Page de l'Education Adventiste FMNO

Page de l'Education Adventiste FMNO

Share

MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY

22/03/2024

👉👉👉 MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY : AHOANA NO HAHATONGA IZANY HO ZAVA-MISY IAINANA ENY ANIVON'NY SEKOLY ADVANTISTA ? - FIZARANA 4/4 👈👈👈

Hitantsika teto amin'ny pejy ary ireo teboka telo lehibe voalohany amin'ilay lohahevitra lehibe manao hoe "MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY".

Androany isika dia hamarana izany amin'ny fijerena ny teboka lehibe fahefatra, dia ny :

4. MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY.

Hoy i Ellen G White, mpanompovavin'Andriamanitra : "Ny tena siansan'ny fanabeazana marina dia manomana olona ho amin'ny mandrakizay." EGW, What Is Higher Education.

Ny IVON'NY foto-kevitra ijoroan'ny fanabeazana advantista dia ny FAMONJENA. Izany hoe raha adika sy lazaina amin'ny teny fohy dia voambolana telo no mahalaza azy : FANABEAZANA MIRA FANAVOTANA.
Amin'ny heviny mivelatra kokoa dia ny hamerina ny olombelona rehetra amin'ny fifandraisana voalohany amin'Andriamanitra. Asa atao mandritra ny mandrakizay izany.
Noho izany,

👉 Amin'ny maha mpanabe antsika dia mila mijery amin'ny fomba fijerin'Andriamanitra isika, dia amin'ny fiheverana fa kandidan'ny lanitra avokoa ny zaza na ny mpianatra rehetra izay beazintsika ;

👉 Aoka hataon'ny sekoly vaindohan-draharaha mihintsy ny famolavolana ny toetra sy ny toe-tsain'ny fanoloranten'ny mpianatra ho amin'ny asa tsara sy ny fijoroana ho vavolombelona.


🎈 FEHINY :

☝ Eo anivon'ny sekolintsika, sy eo anivon'ireo ivon-toeram-panabeazana rehetra : ireo Tale, ireo tompon'andraikitra ara-pitantanana na ara-pedagojika rehetra, ireo mpampianatra rehetra mba ho mpitarika ara-panahy ;

☝ Asan'izy ireo ihany koa ny manabe ireo mpianatra rehetra ao aminy ho lasa olon-kendry, mahay, manam-pahaizana sy fahalalana, mpandray andraikitra eo anivon'ny ankohonany sy ny fiaraha-monina misy azy, ary indrindra fa ny hanomana azy ireo ho amin'ny fiverenan'i Kristy.

Mirary ny sekoly advantista rehetra, hampihatra tokoa izany hoe MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY izany, ka ho toerana fanomanana olona vanona sy vonona ho any an-danitra tokoa.

21/03/2024

👉👉👉 MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY : AHOANA NO HAHATONGA IZANY HO ZAVA-MISY IAINANA ENY ANIVON'NY SEKOLY ADVANTISTA ? - FIZARANA 3/4 👈👈👈

Narahintsika teto amin'ny pejy ireo teboka roa lehibe voalohany amin'ny fampiharana ny foto-kevitra ijoroan'ny fanabeazana advantista ao anatin'ny fanatanterahana ilay lohahevitra lehibe manao hoe "MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY".

Androany dia hijery ny teboka lehibe fahatelo amin'izany lohahevitra izany isika, dia ny :
3. FAMPIVOARANA NY MAHA-OLONA FENO.

Izao no ambaran'ny Soratra Masina ao amin'ny boky filazantsara nosoratan'i dokotera Lioka : "Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona." Lioka 2:52.

Toy izao no fanazavana omen'i Ellen G White mahakasika izany :
"Ny tena fanabeazana marina dia mampivelatra amin'ny fomba voalanjalanja tsara ireo lafiny MAHA-OLONA ara-batana, ara-tsaina sy ara-tsosialy ary ara-panahy. Izany dia hanomana ireo izay beazina hahita fifaliana amin'ny fiatrehana ireo adidy amin'ny maha olom-banona azy eto an-tany sy hanomana azy hahita fifaliana lehibe lavitra noho izany amin'ny asa fanompoana izay miandry azy any amin'ilay tontolo vaovao ho avy." EGW, Éducation, p. 15.

