Hasina Rakotonirainy

Hasina Rakotonirainy Directeur de l'EMIT - École de Management et d'Innovation Technologique

20/08/2026

⚠️ 𝗧𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗠𝗢 : Horonantsary tsy mahaliana ny maro ity 🇲🇬

🎓 𝗔𝗵𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗶𝗮𝗻𝘀𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗮𝗹𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗼𝗻𝗶𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 🤔🔬🌍 ?

💡Indro atolotro eto, sao mahasoa, ny 𝗖𝗼𝗻𝗳𝗲́𝗿𝗲𝗻𝗰𝗲 𝗶𝗻𝗮𝘂𝗴𝘂𝗿𝗮𝗹𝗲 notanterahiko nandritra ny 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗣𝗿𝗼𝗳𝗲𝘀𝗼𝗿𝗮 teto Fianarantsoa, momba ny lohahevitra :
🔎📚 𝘓𝘢 𝘮𝘶𝘭𝘵𝘪𝘥𝘪𝘴𝘤𝘪𝘱𝘭𝘪𝘯𝘢𝘳𝘪𝘵𝘦́ 𝘦𝘵 𝘭’𝘩𝘰𝘯𝘯𝘦̂𝘵𝘦𝘵𝘦́ 𝘴𝘤𝘪𝘦𝘯𝘵𝘪𝘧𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘢𝘶 𝘴𝘦𝘳𝘷𝘪𝘤𝘦 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘚𝘤𝘪𝘦𝘯𝘤𝘦 𝘦𝘵 𝘥𝘶 𝘋𝘦́𝘷𝘦𝘭𝘰𝘱𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘥𝘶𝘳𝘢𝘣𝘭𝘦 𝘦𝘵 𝘪𝘯𝘤𝘭𝘶𝘴𝘪𝘧 ✨

🔗 https://www.youtube.com/watch?v=nuFtBr5vwlE

🎥 Emit Mianatra Multimédia :: EMIM ⬇️

🌸 Misy fotoana ianao faly fotsiny … 😊Tsy fantatra hoe nisy inona, fa dia faly fotsiny ❤️📸 Emit Mianatra Multimédia :: EM...
19/08/2026

🌸 Misy fotoana ianao faly fotsiny … 😊

Tsy fantatra hoe nisy inona, fa dia faly fotsiny ❤️

📸 Emit Mianatra Multimédia :: EMIM

Anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’ny safidy sy ny lalam-piainako teo amin’ny fikarohana ireto ray aman-dreny ireto :...
18/08/2026

Anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’ny safidy sy ny lalam-piainako teo amin’ny fikarohana ireto ray aman-dreny ireto :
- 𝗣𝗿𝗼𝗳𝗲𝘀𝗼𝗿𝗮 𝗧𝗲𝗳𝘆 𝗥𝗮𝗼𝗲𝗹𝗶𝘃𝗼𝗹𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮, nampianatra ahy ny "Web Sémantique" 🌐 ka nahatonga ahy ho liana tamin'ny resaka "Représentation des connaissances" sy "Ontologie" ;

- 𝗣𝗿𝗼𝗳𝗲𝘀𝗼𝗿𝗮 𝗕𝗲𝗿𝘁𝗶𝗻 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗺𝗼𝗻𝗷𝗶𝘀𝗼𝗮, nizara fahalalana mahakasika ny "Approche Systémique" ⚙️ ary nahatonga ny fikarohana nataoko nirona nakany amin'ny "Modélisation des Systèmes Complexes".

Misaotra azy ireo tamin’ny fizarana fahalalana ary mirary soa hatrany ho tahian'Andriamanitra 🙏

🤔 Nampieritreritra manokana ny toriteny androany avy ao amin'ny 𝘚𝘢𝘭𝘢𝘮𝘰 101 📖𝗡𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 :⚖️ Miasa am...
16/08/2026

🤔 Nampieritreritra manokana ny toriteny androany avy ao amin'ny 𝘚𝘢𝘭𝘢𝘮𝘰 101 📖

𝗡𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 :

⚖️ Miasa amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana ;
🤝 Tsy mankasitraka sy tsy mikambana amin’ny mivadika ;
🚫 Mankahala ny ratsy sy izay fifosafosana ny namany mangingina ;
❤️ Miala amin’ny fo maditra ;
🫶 Tsy miavonavona am-po.

🤔 Aiza ho aiza isika mpitantana amin’ireo?

🙏 Ny olona mahatoky dia mahazo valim-pitia..

