Tsarovy fa ny olona tia mampitombo FAHALALANA dia manankarena 💪
Loharano
❤️SOYEZ LA MEILLEURE VERSION DE VOUS MEME❤️💪💪💪
03/01/2024
Miarahaba sy mirary soa ho antsika rehetra nahatratra ity taona vaovao 2024 ity
Tadidio fa ny fotoana efa mipetraka fa isika no mandalo, noho izany isika no manao izay hampahomby azy fa tsy ny taona akory
Ahoana no afahana mahatratra ny tanjona raha toa ka mbola matory atoandro sy matory aloha ianao?
Ahoana no ahatongavana amin'ny fahombiazana raha toa ka io tanjona kely io aza tsy vitanao ny manatratra azy?
Ahoana no hanananao vola be raha toa ka fandaniana hatrany no ataonao fa tsy mba mampiditra mihintsy?
Taona vaovao, natao hananganana toetra vaovao sy fahazarana vaovao, hitondra anao amin'ny Fahombiazana
Isika olombelona dia fitambaran'ny koa ndeha hokoloina sy homena sakafo ireo mba ho lavorary ianao
Mirary taom-pahombiazana ho an'izay rehetra vonona ny hahomby
26/12/2023
TE HO AFA-TROSA VE IANAO?
SA TE HAHAY HITROSA?
Ny olana ara-bola dia misy foana na mahantra na manankarena ianao fa inona no atao mba hahafatrosa anao sy hahaizanao mitantana ny eo am-pelatanana ?
Indrindra moa ny hahaizanao mampitombo azy
Hifarana ny taona, maro be ny programa; ao ny hamonjy lanonana, ao ny hiara-paly amin'ny ankohonana sy ny fianankaviana fa izahay eto amin'ny Association Mivoatsa dia manolotra ho anao ity fiofanana izay hitondra fahombiazana ho anao amin'ny taona 2024;
Na homena 1.000.000 ar aza ianao izao dia izao rehefa tsy hainao ny mitantanana azy sy ny mampiasa azy dia tsy hitombo mihintsy iny koa ndeha hanampy fahalalana amin'ny fahaizana mitantam-bola
Fisoratana anarana tsy maintsy atao satria dia 9.000 ar ho an'izay misoratra anarana fa 23.000 Ar kosa ho an'izay amin'ny andron'ny 30 Desambra vao hisoratra anarana
Daty efa voalaza etsy ambony hoe ny Asabotsy 30 Desambra 2023
Ny toerana omena antsika izay manoratra anarana
Raha hisoratra anarana avy hatrany ianao dia ao amin'ny Pejy Association Mivoatsa na amin'ny laharana 034 26 076 81
Mankasitraka ary mahombiaza
19/12/2023
Fiarahamiasa miaraka amin'ny Fikambanana eto Fianarantsoa
Ny dia manolotra fiofanana maro ho anao, ho an'ny sekolinao, ho an'ny orinasanao, ho an'ny ankohonanao toy ny :
- Fahaiza-mitarika
- Fampandrosoana ny tena
- Toe-tsaina
- Fandraharahana
- Fananganana tetikasa
- Fananganana orinasa
- Nahandro
- Fanodinana sakafo
- Asa-tanana sns maro be
- Manolotsaina ihany koa izahay mahakasika ireo olona sahirana manokana amin'ny fiainany( tsy mety mahatratra tanjona/ tsy mety mahita asa)
Koa manasa antsika ho tonga amin'ity " Conférence" ity fa mahasoa antsika ity 🙏
Raha hisoratra anarana avy hatrany dia ao amin'ny pejin'i na amin'ny 034 26 076 81
15/04/2023
Ny dia mitondra amin'ny
Voalohany:
🧍Ny , io vatanao io no tontolo voalohany iainanao
⁉️Moa ve madio, mahate honina sa na ianao ary tsy tia akory io vatanao io
⁉️Ny teny avoakanao ve mahafinaritra sa ilay mampalahelo sy mandratra foana
⁉️Ny akanjo anaovanao ve madio sy amin'ilay mety aminao sa ilay manimba endrika ilay tontolon'ny vatanao
Faharoa
🏡Ny trano onenanao
⁉️Moa ve milamina sy madio mahatamana
Toerana telo (3) ao antrano dia efa afaka amaritana ny toetranao :
1- ambany fandriana: (feno korotanentana sns, feno vovoka) sa madio tsara
2-lakozia: ( madio sy milamina sa ny mifanohitra amin'izay)
3- WC sy do**he (madio sy milamina)
Raha ireo toerana 3 ireo no madio sy milamina dia azo antoka fa olona milamina sns ianao
Satria raha olona Salama tsara sy miaina tsara dia tsy maintsy mampiasa ireo efitra ireo
Ka raha ireo toerana ireo izany no maloto sy mikorontana dia aza gaga raha mikorontana ny zavatra atao sns
Fahatelo :
🏘️ Ny Fokontany misy anao
Jereo tsara fa mitovitovy toetra sy zavatra atao ny olona iray Fokontany ka ny izany dia misy ifandraisany amin'ny Fokontany misy anao
Dia toa izay hatrany hatrany
Manana adidy ianao noho izany amin'ny izay misy anao raha tia
14/04/2023
Ny dia ny fahatratrarana tanjona irina sy tiana
Koa raha tia hahomby izany ianao dia ilaina ny manana
🎯Tanjona mazava
🎯Azo tratrarina
🎯Azo faritana
Mirary soa indray
27/03/2023
Ny dia efa nomena anao
Nomena saina, vatana, fanahy isika
Nomena an'izao tontolo izao hanjakana
Anjarantsika sisa ny manatanteraka izay tintsika hatao sy hatsangana
✅✅✅ Matoa tsy vita, tsy natao izy izay
Hiandry inona???
Hiandry an'iza???
Miandry andravady vao hiantsena
Miandry andrafanja vao hanana asa
Miandry an'ny dada sy mama vao manana vola
➡️➡️➡️Meteza
23/03/2023
💪 manapaka ny tady mamatotra anao
💪 mamaha ny geja mandraikitra anao
➡️ ary izay rehetra misakana anao tsy ho tonga amin'ny
☝️Mety ho fisainana io
☝️Mety ho ny fahazarana
☝️Mety ho ny havana
☝️Ny namana
☝️Ny tontolo iainana (trano, toeram-piasana, toeram-pianarana, Fokontany, sns maro)
☝️Mety io olontinao io
➡️Maro be ny mety ho sakana fa ianao no mahalala azy
Ka raha resaka no resahina dia ny tsara indrindra dia ny ny sy ny eny ireo izay mety ho endrika fatotra sy fangejana rehetra
🙏 Mirary soa indray
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Fianarantsoa
301