26/01/2026
petit Ckicky quii danse euh !
petit Ckicky quii danse euh !
où est faya?? il n'est pas la
hahaha hihihi
danse danse petite Wendy
Pejy natokana hoan'ny informatika sy ny tontolony (Développement web , PAO , GNU/ Linux , GIMP...sns)
26/01/2026
petit Ckicky quii danse euh !
petit Ckicky quii danse euh !
où est faya?? il n'est pas la
hahaha hihihi
danse danse petite Wendy
28/10/2025
[Python] Lesona 2: Variable
1. Inona no atao hoe Python ?
Python dia langage de programmation noforonin’i Guido van Rossum tamin’ny taona 1989 any Holandy, ary nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 1991.
Natao ho mora vakiana sy mora ampiasaina izy, mba hahafahan’ny olona rehetra mianatra manomboka amin’ny fototra hatramin’ny haavo avo.
2. Inona no atao hoe Variable ?
Variable dia toy ny boaty itehirizana sanda (valeur). Amin’ny Python, rehefa mamorona variable ianao dia manome anarana sy sanda azy.
Ohatra 1 :
anarana = "mikarenjy"
taona = 25
tanàna = "Diego"
Fanazavana :
anarana → variable mitahiry lahatsoratra (string)
taona → variable mitahiry isa manontolo (int)
tanàna → variable mitahiry lahatsoratra (string)
3. Fitsipika amin’ny fanoratana variable
✅ Azo atao :
anarana = "Anjava"
taona_niandohana = 1989
Manana_zanaka = True
❌ Tsy azo atao :
1anarana = "Jean" # tsy azo manomboka amin’ny isa
anarana-taona = 25 # tsy azo asiana “-”
⚠ Fepetra :
Tsy azo asiana habaka (espace) amin’ny anaran’ny variable
Tsy azo atao toy ny anaran’ny teny manokana (oh: print, if, for)
Mety tsara raha manaraka fomba mazava sy manazava ilay anarana
4. Karazana sanda azon’ny variable itehirizana
- str "Mikarenjy" Lahatsoratra
- int 25 Isa manontolo
- float 3.14 Isa misy ampahany
- bool True / False Marina na Diso
Ohatra 2 :
anarana = "Hope"
taona = 8
lanja = 25.5
mianatra = True
✅ Famintinana
Python dia fiteny mora sy be mpampiasa.
Variable dia boaty mitahiry sanda.
Misy karazana sanda samihafa (int, float, str, bool, ...sns)
Aza manomboka amin’ny isa na manampy habaka amin’ny anaran-variable.
23/05/2023
FRONT-END & BACK-END
Raha mba maniry ho développeur web ise dia indro atolotra an'ise ilay lalàna afaka hisafidianana .
Amin'io sary io dia misy illustration entiko hanazavana azy tsara.
📌 développeur Front-end : Ny olona manao ny front dia olona manana sens du détails , tia zavatra milamina ary vonona andany fotoana .
Raha ti ho lasa web developper front-end dia mila mahafehy HTML 5, css3 , JavaScript ( reactJs na hafa ) .
Asa miandry : Intégrateur web HTML na intégrateur web interactif na intégrateur web Cms ( WordPress ou hafa ) ........
📌 Developper web back-end : Somary plus technique satria mamorona fonctionnalités NY site web, tsy de mivaky saina , pur programmation no atao .
Raha @ sehatra dev web dia mila mahay html5 sy css3 , JavaScript , PHP , MySQL , ....sns
Afaka misafidy asa tiana atao . back-end JS ( nodeJs ) , WordPress , sy NY framework PHP ......sns
Araka izany dia tsara kokoa ny karamany back-end no izy technique be .
30/12/2022
[Python] Lesona 1: installation
MBA TIA HIANATRA PYTHON NEFA TSY FANTATRA NY TOKONY ATAO ???
Alohan'ny hianatra ny language python dia ndao anao installation python ao @ Ordinateur ntsika.
Hoan' izay mampiasa Windows:
Tapeo ao @ google " télécharger python3 " dia ao @ site ofisialy no maka setup.
Ny fanaovana installation dia efa amin'ny sary reo.
Raha mampiasa GNU / Linux ( ohatra debian )
Efa installer miaraka ao @ system d'exploitation ny python.
Tapeo python3 ao @ terminal mba hafanao manao verification
Tandremo : raha python fotsiny no soratanao dia ilay version 2 no executer.
Raha mbola tsy installer ilay izy dia tapeo ao @ terminal ity:
sudo apt install python3
mila connexion kely an !!!
TSY MANANA MAC ;
VARIABLE : PHP - PYTHON - JS
Ndao iaraka hianatra JavaScript , python art PHP.
Rehefa manao déclaration variable
JS: let nomDeVariable = valeur ;
PHP : $NomDeVariable = valeur ;
Python : NomDevariable = valeur ;
Ohatra
let x = 5 ; ( variable js )
$x = 5 ; (variable php)
X = 5 ; ( variable python)
De zay NY androany dia @ manaraka indray ✌✌✌
$
Hiverina tsy ho ela !!!
04/11/2021
Manomboka androany ilay cours JS hoany zay liana. Mandefasa MP fa mbola tsy tara.
25/10/2021
Tonga ny nandrasana !!
manomboka 1 novembre hoavy izao dia hisy cours en groupe de 5 . Ka ireto avy ny module misy :
1- Html sy css hoany debutant
2- css hoany olona efa mafantatra ny html sy css
3- javaScript ( fototra + DOM )
afaka tonga manao JS rah efa mahafehy css sy html.
Sarany mirary tena mirary.
| Monday | 08:30 - 17:00 |
| Tuesday | 08:30 - 17:00 |
| Wednesday | 08:30 - 17:00 |
| Thursday | 08:00 - 17:00 |
| Friday | 08:00 - 17:30 |