24/12/2023
2024 - SORATAKO NY TANJOKO MBA HO TRATRAKO.
Ireto misy toro-hevitra hanampy anao hanatratra ny tanjonao:
1- Makà fotoana hanoratanao ny fanirianao/tanjonao amin'ny 2024. Aza mieritreritra be fa tanisao marobe fotsiny. Betsaka kokoa ny chance hahatratra ny tanjonao raha soratana fa tsy atao an-doha fotsiny.
2- Safidio ireo faniriana/tanjona telo voalohany
(top 3) tena tianao ho azo/tratra. Soraty foana mba tsy ho adinonao.
3- Raiso tsirairay ireo Tanjona/faniriana telo dia tanisao daholo ireo actions hataonao mba hahazoana/hahatratrarana ny tanjonao. Ahoana ny anatanterahana ireo action (oviana sy hafiriana, inona ny zav ilaina, iza ho hanampy anao, Aiza..?)
4- Aza atao lavitra anao ireo zavatra nosoratanao ireo, vakio isa-maraina mba ho tadidinao fa olona manana tanjona ianao. Ovao na hatsarao raha misy tokony hatsaraina.
5- Manaova tombana (evaluations) isam-bolana (na isa-3 volana) hoe Aiza ho Aiza ianao amin'ny tanjonao/fanirianao. Manakaiky sa tratra ve? Misy actions hafa tokony hatao ve?
Izaho manome toky anao fa raha manaraka/manatanteraka ireo dingana ireo ianao dia ho tsara kokoa ny 2025 nao ary ho tsaroanao ity publication ity.
Ny orinasa dia manana ny "business plan" voasoratra, ny ONG na association dia manana ny "plan strategique-ny" voasoratra ihany koa, ny olona iray kosa dia tokony manana " plan de development personnel -ny" mila soratana, raha te hahomby.
#2024