30/07/2026
FANTATRAO VE?
Fantatrao ve fa maro ireo tanora sy mpianatra eto amin'ny Oniversiten'i Université Fianarantsoa Andrainjato no efa nahita tombontsoa tamin'ny fandraisana anjara amin'ireo fiofanana isan-karazany atolotry ny ivon-toeram-piofanana miorina eto anivon'ny oniversite?
Anisan'izy ireo i Donny, izay efa telo taona izao no nisitraka fiofanana tao amin'ny CA2E. Noho ireo fahaiza-manao sy traikefa azony nandritra izany dia nahazo fahalalana sy fitaovana hanatsarana ny hoaviny izy.
Manaporofo izany fa tena manan-danja ny fiofanana fanampiny amin'ny fanomanana ireo tanora hiatrika ny tontolon'ny asa sy ny fiainana andavanandro izay isany laharam-pahamehana ho an'ny filohan'ny Oniversiten'i Fianarantsoa Pr Aimé Richard Hajalalaina