📚 𝗠𝗔𝗠𝗔𝗞𝗜𝗔 𝗕𝗢𝗞𝗬, 𝗠𝗔𝗡𝗢𝗩𝗢𝗭𝗔 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗟𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔! 📖✨Na eo aza ny Internet 🌐 sy ny fandrosoan’ny teknolojia 🤖, mbola manana ny toerany...
10/08/2026

📚 𝗠𝗔𝗠𝗔𝗞𝗜𝗔 𝗕𝗢𝗞𝗬, 𝗠𝗔𝗡𝗢𝗩𝗢𝗭𝗔 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗟𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔! 📖✨

Na eo aza ny Internet 🌐 sy ny fandrosoan’ny teknolojia 🤖, mbola manana ny toerany lehibe ny boky amin’ny fanitarana ny fahalalana.

👉 Ny famakiana boky (𝘱𝘩𝘺𝘴𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘯𝘢 𝘯𝘶𝘮𝘦́𝘳𝘪𝘲𝘶𝘦) dia manampy antsika hianatra, hisaina lalindalina kokoa ary hanokatra saina. 🧠💡

Mankasitraka ny Dr Clarisse Manjary namangy ny EMIT, nizara traikefa ary nampahery amin'ny fanabeazana ny tanora 🇲🇬

📖 Efa misy boky vitsivitsy ihany ato fa mbola miezaka izahay hameno maro kokoa ary hisokatra ho an'ny rehetra ny trano famakiam-boky.

🌸 𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗠-𝗕𝗘𝗡' 𝗡𝗬 𝗗𝗢𝗥𝗞𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗝𝗞𝗠 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗙𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔 🌸✨ 𝗡𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗸𝗮𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗱𝗶𝗮 :1. Manana teny mahasoa mandrakariva 🗣️2. ...
09/08/2026

🌸 𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗠-𝗕𝗘𝗡' 𝗡𝗬 𝗗𝗢𝗥𝗞𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗝𝗞𝗠 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗙𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔 🌸

✨ 𝗡𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗸𝗮𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗱𝗶𝗮 :
1. Manana teny mahasoa mandrakariva 🗣️
2. Manana fo feno fiadanana 🕊️
3. Manao asa tsara 💪

🌷 Araka ny toriteny androany dia tena ho vehivavy mahatoky : miteny soa, mitondra fiadanana ary manao asa tsara mandrakariva anie ianareo (📖 𝙊𝙝𝙖𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖 12 :17-28) 🙏❤️

📸 Mikaia Tovolahy 🙏

🙏 𝗧𝗶𝗮𝘃𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼 𝗻𝗶𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗺𝗽𝗼 𝗮𝗻𝗮𝗼 👑Tena tiako ny fanompoana nomen'ny Tompo ahy eto amin'ny EMIT. Raisiko ho andra...
07/08/2026

🙏 𝗧𝗶𝗮𝘃𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼 𝗻𝗶𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗺𝗽𝗼 𝗮𝗻𝗮𝗼 👑

Tena tiako ny fanompoana nomen'ny Tompo ahy eto amin'ny EMIT. Raisiko ho andraikitra sy iraka nankinin’Andriamanitra tamiko izy io, ka miezaka aho ny hanome ny tsara indrindra sy hanatanteraka izany amin’ny fo manontolo 🎓💙

📖 "𝘼𝙧𝙮 𝙣𝙖 𝙞𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙖 𝙞𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙤 𝙖𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖𝙧𝙚𝙤, 𝙙𝙞𝙖 𝙖𝙩𝙖𝙤𝙫𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙤, 𝙩𝙖𝙝𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙝𝙤 𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝙏𝙤𝙢𝙥𝙤, 𝙛𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙝𝙤 𝙖𝙣'𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖." Kolosiana 3:23 ✨

🤗 𝗛𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 ? 🧐🤝 Hiaraka amin-dRamatoa Dr Clarisse Manjary isika amin'ny 🗓️ sabotsy maraina iz...
06/08/2026

🤗 𝗛𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 ? 🧐

🤝 Hiaraka amin-dRamatoa Dr Clarisse Manjary isika amin'ny 🗓️ sabotsy maraina izao 👩‍⚖️

Dr Clarisse moa dia 𝙎𝙤𝙡𝙤𝙢𝙗𝙖𝙫𝙖𝙢𝙗𝙖𝙝𝙤𝙖𝙠𝙖n'i Madagasikara 🇲🇬 sady 𝙢𝙥𝙞𝙠𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝘾𝙈𝙄𝙇 (𝘊𝘰𝘮𝘮𝘪𝘴𝘴𝘪𝘰𝘯 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘥𝘦 𝘭'𝘐𝘯𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘵𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘦𝘵 𝘥𝘦𝘴 𝘓𝘪𝘣𝘦𝘳𝘵𝘦́𝘴), 🎓 ary 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗮𝗶𝘇𝗮𝗻𝗮 manokana momba ny ➗ 𝗺𝗮𝘁𝗲𝗺𝗮𝘁𝗶𝗸𝗮 sy ny 🖼️ 𝗮𝗻𝗮𝗹𝘆𝘀𝗲 𝗲𝘁 𝘁𝗿𝗮𝗶𝘁𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗱'𝗶𝗺𝗮𝗴𝗲𝘀.

