Coach Djumady

Coach Djumady

Share

Animé par un fort désir de servir la communauté dans un esprit de responsabilité citoyenne.

Mon objectif est de contribuer de manière responsable au développement de mon pays en partageant les connaissances et les attitudes nécessaires pour être autonome.

Photos from Coach Djumady's post 29/04/2026

Ho an’ny tanora hatrany — Mahajanga, Boeny

Fahombiazana iombonana ho antsika.
Ny Espace des Jeunes, izay niadiantsika sy azontsika tamin’ny 2023, dia mijoro ho valin’ireo fanamby atrehin’ny tanora : tsy fandriam-pahalemana, tsy fananan’asa, fidorohana zava-mahadomelina… ary ho vavahadin’ny fanabeazana sy ny fiofanana.

Tamin’ny taon-dasa dia nisy teny nataoko : hitady vahaolana amin’ny connexion internet sy fitaovana (solosaina) ilain’ny tanora.

Ankehitriny, tanteraka izany.

Noho ny finiavana sy ny fikatsahana fiaraha-miasa, dia nahazo fanohanana avy amin’i Atoa Tia Heriniaina Solofomanga (Daddy), Solombavambahoaka Mahajanga I, ny Plateforme TAFAVORI – Espace des Jeunes. Efa noraisina tamin’ny fomba ofisialy izany, niaraka tamin’ireo mpikambana.

Ity dingana ity dia porofo mazava fa rehefa miray hina ny tanora, rehefa mahay mifandray amin’ireo tompon’andraikitra, rehefa miasa amin’ny vina iombonana dia misy vokatra azo tsapain-tanana.

Isaorana manokana ireo mpikambana sy ny birao izay nitantsoroka hatrany ny ezaka rehetra. Tsy dia asa mora ny lalana, fa azo tanterahina rehefa miaraka.

Ho an’ireo tanora mpitarika namana, fahaizana mifandray sy manorina fiaraha-miasa no lakilen’ny fampandrosoana; tsy ho an’ny tena ihany, fa ho an’ny fiarahamonina iray manontolo.

Ary ho antsika rehetra, tsy mijanona eto ny dia.
Mbola betsaka ny vinantsika, mbola maro ny vahaolana hotadiavina, ary mbola lavitra ny lalana.

Ho an’ny tanora
Ho an’ny fanabeazana
Ho an’ny fampandrosoana

Dylon Djumady

Photos from Coach Djumady's post 26/04/2026

Ny fahalalana zaraina dia fahafahana an’ny hafa, adidy soa ho anao.

Ny soa afafinao androany dia vatsin-dalana ho an’ny hafa rahampitso.
Tsy izay mizara no mitahiry be indrindra, fa izay mandray sy mampihatra no mitondra azy ho velona.

Eto amin’ny tambajotra, tsy izay rehetra aseho no tena iainana.
Saingy misy sintona miafina ao : izay zaraina dia mety hanova tsikelikely ny toetra sy ny safidin’ny olona.
Noho izany, safidio tsara izay afafinao hanabeazana ny manodidina.

Safidy foana io :

- Mizara soa, na manely ratsy
- Manandratra, na manimba

Samy misy vokany. Samy hiverina aminao.

Hoy ny baiboly : “Raha sitrapon’Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ny fanaovan-dratsy.” — I Petera 3:17

Mamafaza voa. Mamafaza soa.

Dylon Djumady

24/04/2026

Safidy ny fahombiazana

Ny fahombiazana hitanao ankehitriny dia tsy kisendrasendra.
Vokatr’ireo dingana madinidinika isan’andro, ireo ezaka tsy hita maso, ary ireo fanapahan-kevitra noraisinao taloha tany.

Fa tsarovy anefa, tsy vita irery izany.
Misy foana ireo torohevitra noraisinao, ireo olona nitarika sy nanoro lalana anao. Izany rehetra izany no nanangana anao tsikelikely.

