12/01/2026
Efa noresahako matetika ny hoe raha tsy misy ny opportunités (asa,...) dia mila mamorona opportunité hoan'ny tenanao ianao.
Ity zao misy opportunité (cadeau) hahatonga anao ho entrepreneur. Raha miteny hoe entrepreneur dia tsy voatery zavatra goavana be mila vola be, fa hanananao ilay esprit creative ka hatonga anao hanomboka handraharaha miainga amin'ny zavatra kely sy tsotra.
Anao ny safidy,
👉 hiandry sy hitady asa amizao vanim-potoana be fifaninanana izao ve ianao?
☝️ Sa hanomboka handraharaha hanangana zavatra hampidiranao vola?
Araraoty ity formation ity raha manana projet tsara ianao.
Entrepreneurship Club
💡 Maniry ny handalina bebe kokoa mahakasika ny fandraharahana ve ianao ?
💡 Maniry ihany koa hampitombo ny fahalalana izay anananao mahakasika ny fandraharahana ?
📈 Efa hanomboka atsy ho atsy ny andiany voalohany ny Entrepreneurship Club izay iarahana amin'ny ambasady amerikana, klioba izay natokana ho antsika liana ny ho lasa mpandraharaha ary vonona ny hisehatra amin’izany.
Amboary ary ny fotoananao satria hanomboka ity volana Janory ity ny atrikasa.
🔵 Ny fihaonana dia atao ny 28-29-30 Janoary mandritra ny tontolo andro.Marihina fa fampiofanana mitohy izy ity ary tokony atrehana hatramim-boalohany ka hatramin'ny farany
Atao ao amin'ny CA2E E-Atiala Andrainjato, Université Fianarantsoa.
Ny tanjonay dia ny hampivoatra ny mpandray anjara tsirairay:
▪️ Ny mba hananana saina tia karokaroka sy liam-baovao ary ny fahaizana miaina amin'ny toe-javatra misy rehetra hampandrosoana ny fandraharahana misy anao.
▪️ Ho hitanao amin'izany ihany koa ny fomba fampandehanana ny raharaham-barotra sy izay rehetra mahakasika izany.
▪️ Eo ihany koa ny fifampizarana traikefa ataon'ireo mpandraharaha matianina sy ny fitarihan'ny « mentor » eo ampamolavolanao ny tetik'asanao sy fanatanterahana izany.
🤔 Raha toa ka maniry hanatrika sy hisitraka ity atrikasa ity ianao dia manasa anao hitsidika ity rohy ity: https://forms.gle/sc9nEpMcjzq5yvMi7 mba hahitanao fanazavana bebe kokoa sy hamenonao ny fisoratanao anarana.
Marihina fa misy ny FIFANTENANA izay ataon'ny mpitarika ny klioba ary hahazo mailaka fanamarinana ireo izay voaray hanatrika ny fampiofanana.
⚠️ Mifarana ny 21 janoary amin'ny 12:00 ora antoandro ny fandraisana fisoratana anarana.
Ny fampiofanana dia atao amin'ny teny frantsay.