Centre Régional de Formation Universitaire de Farafangana

Centre Régional de Formation Universitaire de Farafangana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Centre Régional de Formation Universitaire de Farafangana, Education, Farafangana.

FANOLORANA FITAOVANA Nahazo fitaovana  "Imprimante" tamin'ireo mahalala tanana sy tsara sitrapo ny Oniversiten'Agnamba k...
28/11/2025

FANOLORANA FITAOVANA
Nahazo fitaovana "Imprimante" tamin'ireo mahalala tanana sy tsara sitrapo ny Oniversiten'Agnamba ka tonga nandray izany ny avy ao amin'ny CCUA sy ny mpandraharaha ary ny solotena avy amin'ny mpianatra.
Izany moa dia natao hanatsarana fampandehanan-draharaha sy fampianarana eto amin'ny Oniversite.

Ny Oniversiten'Agnamba dia misokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'olona rehetra na amin'ny sehatra miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakana na avy any ivelany na eto an-toerana.

🙏Mankasitraka sy mankatelina ireo izay efa nitondra ny anjara-birikiny amin'ny fampandehanana ity Oniversite ity ary mankasitraka sahady ihany koa hoan'ireo izay mbola hanohana.

Tontosa ny zoma 21/11/25 ny lanonam-panjakana fiorenan'ny" UNIVERSITE D'AGNAMBA" araka ny didim-panjakana laharana  2025...
23/11/2025

Tontosa ny zoma 21/11/25 ny lanonam-panjakana fiorenan'ny" UNIVERSITE D'AGNAMBA" araka ny didim-panjakana laharana 2025-1181 izay nolanian'ny filan-kevitrin'ny minisitra ny 12 Novembre 2025 teo.
Izany dia notronin'ireo olo-manakaja maro, ny Ray aman-dreny, Ampanjaka.
Izay notarihin'ny lehibe ny Faritra atsimo antsinanana mpisolo toerana, ny solotena ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ireo mpikambana ao amin'ny " COMITE DE CREATION DE L'UNIVERSITE D'AGNAMBA ( CCUA) izay tarihin'ny filohany Dr Felicien RAVELOJAONA izay angady nanana sy vy nahitana ka nahazoana izao Oniversiten' Agnamba izao.

Nankatoavana  tamin'ny didim-panjakana nandritra ny filan-kevitrin'ny minisitra ny 13 Novembre 2025 teo  ny fanovana ny ...
14/11/2025

Nankatoavana tamin'ny didim-panjakana nandritra ny filan-kevitrin'ny minisitra ny 13 Novembre 2025 teo ny fanovana ny "Centre Régional de formation Universitaire de Farafangana ( CRFUF)" ho lasa" ONIVERSITEN'ANGNAMBA"

02/09/2025

Ho an'ireo BACC Serie Scientifique (S,D,C) rehetra dia efa misokatra ny fisoratana anarana hidirana ho 1ere Année ao amin'ny Mention SCIENCES DE LA VIE.
Ary ireto daholo ny dossier ilaina :
1- Reçu de versement 70.000ar izay arotsaka ao amin'ny compte Bancaire ny Faculté de Science Fianarantsoa.
BNI: 00005 00052 47326010001 40
Adresse: Andrainjato Fianarantsoa.
2- Demande de Pré-inscription ( izay alaina ao amin'ny birao Centre Universitaire Farafangana)
3-Photocopie certifié Baccalauréat (1)
4-Copie acte de naissance moins de 3mois (1)
6-Photocopie en couleur CIN(1)
7- Photo d'identité récente (1)
8- Enveloppe format A4 (1)
❌ Ny farany fisoratana anarana dia mifarana ny 31 oktobra 2025 izao.
Ka raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny : 0344373376/0343111003

02/09/2025

Izahay eto amin'ny Centre Universitaire Régional Farafangana dia faly miarahaba ireo zanaka,zoky sy zandry vao afaka fanadinana Baccalauréat teo ary mankahery kosa ireo izay tsy afaka .

✅Tsara ampahafantarina antsika fa ny Centre Universitaire Farafangana dia ao anatin'ny Oniversite ny Fianarantsoa ary manana an'ireto Mention roa ireto dia ny :
-SCIENCES SOCIALES : izay natao hoan'ny Serie rehetra (A1,A2,OSE,L,S,D,C,G1,G2)
- SCIENCE DE LA VIE: natao ho an'ny Serie Scientifique (S,D,C)

✅Marihina fa amin'ny alalan'ny "SELECTION DE DOSSIERS" no idirana eto amin'ny Centre Universitaire Farafangana fa tsy Concours.

✅Ny Birao ny Centre Universitaire Farafangana kosa dia eny Bevoa no misy azy.
Ireto no laharana finday azahoana anay raha misy mahaliana anao:
- 0344373376
- 0343111003

Calendrier paiement Bourses 4-5-6eme mois 2024-2025
01/08/2025

Calendrier paiement Bourses 4-5-6eme mois 2024-2025

27/07/2025

FAMPAHAFANTARANA AVY AMIN'NY MINISTERA
Mikasika ny tetiandro fandoavana ny vatsim-pianarana

Araka ny lamina, dia hisy fihemorana kely eo amin'ny herinandro eo amin'ny fotoana voalaza ny fandoavana ny vatsim-pianarana. Antony teknika sy fandrindrana anatiny no mahatonga izany fihemorana izany, ary efa miezaka tanteraka amin'ny lafiny rehetra ny Ministera mba hahafahana manatanteraka haingana sy araka ny tokony ho izy ny fandoavana ireo vatsim-pianarana.

Noho izany, manentana antsika mpianatra hatrany ho amin'ny fampanjakana ny faharetana sy ny fanajana hatrany ny filaminana sy ny fitoniana manoloana izany.

Mankasitraka indrindra.

24/04/2025
Efa misokatra ny fandraisana mpianatra vaovao hidirana ho première année Mention Sciences Sociales eto amin'ny Centre Un...
06/02/2025

Efa misokatra ny fandraisana mpianatra vaovao hidirana ho première année Mention Sciences Sociales eto amin'ny Centre Universitaire Farafangana.

02/12/2024

Hoan'ny mpianatra L1 sy L2 misy cours Socio Linguistique manomboka rapitso talata 03/12/24, tapany maraina L1 ary tolakandro kosa ny L2.
Mifampilazà!

15/11/2024

Ilazana ny mpianatra L3 Sciences Sociales rehetra fa toy izao ny programme ny cours amin'ny asabotsy 15/11/2024 izao:
-SOCIO- ECONOMIE: cours Marketing manomboka 08 ora maraina
-SOCIO- ENVIRONNEMENT : cours économie de l'environnement tolakandro amin'ny 02ora

Address

Farafangana

Telephone

+261344373376

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Régional de Formation Universitaire de Farafangana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category