Jereo ny zaza mianatra mandeha : lavo izy... mitsangana indray… mamerina… tsy kivy.
Izay faharetana sy finiavana izay no fototry ny fandrosoana.

Na ianao mampiana-tena, na ny fiainana no hampianatra anao.
Fa ny maha-samihafa azy?
Rehefa ianao no misafidy hianatra, dia haingana kokoa ny fandrosoana.

Noho izany :
- Manaova dingana kely isan’andro
- Raiso ho lesona ny fahadisoana
- Mitadiava torohevitra sy tari-dalana
- Ary aza kivy amin’ny fiverimberenana
- Mahaiza misaotra ireo nanao soa anao

Ny fahombiazana dia safidy… ary safidy raisina isan’andro.

Dylon Djumady

23/04/2026

Fandaharam-potoana ho an’ny Fikahonan-doham-pirenena ho an’ny tanora

Raha jerena ny tetiandro, dia somary teritery ny fotoana: dingana maro fampiofanana ireo mpanomana, avy eo fidinana any amin’ny : Fokontany → Kaominina → Distrika → Faritra, no tsy maintsy vitaina ao anatin’ny iray volana mahery kely.

– Hanao ahoana ny fanangonana hevitra any amin’ireo kaominina ambanivohitra lavitra?
– Inona no mari-drefy ilazana fa tena voaray ny feon’ny tanora manerana ny nosy?
– Ahoana no hiantohana fa tsy feon’olom-bitsy ihany no ho tafakatra?

Raha fanovana lehibe ho an’ny firenena no kendrena, dia ilaina ny fampiatiana sy fandrakofana lalindalina kokoa.

Telo volana no farafahakeliny mba hahamatotra kokoa ny vokatra tadiavina.

Na izany aza, satria io no rafitra napetraka, mamporisika ny rehetra ny tenako, samia miezaka manao izay tandrify azy mba hahatonga ny feon’ny tanora ho tena re sy misy lanjany.

Dylon Djumady

Photos from Coach Djumady's post 22/04/2026

Mandria am-piadanana, Raiamandreny 😔

Hatairana sy alahelo no nandrenesako ny vaovao momba ny fahalasananao, Andriamatoa Mohamed Ahamada Mahazi (sary voalahany), iray tamin’ireo Filohan’ny fikambanan’ny Comoriens diaspora nifandimby teto Mahajanga.

Tsy dia nifankazatra loatra isika, kanefa nisy fotoana tokana nahafantarako anao, nandritra ilay fanasana nokarakarain’ny fikambanan’ny mpianatra Comoriens eto Mahajanga, fotoana nanoloran'izy ireo mari-pakasitrahana ny tenako, ka ianao nanolotra izany ahy, noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana sy ny andraikitra maha Filohan’ny Plateforme TAFAVORI.

Nandritra ny fandraisam-pitenanao tamin’izany, dia tsapako fa olona tsotra ianao, tia firaisankina, tia manampy, ary manana finiavana hanabe sy hanitsy.

Na dia fotoana fohy aza no nihaonantsika, dia nisy dikany lehibe tamiko izany. Io ihany koa no sary tokana voatahiry ho fahatsiarovana.

Enga anie ny soa sy ny asa tsara nataonao hitoetra ho lova velona.
Enga anie Andriamanitra hanome anao fiadanana mandrakizay sy toerana mendrika anao.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny havana rehetra ary ireo mpianatra nohon'izao fahalavoan'ny fefibe mpanohan-drivotra izao.

Dylon Djumady

19/04/2026

Mahajanga.
Tongava, any koa manontany.

19/04/2026

Tatitra avy aty amiko.

(Lavalava fa mety ilainao ny hevitra)

Ao anaty fanehoan-kevitra no tatitra.

Mampametra-panontaniana ny fikahonan-doham-pirenena ho an’ny tanora.