💬 Manasa anao handray anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra ary e ! 🙌




04/08/2026

🎬 🇲🇬 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗘𝗠𝗜𝗧 𝗺𝗮𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻'𝗶 𝗖𝗵𝗶𝗻𝗲 🇨🇳

Isan-taona dia misy mpianatra avy ao amin'ny EMIT voafantina handray anjara amin'ny programa 𝙇𝙤𝙤𝙠𝙞𝙣𝙜 𝘾𝙝𝙞𝙣𝙖, ka manao reportage sy horonantsary mampahafantatra ny kolontsaina, ny fiarahamonina ary ny toekaren'i Chine.

Hatramin'ny taona 2023, dia 𝟴 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗱𝗮𝗵𝘆 no nifandimby nivahiny tany Chine. 𝗦𝗲𝗻𝗱𝗿𝗮 sy 𝗙𝗶𝗻'𝘀 no andiany farany teo, ary andrasana ny hivoahan'ireo horonantsary novokarin'izy ireo 🎥✨

Nahafinaritra ahy manokana ity 𝘷𝘭𝘰𝘨 kely nataon'i Fin's ity, ka dia zaraiko eto 😁

Mirary ny tanora maro hafa hahazo tombontsoa sy traikefa iraisam-pirenena tahaka izao fa mampitombo e ! 🌍🎓

💡 𝗔𝗹𝗲𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝘀𝗶𝗺𝘂𝗹𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮, 𝘃𝗮𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗽𝗮-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 🇲🇬🎓 Arakaraka ny maha-lehibe ny fanapahan-kevitra no maha-zava-dehibe ...
03/08/2026

💡 𝗔𝗹𝗲𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝘀𝗶𝗺𝘂𝗹𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮, 𝘃𝗮𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗽𝗮-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 🇲🇬

🎓 Arakaraka ny maha-lehibe ny fanapahan-kevitra no maha-zava-dehibe ny fanandramana azy mialoha amin'ny alalan'ny 𝘀𝗶𝗺𝘂𝗹𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻, 𝗺𝗼𝗱𝗲𝗹𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻𝘀𝗮 na/sy ny 𝗷𝗲𝘂 𝗱𝗲 𝗿ô𝗹𝗲.

💻 Azo andramana ao anatin'ny solosaina ny safidy tiana hatao ary jerena mialoha ny mety ho vokany. Raha diso ny vinavina dia mora ny manitsy azy. Fa rehefa tanterahina amin'ny tena fiainana ny fanapahan-kevitra diso, dia mety haharitra taona maro vao voaarina ny vokany.

🐟🌊 Nampilalao ity modely antsoina hoe 𝗙𝗶𝘀𝗵𝗯𝗮𝗻𝗸𝘀 ity ny mpianatro aho, novokarin'ny 𝗠𝗜𝗧 (𝙈𝙖𝙨𝙨𝙖𝙘𝙝𝙪𝙨𝙚𝙩𝙩𝙨 𝙄𝙣𝙨𝙩𝙞𝙩𝙪𝙩𝙚 𝙤𝙛 𝙏𝙚𝙘𝙝𝙣𝙤𝙡𝙤𝙜𝙮), hianarana ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitra amin'ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.

‼️ Tsy tadidiko hoe iza tamin'ireto groupes ireto no nandresy 😅😂 ⁉️ fa nafana ny adihevitra sy ny lalao 🥵

🇲🇬📊 Efa maro ihany koa ireo modely novolavolaintsika eto Madagasikara sy mbola amboarina, afaka manampy ny mpitondra handray fanapahan-kevitra mifototra amin'ny siansa sy ny angon-drakitra.

🎮 Azonao lalaovina eto koa ny 𝗙𝗶𝘀𝗵𝗯𝗮𝗻𝗸𝘀 😁 :
🔗https://mitsloan.mit.edu/teaching-resources-library/fishbanks-a-renewable-resource-management-simulation





Address

EMIT/Université De Fianarantsoa
Fianarantsoa
301

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261336747000

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hasina Rakotonirainy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to Hasina Rakotonirainy:

Shortcuts

Share