Noho izany, ny hoe "MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY" amin'ity teboka FAMPIVOARANA NY MAHA-OLONA FENO ity dia ny fampiharana ireto teboka telo manaraka ireto :

👉 Isak'ireo dingam-pandrosoana amin'ny fanabeazana andalovan'ireo Zaza, mpianatra dia ilainy ny fampiharana ireo fampivelarana ankapobeny ny maha olona feno azy. Aoka tsy afantoka fotsiny amin'ny lafiny ara-tsaina na ara-batana ;
👉 Araky ny efa hitantsika, aoka ny mpanabe rehetra hampiditra ao amin'ny fandaharam-pianarana atao rehetra ireo TANJONA kendren'ny tena fanabeazana marina ;
👉 Ny marika famantarana ny fanabeazana advantista dia ny fanaovana asa misionera sy fampianarana asa ireo mpianatra. Izany no fampivelarana manandanja tokoa ny MAHA-OLONA FENO.

(Mbola hitohy...)

07/03/2024

đŸ«±đŸ«±đŸ«± FANASANA đŸ«ČđŸ«ČđŸ«Č

Fifaliana ho anay ny manasa anao ray na reny niteraka, mpitaiza rehetra hanatrika famelabelaran-kevitra arahina fifanakalozan-kevitra momba ny andraikitra maha-ray sy reny, araka izao manaraka izao :

🎈Lohahevitra : « FISARAHANA ARA-PIHETSEHAM-PO ! »

🎈Daty : 24 martsa 2024 tolakandro @ 2 ora 30 mn hatr@ 4 ora sy 30 min.

🎈Toerana : FIANGONANA ADVANTISTA MANGA, MAHAJANGA (AKAIKIN’NY AVION HAINGON-TANANA).

🎈Mpandaha-teny : RAZANAMANDIMBY Daulphin, Mpampianatra-Mpanabe, Talen’ny Departemantan'ny Fanabeazana, Madagasikara Avaratra Andrefana.

☝Tombontsoa lehibe ho an'ny zanakao ny fahatongavanao,

☝Tsy misy vidim-pidirana !

05/03/2024

👉👉👉 MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY : AHOANA NO HAHATONGA IZANY HO ZAVA-MISY IAINANA ENY ANIVON'NY SEKOLY ADVANTISTA ? - FIZARANA 2/4 👈👈👈


Hitantsika farany teto amin'ny pejy tao anatin'ny fizarana voalohany amin'ity lohahevitra ity ilay hoe "MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY" amin'ny fahatsapantsika mpanabe sy fikolokoloantsika ireo "FAHAFAHANA" sarobidy nomen'Andriamanitra ireo zanatsika, ireo mpianatra beazintsika amin'ny maha endrik'Andriamanitra azy ireo ihany koa tahaka antsika.

Androany isika dia hiresaka sy handinika ilay teboka faharoa, dia ny :

👉 2. BAIBOLY : IVON'NY FANDAHARAM-PIANARANA REHETRA.

Andriamanitra no loharanon'ny fahamarinana ary ny Baiboly no fanambarana feno sy mazava izany. Hoy i Ellen G White : "Ny Baiboly no tokony ho lasa fototry ny fianarana sy ny fampianarana rehetra." EGW, The Ministry of Healing, 402.

Arak'izany, ny fanabeazana advantista dia mikatsaka fatratra ny hampitomboana ny fiainam-pinoana an'Andriamanitra sy ny fomba fanajana ny maha olona.


FAMPIHARANA.

Ho fampiharana izany dia,
🎈 Ny fanabeazana advantista rehetra dia tokony hanao ny tenin'Andriamanitra ho fototra fanorenana ireo hetsika ara-akademika rehetra ataony ;

🎈 Ny mpanabe rehetra dia tokony hampifandray am-pahalianana fatratra ny fahalalana rehetra amin'Ilay Loharano lehibe niavian'izany ao amin'ny Soratra Masina ;

🎈 Ireo Zaza, ireo mpianatra dia tokony hampifamatra manokana ny androny amin'ny tenin'Andriamanitra.

(Mbola hitohy...)