Mazava fa fanokafana no natao ny tapany maraina, narahana fakan-kevitra ny tapany tolak'andro ary fiofanana hateloana ho an’ireo solontena.
Saingy raha jerena akaiky, mbola maro ny tsy tomombana amin’ny fikarakarana.

Tsy mampiaty, tsy mangarahara, tsy ho an'ny lavitr’ezaka fa mety ho saritsariny.

Ry mpianatra mpitolona e, Gen Z nidina teny an-kianja e.. bye bye fa tsy voaresaka tao anaty mason-tsivana. Rehefa tonga ilay fampiantsoana eny an-toerana, tongava fa any no hahenoana anao. Ilay lasa mpikarakara araka fiheverana, TSIA, efa ny CCJ sy ireo solontena tsy mazavaza no manao azy, mampiofana sy mitondra tatitra any.

Nolazaina hoe ianareo any ifotony ihany misafidy ilay misolontena anareo, hitatsika eo. Asa hoe faritra misy olona sahy miteny no hisy an'izay fa ireo faritra par silence ahitana tanora hendry sy bodo dia tsy ahita mangirana eo.

Porofony solontena teo iny.

Ireto tena nisongadina tao rehefa nandray fitenena ny tanora ary isany koa ny tenako :

1- olana amin’ny fisoloan-tena.
Raha 2 isam-paritra (23 faritra) dia 46. Raha 100 izany no isa voalaza dia 54 avy amin’ny faritra Analamanga mba hahatratra 100, dia mivilana ny lanjan’ny adihevitra. Tsy “inclusive” izany.
Tsy mitovy ny olona monina any Analamanga fa avy aty amin’ny faritra sy ny tena miaina sy monina ny zava-misy any amin’ny faritra no misolontena.
Saika nahitana solontena avy ny fikambanana tao andrenivohitra. Ireo koa tsy hanaiky hoe aty aminay ilay izy no hatao ka hitovy isa isika isam-paritra.

Raha hisy adihevitra fampandaniana zavatra izany ahoana ny fifandanjana fisoloan-tena raha iresaka demokrasia?

Mazava iny fa tsy mifandanja.

Faharoa : tsy mazava sy tsy mangarahara ny fifantenana solontena.
Misy fanovana olona tampoka, taty Mahajanga I aloha dia izay e! misy “baiko midina” hono rehefa nanontaniana.
Politika no mibaiko, tsy misy hoe rariny sy hitsiny izany.
Misy aza tanora any amin’ny faritra tsy mahalala akory hoe iza no misolontena azy.

Kaominina Mahajanga I ve mahalala ny azy? Iza ary, lazao ao amin’ny kaomantera raha hainao.

Lasa natao ankifify koa fisoloan-tena, tahotra ny "jugement" io.

Tsy mangarahara nambarako.

Fahatelo : tsy ampy ny isan’ny solontena io hoy ankamaroan'ny nandray fitenena, raha hisolontena amin’ny fikahonan-doha nasionaly.
3 isam-paritra moa fanontaniana tao, maro no tsy voasolontena amin’izany satria tokony ahitana mpisolontena mpiaro zo ny zazavavy, tanora eny ifotony (FKT), tanora tantsaha, tanora mpianatra, tanora manana fahasembanana, ireo tanora albinos sns.
Farafahakeliny 5 isam-paritra no mendrika kokoa raha tena tiana ho re ny feon’ny rehetra.

Juste hanao tatitra anie fa ny hevitra efa voahangona avy tany.

Sûre ve fa tsy hisy adihevitra any ho fandaniana ilay izy?

Fahaefatra : olana amin’ny fomba fiasa.
Lazaina fa “mpampiofana” avy hatrany ireo nandalo fiofanana. Hisahana ny fandrindrana ilay fikahonan-doha. Tsy mora izany. Tsy olona rehetra no afaka ho mpampiofana.
Isaka Vaomiera nambarako tokony ahitana mpisolontena foana : mpandray an-tsoratra, miakatra any andrenivohitra, mpanao TDR...

