FANOFANANA MPAMPIANATRA
AMBARATONGA VOALOHANY
FIOFANANA ARA-PEDAGOJIA
Manomana Mpampianatra hanana ireto mari-pahaizana ireto :
Mari-pahaizana tratrarina:
1. Arrêté N° 0315/2000/ CNE portant détermination d’un titre de la fonction publique.
• Attestation d’Initiation à la Socio-logie de l’Education (AISE-FLM)
2. Raha manana B.E.P.C. :
• CEP/FLM (Certificat d’Etudes Pé-dagogiques).
• Attestat
ion d’Initiation à la Socio-logie de l’Education (AISE-FLM). FANOFANANA MPAMPIANATRA AMBARATONGA FAHAROA
FIOFANANA ARA-PEDAGOJIA
Manomana Mpampianatra ho amin’ny Ambaratonga Faharoa na CEG, ny SFM-FLM: ENII ka olona manana Baccalauréat no raisina. Mari-pahaizana tratrarina:
• C.F.E.N.NII/FLM (Certificat de Fin d’Etudes de l’Ecole Normale Niveau II/ Fiangonana Loterana Malagasy)
FAHARETAN’NY FIOFANANA
Ambaratonga Voalohany sy Faharoa : 20 volana
a) 14 volana teoria eto amin’ny SFM-FLM Fandriana
b) 6 volana: Atrikasa pedagojika (stage en responsabilité) atao any amin’ny Sekoly Ambaratonga Voalohany sy Faharoa miampy fanoratana monografia (mono-graphie). Mpampiofana matihanina no miandraikitra ny fampiofanana:
Inspecteurs de l’Enseignement
Professeur certifié
Professeur Licencié
Conseillers pédagogiques
Manana :
• Master II en Sciences de l’Education
• Diplôme d’Etudes Supérieurs Spécialisés
• Diplomes Pédagogiques
Fampianarana momba :
• Fanabeazana mampiaty
• Fitondrana tsara tantana
• Ny vehivavy
ANTONTAN-TARATASY ILAINA
• Fangatahana an-tsoratra fisoratana anarana hanao fanadinana hidirana ao amin’ny SFM-FLM, miaraka amin’ny “curriculum vitae”.
• Taratasy manambara ny sora-piankohonana (Bulletin de nais-sance na extrait de naissance).
• Taratasy fanamarinam-pahasala-mana avy amin’ny Dokotera (cer-tificate medical) 57-58 alaina ao amin’ny CISCO
• Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana (photocopie légalisée du diplôme) ;
• Valopy 3 misy hajia sy ny adire-sin’ny mpangataka (3 enveloppes timbrées avec adresse du candidat).
• Sary tapaka 2 . Ho an’ny Mpampianatra am-perin’asa ao amin’ny Sekoly Loterana dia miampy:
Contrat d’engagement vita sonian’ny Sekoly naniraka sy ny Synodam-paritany nihaviana ary ny Talen’ny FFL-FLM sy ny DR.
INFORMATIQUE
Misy fampianarana izany eto amin’ny SFM-FLM ho an’ny besinimaro ary andoavam-bola. Ny mpiofana kosa, dia anisan’ny taranja iana-rany izany. FAMPIANARANA TENY ANGLISY
Manolotra fampianarana teny Anglisy ho an’ny be sy ny maro koa ny SFM. Fitaovana manaraka ny toetra andro no ampiasaina amin’izany ary fahaizana manoratra sy miteny no tanjona. ATELIER VERT
Ahitana fitaovana sy fiasana (ohatra : mi-lina fanjairana maro, fitaovana fandrafetana, sns). Fitaovana hianarana ny fomba maro samihafa ahafahanao mam-pandroso ny sekoly sy ny fiaraha-monina misy anao, ary indrindra ny zaza malagasy hitantana sy hampandroso ny fiainany. Ampianarina ao :
Tontolo iainana
Fahasalamana (indrindra fisoroha-na ny SIDA)
Fanjairana
Fandrafetana tsotra
Fambolena
Fiompiana
Fianarana mahandro
KILASIMANDRY
Misy ny efitrano ahafahana mandray ireo mpianatra lahy sy vavy te hianatra eto amin’ny SFM. Fandraisana anjara amin’ny jiro sy rano no ataon’ny mpiofana ka 4 000 ariary isam-bolana no aloa. Misy fepetra tsy maintsy arahina anefa ao (discipline) ary tsy azo ipetrahan’ny olona mitondra vady aman-janaka. Tsy voatery ho kilasimandry ny mpiofana eto amin’ny SFM fa safidy malalaka ny hanaova-ny kilasimandry na tsia ary tsy miantoka ho-fantrano ho an’ny olona mipetraka any ivelany ny SFM. Ny mpiofana avy lavitra no tena tsy maintsy laharam-pahamehana (prioritaire). FEPETRA HIDITRA HIANATRA
Tsy anavahana antokom-pinoana na fihaviana ny fandraisana mpianatra hiditra ao amin’ny SFM. Voafetra ho 20 taona ka hatramin’ny 45 taona ny mpiofana azo raisina hianatra. Andraisana mpianatra lahy na vavy manana ny mari-pahaizana Baccalauréat (classe A) sy Niveau II, ary BEPC/CFEPCES (classe B). Fifaninanana no andraisana ny mpianatra hid-itra ao. FANAMARIHANA
Misy ny vatsim-pianarana natokana ho an’ireo mpampianatra nahavita 3 taona am-perin’asa tao amin’ny Sekoly Loterana ary voamarina tsara avy amin’ny Sekoly niasana sy ny Synodam-paritany nihaviana ary nam-pandalovina tamin’ny Talen’ny fampianarana ao amin’ny Synodam-paritany (lettre d’engagement).