01/11/2025
Hoy Laza Razafiarison :
Tsy mety ho an'ny tanora ny miandry hahavita fianarana vao miasa, satria raha 30 taona izy mahavita fianarana dia vesatra ho an'ny firenena izy ao anatin'izay 30 taona izay, tsy mbola mamokatra fa mianatra fotsiny.
Rehefa 60 taona anefa izy dia hiverina ho vesatra ihany koa satria tsy miasa mamokatra intsony fa mandray fisotroandronono.
Noho izany dia mila mitady fomba ahafahana sady mianatra no mampidi-bola mialoha ny hahavitana fianarana ny tanora