Ary farany : valinteny amin’ny ankapobeny : resaka vola hono. Tsy manambola ity minisitera tsika ity. Tsy ampy ny tetibola. Rehefa hanao tetikasa ve tsy mialoha ny tombana hatao? Saingy raha tena laharam-pahamehana ny hoavin’ny tanora, dia tsy tokony ho sakana ny vola.
Afaka ahena ny fandaniana tsy ilaina, afaka miara-miafy — satria firenena no resaka eto ary tsy isaka matetika no hanao an'ity fa kihon-dalana goavana ity.
Ity no tokony handaniam-bola na itrosam-bola satria fanovana lehibe no andrasana aorian'io.

Na ireo Solombavambahoaka isakin'ny distrika anie afaka mandefa na solontena 2 fotsiny e.
Sa hoe inona aky no idirako? Nga volan'ny babanao karamanay?

Tsy fitiavan-tena ny miteny. Mifanohitra amin’izany aza, fitiavan-tena no mangina satria mba mahita mangirana kely ny tena, nefa misy mbola tsy rariny.
Miady ny tombony, rariny, hitsiny ho an'ny besinimaro eto.

Ny tenako manokana dia mety ahita hirika hitsofoana ao anatin’ny fikarakarana, fa ireo tanora namako mba hirariko fa ezaka niarahana izao misy izao.

Na eo aza ireo tsy fahatomombanana, vonona hifanome tanana ny tenako.

Fa raha hanao zavatra, dia ataovy tena mipaka eny ifotony, tsy ho saritsariny.

Miandry am-pitoniana ny vokatra sy ny tatitry ny solontena isika.

Ho an’ny taninjanaka.

Dylon Djumady

18/04/2026

Tsy Onde raiky kosa isika amin'ity zarazara volam-bahoaka, hetsiketsika sy lanonana ambonin'ny fahantrana ity

16/04/2026

Ilay hoe solontena?

Rehefa misolontena, dia misolo vava. Tsy ny hevitrao manokana no entinao voalohany, fa ny hevitry ny vondrona nisoloanao tena.

Ao anatin’ny fivoriana dia adidin’ny solontena ny mandray fitenenana, na manohana hevitra iray, na manohitra miaraka amin’ny soso-kevitra hanatsarana.

Tsy fitiavan-draha na te ho hita izany, fa andraikitra sy adidy amin'iny andro iny.

Misy fotoana anie raha ny tenanao manokana dia mahatsapa fa tsy tokony hiteny intsony ianao satria mety tandrify amin’ny soatoavinao ilay hevitra eo, fa nohon'ny soatoavin'ny besinimaro no soloanao tena dia voatery ary tsy maintsy miteny ianao ho amin’ny anaran'iny vondrona iny.

Tsy mety ny solontena milaza hoe: “Izay tapakareo dia tapako.”
Ny solontena tena izy dia miteny, mijoro ary mitondra ny feon’ny hafa.

Ary rehefa manao tatitra, ny zava-misy no taterina, fa tsy hoe “nilamina izy tany” dia tapitra.

Satria indraindray feo iray ao anaty efitrano dia feon’olona maro any ivelany.

Izay mahatonga hoe safidio tsara ny mpisolontena.

Dylon Djumady

Photos from Coach Djumady's post 15/04/2026

Isika ireto no Lovan'i FES (Friedrich Ebert Stiftung), mivoy ny soatoavina mikendry ny tsara kokoa, mandala ny fampiatiana, fampiombonana.. maka hery ao anatin’ny fahasamihafana.
Atao loha laharana ny haitarika sy fampiroboroboana ny maha olona.

Alumni YLS Madagascar

15/04/2026

Mitady maika tanora mpitarika ao M/ga, mbola mpianatra.
Hisy fiofanana mandritran'ny iray volana omen’ny N.U

Want your school to be the top-listed School/college in Mahajanga?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


Ambohimandamina
Mahajanga