-panambadiana izao fa mahamay ny fiainana... Izay fomba hitaizana tsara ny zaza no tokony ifantohana mafy sy imasoana. "
Toa te hiteny ity lehilahy ity fa loza ho an'ny mpivady - indrindra fa ny lehilahy, ny firosoana amin'izany fisoratam-panambadiana izany satria lasa hanome chance lehibe kokoa ho an'ilay vehivavy eo amin'ny fahazoana tombotsoa ara-materialy izany rehefa hisaraka. Izany hoe : Aminy, ny fisaraham-panambadiana dia tranga na toe-javatra tsy maintsy handalovan'ny mpivady na tiana na tsy tiana indrindra rehefa miha-mananosarotra ny fiainana.
Fiheverana diso tanteraka izany ! Ny mifanohitra amin'izany no marina satria, izahay dia mahatsapa fa ny fisoratam-panambadiana - rehefa voadinika tsara (voaomana sy ara-potoana) dia maha-marin-toerana ny tokantrano ary manampy sy manamora ny fitaizana sy ny fifanabeazana ao an-tokantrano.
Na izany aza anefa, ny tsiambaratelo ambony indrindra dia ny fametrahana an'i Kristy ho mpitarika, sy mpanolo-tsaina ary fanorenana ny tokantrano hatrany am-piandohan'ny fifankatiavana mihintsy satria Andriamanitra Tsara Izy no sady Mpanao ny tsara ary mahay manao izay mahatsara ny zanany izay tena maniry izany ihany koa.
Izany no mahatonga anay maniry sy mivavaka mandrakariva hoe : "Ho tsara mandrakariva aminay anie Jéhovah", mba hitiavanay sy hanarahanay mandrakariva ny toro-marika rehetra omeny anay hatramin'izay ka hatramin'izao.
Mirary soa ny tokantranonareo ihany koa izahay hahita soa amin'ny fiarahana amin' Andriamanitra, hanjakan'ny fifankatiavana mafy o***a, ka ho vita fisoratam-panambadiana avokoa izay rehetra tsy mbola nandalo tamin'izany. Amen !
Sambia tsara 🙏
03/12/2025
NY FIFANDRAISANA MANDRITRA
NY ARIVO (1000) ANDRO VOALOHANY
Ny fanabeazana dia resaka fifandraisana aloha .
Ny fifandraisana tsara apetraky ny ray aman-dreny amin’ny zaza mandritra ireo arivo (1000) andro voalohany eo amin’ny fiainany dieny izy vao any am-bohoka , dia manome vitrika ho amin’ny fivoaran’ny atidohan’ny zaza .
Manampy ny zaza ho amin’ny fahaizany miteny , ho amin’ny fanehoany ny fihetseham-pony ; ho amin’ny fitadidiany io kalitaom-pifandraisana miabo io . Hisy fiantraikany tsara amin’ny fianarana ataon’ny zaza any an-tsekoly izany .
Ny endrika hita eo amin’ny tarehintsika olon- dehibe ohatra , ny fijerin’ny masontsika , ny haavon’ny feo , ny fihetsiky ny tanana , dia mora raisin’ny atidohan’ny zaza kokoa , indrindra raha mbola kely izy , noho ny teny avoaky ny vavantsika .
Raha atao amin’ny fitoniana , amin’ny fitiavana , amin’ny fifantohana mankeo amin’ny zaza ireo rehetra ireo , dia manjary mahatsapa fiadanam-po , fiarovana sy filaminan-tsaina ny zaza .
Hiteraka vokatra tsara eo amin’ny fiasan’ny sain’ny zaza sy ny fivelarany eo amin’ny lafin’ny maha-olona azy manontolo izany kalitaom-pifandraisana miabo izany .
Adidintsika ray sy reny ny miezaka mametraka izany mandritra ireo arivo (1000) andro voalohany ireo ; eny , mihoatra noho ireo andro ireo aza .
Raoeliarijao
26/11/2025
« HITANAY AMIN’NY ATAONY
NY FAMPIANARANY »
Nanaovana fanadihadiana ireo mpianatra tao amin’ny sekoly kristiana anankiray fanofanana ho mpitandrina . Nanontaniana azy ireo ny fomba fampianatry ny mpampianatra tsirairay .
Nisongadina ny fomba fijerin’ny ankamaroan’ny mpianatra momba ny fahazoan’izy ireo ny fomba firesaky ny mpampianatra anankiray :
« Mampianatra lohahevitra ara-panahy lalina Ramose , saingy mora aminay ny mahazo ny fampianarany satria hitanay eo amin’ny ataony sy ny fihetsiny ny zavatra ampianariny . »
Dia tahaka izany koa ry ray aman-dreny sy mpampianatra namana : mitady mpanabe azony itokiana ny ankizy .
Koa tsy ny zavatra tsara tenenin’ny vavantsika no tena mampandaitra ny fanabeazana , fa ny fanaovantsika ho hitan’ny ankizy ny zavatra tsara tenenintsika .
Raoeliarijao
19/11/2025
MANAO AHOANA NY SORATRY NY ZANAKAO ?
Anisan’ireo fahaiza-manao fototra hanabeazana ny zaza any an-tsekoly ny fahaizany manoratra .
Fampitan-kafatra amin’olona ny soratra , noho izany tsy ampy fotsiny ny hoe manoratra , fa tena ilaina koa ny tsara soratra mba hahazoan’izay olona mamaky tsara ny hafatra soratana .
Raha misy fahafaha-manaon’ny ray aman-dreny , ho fanamafisana izay efa atao any an-tsekoly , dia tsara ny manara -maso ny fanaovan’ny zaza sora-tanana amin’ny kahie misy tsipika rehefa ao an-tokantrano .
Ireto ary ny tombontsoa azon’ny zaza amin’izany , indrindra raha mbola kely aty amin’ny ambaratonga fototra izy :
1) Mamolaka ny fampiasany ny rantsan-tanany ny fihazonany penina na pensilihazo .
2) Mitaiza ny zaza hanana fifantohana amin’ny fampiasany miaraka ny tanany sy ny masony ary ny sainy ny fanoratana . Manamafy ny fitadidiany ihany koa izany .
3) Manampy ny zaza amin’ny fahaizany mamaky teny ny fanoratana satria zavatra mifandray ihany ny litera sy ny teny ary ny feo .
4) Manabe ny zaza amin’ny fanajana fitsipi-pifehezana ny fanaovany tarehin-tsoratra manaraka refy sy tsipika eo amin’ny taratasy .
5 ) Zava-kanto ny soratra . Noho izany mitondra fahafinaretana sy fitoniana ho an’ny zaza ny manoratra , ka manamaivana ny rarin-tsaina mety mahazo azy .
Hamafisina etoana fa sahanasa tsara tokony hataon’ny zaza rehefa ao an-tokantrano ny dika soratra , ny sora-kaliana , ny vakiteny , ary ny fanaovana sary , ka amin’izany rehetra izany dia tsy mampiasa fitaovana elektrônika ny zaza .
Raoeliarijao