DREN DIANA

DREN DIANA

Share

NY FIANARANA NO LOVA TSARA INDRINDRA

Photos from DREN DIANA's post 19/05/2026

Cisco Antsiranana I
🛑Miatrika ny adina ara-panatanjahantena BEPC taona 2026 ireo mpianatra kilasy T9 ao amin'ny CISCO Antsiranana I, nanomboka ny alatsinainy 18 may 2026.
‎
‎▶️Miisa 2019 ireo mpiadina voasoratra anarana.

‎▶️Mizotra am-pilaminana izany.

DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 19/05/2026

Cisco Ambanja
🛑Nanomboka ny alatsinainy 18 may 2026 ny fanadinana andrana BEPC ho an'ny CISCO Ambanja.

▶️ Tanterahina ao amin'ny CEG Ambanja centre izany.

DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 19/05/2026

Cisco Ambanja
🛑Nankalaza ny faha 40 taonany ny Lisea Tsiaraso I, CISCO Ambanja ny alatsinainy 18 may 2026.

▶️Manam-pahefana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana ary tsy diso anjara amin’izany ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Diana.

DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 15/05/2026

DREN DIANA
CISCO ANTSIRANANA II

🛑Notanterahina ny 12, 13 ary 15 may 2026 tao amin'ny CEG Annexe Anivorano Avaratra ny fanisana ahazoan'ny mpianatra laharana tokana na amin'ny sekoly mahaleo tena izany na ireo sekolim-panjakana ao amin'ny CISCO Antsiranana II.

▶️Tonga manatanteraka izany ireo solontena avy amin'ny Minisitera foibe.

▶️Nahatratra 107 ny sekoly voakasika ary 157 ny isan'ny mpandray anjara tamin'ity hetsika ity.

DREN DIANA / May 2026

Photos from DREN DIANA's post 15/05/2026

🛑Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny talata 12 may 2026 tao Anivorano-Nord ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly ho an'ny CISCO Antsiranana II.

▶️Hetsika lehibe izay natrehin’ireo sekoly ao amin’ny CISCO Antsiranana II izany, ary haharitra efatra andro ny fifaninanana.

▶️Diabe sy fananganan-tsaina niarahana tamin’ireo ZAP rehetra no nanombohana izany.

▶️Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Diana.

▶️Ny tanjona dia ny hampitombo ny firaisankina, ny fahasalamana, ary ny fahaiza-manao eo amin’ny mpianatra.

DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 15/05/2026

🛑Nanomboka ny talata 12 may 2026 ny fanisana mpianatra eto anivony CISCO Ambanja.

▶️ Ivon-toerana maro no anaovana izany dia ny CEG Centre Tanambao; EPP Begavo izay ahitana mpianatra avy amin'ny ZAP miisa 08 (ZAP Ambanja, ZAP Benavony, ZAP Ankatafa, ZAP Ambohimena, ZAP Antsatsaka, ZAP Antranokarany, ZAP Djangoa, ZAP Ankingameloko).

▶️ Hifarana ny zoma 15 may 2026 izao ny anjaran'ireo ZAP miisa 8 ireo ary hitohy amin'ny alatsinainy 18 may 2026 ny fanisana sy fanoratana ho an'ny ZAP Antanibe Andrefa sy ZAP Maherivaratra izay haharitra roa andro, ka hamaranana ny fanisana sy fanoratana mpianatra ato amin'ny CISCO Ambanja dia ny ZAP Tapany Andoharano izay ahitana ZAP miisa 9.

DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 12/05/2026

CISCO Antsiranana I
🛑‎Natomboka ny alatsinainy 11 may 2026 ny fanadinana BEPC andrana taona 2026 ho an'ny kolejy aty amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana ato anivon'ny CISCO Antsiranana I.
‎
▶️‎Mizara telo ny ivon-toeram-panadinana:
‎🔳 CEG PK3
‎🔳 CEG de Référence
‎🔳 CEG Rue François de Mahy
‎
▶️‎Toy izao manaraka izao ny antontan'isa amin'ny ankapobeny :
‎🔳Option A:
‎📍Nisoratra anarana : 368
‎📍 Isan'ny tonga: 347
‎📍 Isan'ny tsy tonga: 21
‎
‎🔳Option B:
‎📍 Nisoratra anarana : 27
‎📍Isan'ny tonga: 26
‎📍Isan'ny tsy tonga : 01
‎
▶️ Haharitra 04 andro izany.

DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 08/05/2026
Photos from DREN DIANA's post 06/05/2026

CISCO Ambilobe
🛑 Miatrika ny adina ara-panatanjahantena amin'ny fanadinam-panjakana BEPC ireo mpianatra kilasy T9 ao amin'ny CISCO Ambilobe, nanomboka ny talata 05 may 2026.

DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 06/05/2026

CISCO Ambilobe
🛑Miatrika ny fanadina andrana CEPE ireo mpianatra kilasy T5 ao amin'ny CISCO Ambilobe, ny talata 05 may 2026.

▶️ Mizotra am-pilaminana izany.

‎DREN DIANA/May 2026

Photos from DREN DIANA's post 06/05/2026

CISCO Antsiranana I
🛑Nidina ifotony niara nanangan-tsaina tao amin’ny Lisea Annexe ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Diana ny alatsinainy 04 may 2026 mba ho fanamafisana bebe kokoa ny toromarika vaovao avy amin’ny Ministera foibe mahakasika ny fihetsika rehefa mananangan-tsaina.

▶️Taorian’izany nisy ihany koa ny tafatafa sy dinika niarahana tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra.

DREN DIANA/May 2026

Want your school to be the top-listed School/college in Diego?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address


Antsiranana
Diego
201