26/02/2024

👉👉👉 MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY : AHOANA NO HAHATONGA IZANY HO ZAVA-MISY IAINANA ENY ANIVON'NY SEKOLY ADVANTISTA ? - FIZARANA 1/4 👈👈👈

Araky ny efa hitantsika teto amin'ny pejy, ny filozofia na ny foto-kevitra ijoroan'ny fanabeazana advantista dia nalaina avy ao amin'ny Soratra Masina na ny Baiboly ary hazavain'i Ellen G White amin'alalan'ireo asa-sorany, indrindra fa ireo boky mahakasika ny resaka fanabeazana izany. Ohatra amin'izany ny boky : Fanabeazana Kristiana, Toro hevitra ho an'ireo mpanabe, ray aman-dreny (FR), sns... maro hafa.

Ny hoe "MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY" dia mifantoka amin'ny teboka telon'ny foto-kevitra ijoroan'ny fanabeazana advantista dia ny :

1. ENDRIK'ANDRIAMANITRA ;
2. BAIBOLY : IVON'NY FANDAHARAM-PIANARANA REHETRA ;
3. FAMPIVOARANA NY MAHA-OLONA FENO.

Fa ny fanontaniana tsy maintsy apetraka dia hoe : "Ahoana no ahatonga izany ho zav-misy iainana tokoa eny anivon'ny sekoly advantista ?"

Horesahintsika androany ato anatin'ity fizarana voalohany ity ny hoe :

👉 1. ENDRIK'ANDRIAMANITRA :
Araky ny voalaza ao amin'ny Soratra Masina, fa rehefa namorona ny olombelona Andriamanitra dia tahaka ny endriny no namoronany azy. "Genesisy 1:27 : Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy."

Koa satria nohariana ho tahaka ny endrik'Andriamanitra isika, noho izany isika dia manana ny atao hoe "fahafahana mitia, fahafahana mifandray, fahafahana mandray fanampahan-kevitra, fahafahana miitantana,... ary fahafahana mamorona.".
Zava-dehibe ny ahafantarantsika izany ary tokony hahafaly antsika indrindra izany !
Fa ny tena zava-dehibe ho fampiharantsika ilay hoe : "MANABE HO AMIN'NY MANDRAKIZAY" amin'ity teboka manandanja voalohany ity dia ny fahatsapantsika eo amin'ny asa fanabeazana rehetra ataontsika fa :

🎈 Ireo zanatsika, ireo mpianatra beazintsika ihany koa dia noforonin'Andriamanitra ho toy izany koa, ary samy manana ny tombambidiny avy eo imasoan'ilay namorona azy izy ireo. Tena zava-dehibe indrindra izany !

🎈 Isika mpanabe rehetra dia tokony hahatsapa sy haneho eo amin'ny fomba fiainantsika fa manana andraikitra masina isika hikolokolo ireo fahafahana nomen'Andriamanitra ireo zaza sy mpianatra izay beazintsika ireo.

(Mbola hitohy...)

26/02/2024

👉👉👉 IREO TANJONA KENDREN’NY FANABEAZANA KRISTIANA ADVANTISTA - (FIZARANA 2/2) 👈👈👈

Hitantsika teto amin'ny pejy farany ireo zava-dehibe tena manandanja indrindra miisa fito izay kendren'ny fanabeazana kristiana advantista. Androany dia hojerentsika indray ireo zava-dehibe manokana kendrena ao anatin'ireo TANJONA lehibe ireo :


B. IREO TANJONA MANOKANA (Objectifs Particuliers)

Noho ny faneken’ny sekoly ilay foto-kevitra ijoroan’ny fanabeazana advantista – izay efa nambara antsika teto amin’ny pejy, dia misongadina ireto fitondran-tena kendrena manaraka ireto izay fehezina ao anaty tanjona manokana anankiroa :

1. Tanjona eo @ ara-panahy (objectifs religieux) : Ny hanaiken’ireo mpianatra ilay foto-kevitra ijoroan’ny fanabeazana advantista, ireo tanjona kendreny, ary ireo fomba fiaina mifototra amin’ny Soratra Masina sy ahatonga izany ho lasa fomba fiainan’izy ireo isan’andro ;

2. Tanjona eo @ ara-tsaina (objectifs intellectuels) : Hampivelaran’ireo mpianatra ny fahalalany arak’izay lehibe sy tsara indrindra mety ho tratrany miaraka amin’ireto kalitao manaraka ireto :

a. Ny fahafahana misaintsaina lalina, fahaiza-miatrika toe-javatra am-pahakingana fatratra sy am-pahalalana ary tsy hianina fotsiny amin’ny fakan-tahaka ny hevitra na ny fiheveran’ny hafa ;

b. Ny fahafahana miatrika ireo olam-piainana samihafa sy ny fitondrana vahaolana amin’izany.

