DREN DIANA

DREN DIANA NY FIANARANA NO LOVA TSARA INDRINDRA

17/06/2026
✳️Nandefa solontena hanara-maso sy handrindra ny fanadinana CEPE, taona 2026, ao amin'ny DREN Diana, ny Minisiteran'ny F...
15/06/2026

✳️Nandefa solontena hanara-maso sy handrindra ny fanadinana CEPE, taona 2026, ao amin'ny DREN Diana, ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izay nahitana ny ekipan'ny Ivon-toerana nasionaly misahana ny famokarana fitaovana pedagojika sy didaktika (CNAPMAD), sy ny mpanolontsaina teknikan 'ny Minisitry ny fanabeazam_pirenena ary ireo mpiara-miasa aminy, ny alatsinainy 15 jona 2026.

▶️Nisy ny fivoriana fampahafantarana sy fampidirana niarahana tamin'ireo tompon'andraikitra tao an-toerana.

▶️Ny tanjon'izao fidinana ifotony izao dia ny handrindrana sy hiantohana ny fizotry ny fanadinana CEPE mba hizotra amim-pahombiazana sy araka ny tokony ho izy.

DREN DIANA/Jona 2026

🛑 Miatrika ny fanadinana andrana Bakalorea 2026 ao amin’ireo ivon-toeram-panadinana miisa 03 ireo mpianatra kilasy famar...
11/06/2026

🛑 Miatrika ny fanadinana andrana Bakalorea 2026 ao amin’ireo ivon-toeram-panadinana miisa 03 ireo mpianatra kilasy famaranana ao amin'ny CISCO Antsiranana I, nanomboka ny talata 09 jona 2026.

▶️Antontan’isa amin’ny ankapobeny:
✓lisea Zafy Albert :
- Inscrits: 594
- Présents:530
- Absents:64
✓ lisea Annexe :
-Inscrits: 329
- Présents:275
- Absents:54
✓lisea d'enseignement général Ambohimitsinjo:
- Inscrits:212
- Présents:195
- Absents: 17

DREN DIANA/Jona 2026 .

🛑‎Natao ny zoma 05 jona 2026 tato amin'ny Grande salle DREN Diana ny fivorian'ny Tambazotran'ny VFF ato anivon'ny CISCO ...
10/06/2026

🛑‎Natao ny zoma 05 jona 2026 tato amin'ny Grande salle DREN Diana ny fivorian'ny Tambazotran'ny VFF ato anivon'ny CISCO Antsiranana I izay nampitondraina ny lohahevitra hoe : "Fanatsarana ny fahaizan'ny mpianatra ny taranja vakiteny sy ny taranja kajy amin'ny alalan'ny fampandraisana anjara ny vondron'olona ifotony".

▶️‎Ity fihaonana ity dia nahatongavan'ireo olona izay tonga nasaina isan-tsokainy.

▶️‎ Ireo mpanolontsaina ara-pedagojia, ireo lehiben'ny ZAP, ireo Talen-tsekoly ary ireo mpampianatra avy amin'ny ambaratonga fototra no mandray anjara amin'izany.

DREN DIANA/Jona 2026

🛑Nankalazaina ny faha 50 taona niorenan'ny CEG PK3 eo anivon'ny CISCO Antsiranana I ny sabotsy 30 may 2026. ▶️Diabe nama...
08/06/2026

🛑Nankalazaina ny faha 50 taona niorenan'ny CEG PK3 eo anivon'ny CISCO Antsiranana I ny sabotsy 30 may 2026.

▶️Diabe namakivaky ny tampon-tanànan'ny Antsiranana I niainga avy eo amin'ny kianja monisipaly ary nifarana tao amin'ny CEG PK3 no nentina nanamarihana ny fankalazana ankoatra an’ireo hetsika samihafa.

▶️Niatrika izany ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Diana no sady nanokatra ny lanonana tamin'ny fomba ofisialy ary koa nanapaka ny “ruban” teo amin'ny tsangam-baton'ny faha 50 taona niorenan'ity sekoly ity.

▶️Niatrika ny lanonana ihany koa ny lehiben'ny CISCO ary nandray anjara fitenenana nandritra ny kabary izay nifandimbiasana.

DREN DIANA/ May 2026

🛑Nanomboka ny alatsinainy 01 jona 2026 ny fanatanjahantena an-tsekoly ho an'ny CISCO Ambanja, taorian’ny fifaninanana na...
05/06/2026

🛑Nanomboka ny alatsinainy 01 jona 2026 ny fanatanjahantena an-tsekoly ho an'ny CISCO Ambanja, taorian’ny fifaninanana natao teo anivon’ny ZAP miisa 25 ao amin’ny CISCO.

▶️Haharitra 04 andro io fifaninanana io ka hifarana ny alakamisy 04 jona 2026.

▶️Nosokafan’ny Lehiben’ny Distrikan'Ambanja tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana , niaraka tamin’ny solontenan’ny Kaominina, Parlemantara, ary ireo lehibeny sampan-draharaha sivily sy miaramila.

▶️Nanotrona izany ny Lehiben’ny CISCO Ambanja sy ireo mpiara-miasa aminy.

DREN DIANA/Jona 2026

✳️Nisitraka kodiaran-droa (moto) avy amin'ny Fitondram-panjakana ny eo anivon'ny DREN Diana, ny alarobia 03 jona 2026.DR...
05/06/2026

✳️Nisitraka kodiaran-droa (moto) avy amin'ny Fitondram-panjakana ny eo anivon'ny DREN Diana, ny alarobia 03 jona 2026.

DREN DIANA/Jona 2026

✳️Tonga manatanteraka iraka aty amin'ny DREN Diana ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny de...
01/06/2026

✳️Tonga manatanteraka iraka aty amin'ny DREN Diana ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny delegasiona izay tarihany ny alatsinainy 01 jona 2026 ary nisy ny tafatafa fohifohy tamin'ny mpiara-miasa.

▶️Handamina ny toe-draharaha misy aty amin'ny faritra vokatry ny fitakian'ireo mpianatra avy amin'ny ENSET no anton-dian'izy ireo aty an-toerana.

DREN DIANA/ Jona 2026

Address

Antsiranana
Diego
201

Telephone

+261329936427

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN DIANA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to DREN DIANA:

Shortcuts

Share