30/07/2026
📢 ... ... ...
[email protected] nama io ah, ialahy vao manokatra notifs kely dia i anona niantso anao atsy, ikala niantso aroa, sns 😏 sa tianareo ve io ?? 😅
😎 Ialahy mba mieritreritra hoe notification milay, rehefa sokafana anefa...
e, e, indray no miandry an'lah ao, terena mihitsy yy...
Raha indray mandeha ange tsy dia maninona e Fa efa isaky ny publication mihitsy ny an'ny sasany... dia lasa MAHASORENAAAAAA (taille de police 72)
💡Io fomba io dia isan'ny antsoina hoe tag-spam na chaîne de tags.
👉 Ny tanjony dia tsotra: mampiasa notifications mba hisarihana olona hijery publication, ka hampiakatra ny portée sy ny engagement, na dia tsy tena misy ifandraisany amin'ilay contenu aza ireo olona voatonona, mety ho tsara, mety TSY MILAY 🥱, mety mampichaoundrahooondraa !!
Ny olana dia izao...
🔔 Rehefa be loatra ny notifications tsy ilaina, dia tsy vitany hoe tsy ho liana kokoa ny olona, fa vao mainka aza manomboka tsy miraharaha, manafina publication, na indraindray miala mihitsy amin'ilay page !!
Ny contenu tsara no tokony hahatonga ny olona hijanona hamaky, hanao réaction, haneho hevitra, na hizara azy...
Satria...
💙 Tsara kokoa hoe ny olona folo tena liana, toy izay olona zato tonga satria voatery nanindry notification.
Azonao atao ny manaraka an-dry Ramson Connect fa misy resaka mahakasika an'io izy ireo atsy ho atsy...
Misy fomba azo atao koa anefa, tsy hahazoana io notification io, azonao zaraina eo ambany ve ☺️