Ireo no antom-pisian'ny fanabeazana advantista ary efa betsaka no nahita sy nahatsapa tombotsoa tamin'izany.

Tsiahivina mandrakariva fa raha miresaka fanabeazana isika dia mahavoafaoka ny fiainana ankapoben'ny olona iray mihintsy izany tsy fiainana any an-tsekoly irery ihany, ka inoana marimarina - eo ambany fahasoavan'Andriamanitra, fa tsy ho diso anjara amin'izany koa hianao izay mamaky izao pejy izao raha manaiky izany fanabeazana izany.

25/02/2024

OMANY DIENY IZAO !

Seho natao hifampizarana sy hifampaherezana ho antsika ray aman-dreny rehetra tsy ankanavaka, mpampianatra rehetra, mpitaiza ankizy, mpitaiza tanora, mpanabe, etc...
🎈 Tsy ifidianana finoana na fiangonana !
🎈 Tsy misy VIDIM-PIDIRANA.
🎈 Miomàna hizara amin'ny hafa ny fanandramana niainanao teo amin'ny sehatry ny fanabeazana ho fifanampiana sy ho fifampaherezana aorian'ny famelabelarana izay hataon'ny mpitarika.
🎈 Lohahevitra hobanjinina : "FISARAHANA ARA-PIHETSEHAM-PO EO ANIVON'NY MPIANAKAVY."

25/02/2024

👉👉👉 IREO TANJONA KENDREN’NY FANABEAZANA KRISTIANA ADVANTISTA - (FIZARANA 1/2) 👈👈👈

Ny rafim-pandaminan'ny sekoly advantista manerantany dia maniry hanolotra ho an’ireo tanora sy mpianatra ao aminy ny fanabeazana mifototra amin’ny SIANSAN’NY FAMONJENA.

Ny sekoly advantista hatrany amin'ny ambaratonga fototra dia natao hanolotra ho azy ireo fandaharam-pianarana voavoatra tsara izay ahazoana antoka ny fandrosoana sy ny fivelarana salama tanteraka, eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, sy ara-tsosialy ahazoan'izy ireo fahalalana sy fahaiza-manao fototra ilaina rehetra eo amin’ny fiainana andavanandro.

Mizara anankiroa mazava tsara ny tanjona kendrena amin’izany, ka ireto manaraka ireto :

🎈 IREO TANJONA LEHIBE (Objectifs Essentiels),

🎈 IREO TANJONA MANOKANA (Objectifs Particuliers)


'Ndeha hojerentsika androany ilay voalohany :

🎈 IREO TANJONA LEHIBE (Objectifs Essentiels) :

Ity TANJONA ity dia maneho ireo zava-dehibe tena manandanja indrindra izay kendren'ny fanabeazana kristiana advantista. Miisa fito (7) izy ireo :

1. Fifandraisana amin’Andriamanitra – amin’ny maha Mpamorona Azy sy amin’ny maha Mpamonjy manokanan’ny tena Azy ary hijoro vavolombelona ho Azy ;

2. Hamolavola toetra idealy ;

3. Hananana tokantrano krisitiana vanona sy ara-dalĂ na tsara ;

4. SIVISMA : Hambolena fitiavana firenena sy fanajana azy sy ireo mpitondra isan’ambaratonga – Hanabeazana ny mpianatra hanaja sy ho tia ireo lalàna velona mifehy ny tany sy ny fanjakana, rehefa tsy mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ;

5. ASA : Mitarika ho amin’ny fanatanterahana ny fampiasana na ny enti-mody ataon’ny tena manokana ho amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra sy ny manodidina ;

6. FAHASALAMANA : Mampahafantatra ireo mpianatra ny momba ny toe-batan’olombelona, ny asany, ny zavatra ilainy ary ny fomba fikarakarana sy fitehirizana azy ho salama mandrakariva – Mampianatra ny maha zava-dehibe ny fampiasana am-pahendrena ireo fialam-boly maro isan-karazany ;

7. FAHAIZA-MANAO SY FAHALALANA : Mamohafoha ny fampiasan-tsaina sy ny tombotsoan’ny fiezahana eo amin’ny fianarana, mba ahatonga ny fahafaha-manaon’ny vatana, ny saina ary ny fanahy hiasa eo amin’ny fampivoarana ny fahalalana – Mampitombo ireo fahafaha-manao sy fahazarana tsara ara-batana hifanaraka tsara amin’ny fari-pahaizan’ny mpianatra , izay hanampy azy hahaleo-tena amin’ny lafiny ara-toe-karena.


(Mbola hitohy...)

23/02/2024

👉👉👉IREO MPIARA-MIASA FOTOTRA EO AMIN’NY FANABEAZANA ADVANTISTA - (Fizarana 3/3)👈👈👈

Niarahantsika nahita teto amin'ny pejy fa ny tokantrano, ny fiangonana ary ny sekoly no mpiara-miasa fototra hita maso eo amin'ny fanabeazana, ary mbola hitantsika ihany koa fa misy ilay ekipa tsy hita maso anankiray dia ny ekipan'ny lanitra izany izay miara-miasa amin'ireo sehatra fototra fanabeazana telo izay hita maso rehefa mitovy fomba fijery sy miara-miasa izy ireo.

Fa misy ekipa hita maso anankiray izay miara-miasa amin'ny ekipan'ny maizina - izay tsy hita maso ihany koa, dia ny arabe izany. Io teboka io no entintsika mamarana ity lohahevitra mahakasika ireo mpiara-miasa fototra amin'ny fanabeazana ity.

NY ARABE.

Mpanabe tsy azo odian-tsy hita na odian-tsy fantatra ny ARABE. Fahavalon'ny fanabeazana ! Tsy mikendry afa-tsy izay hanapotehana izay fanabeazana nomena avy ao an-tokantrano, avy any an-tsekoly, ary ny avy any am-piangonana no asany.

Mety ho gaga angamba isika satria misy fampianarana izay sady tsy nomena tao an-trano no tsy nampianarina tany am-piangonana sy sekoly ihany koa, kanefa dia hita eo amin’ny zaza na amin'ny fanaony andavanandro : ny arabe no tompon’antoka amin’ireny.

Miaraka amin’iza ny zanakao rehefa mivoaka ny trano izy ? Iza no naman’ny zanakao rehefa mankany am-piangonana izy ? Iza no miaraka aminy rehefa mankany am-pianarana izy ?

Natao ho tsy maintsy fantarintsika ray aman-dreny am-pahendrena izany mba ahafahantsika mamalavala tsara ny zanantsika, mananatra sy manoro lalana azy rehefa sanatria ka mahazo lalana diso..

Noho izany :

« Ireo toetra mampiavaka ny fanabeazana advantista, izay nalaina avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo sora-tanan’i mpanompovavy Ellen G. White, dia manondro hatrany ny tanjona ambonin’ny tena fanabeazana dia ny fanavotana izany : hamerina indray ao amin’ny olona ilay endrik’Andriamanitra Mpamorona azy. » Les Fondements Bibliques de l’Education Adventiste – Division de l’Afrique Australe-OcĂ©an Indien 2012, p. 32.

« 
 Miara-miasa amin’ny ekipan’ny lanitra ny tokantrano tsirairay, ny sekoly ary ny fiangonana rehetra amin’ny fanomanana ireo mpianatra ao aminy ho lasa olom-banona mandray andraikitra eto amin’ity tany ity sy ho amin’ilay Tany vaovao izay ho avy. » Les Fondements Bibliques de l’Education Adventiste – Division de l’Afrique Australe-OcĂ©an Indien 2012, p. 34.

Photos from Page de l'Education Adventiste FMNO 's post 23/02/2024

Rehefa vita ny tombana natao ny sekoly EPA Maevatanana ny Alarobia, dia nitohy t@ fanomezana tan-tsoroka fiofanana sy fampahafantarana ho an'ireo mpampianatra sy mpandraharahan'ny sekoly ny programa androany alakamisy tontolo andro.

Misaotra hatrany ny Tale Raoeliarijao sy Mme Voahangy vadiny ary mirary soa hatrany ho an'ny ekipan'ny sekoly EPA Maevatanana 🙏🙏🙏

Want your school to be the top-listed School/college in Mahajanga?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Station Adventiste Manga
Mahajanga
401