20/03/2023
Tanteraka ny fizaragna ireo kit hoan'ireo mpianatra izay magnatanteraka ny Formation amizao ato amin'ny LTP PK4 ny Antsiranana dia ny Formation mahakasiky ny Ouvrage Métallique.
Eto dia manolotra fisaoragna feno hoan'ny Madame Le Ministre de l'Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle amin'ny fitadiavagna ny tsara magnaraka ny fenitra mandrakariva ary indrindra ny soa hoan'ny zanaka Malagasy tsy ankanavaka.
Eto koa mbala hisaoragna manokana Madame Le Ministre amin'ny fitsakarahagna ireo Partenariat izay miara-miasa amin'ny Ministère izay tantanany ho fampandrosoagna ity Enseignement Technique ity ka agnisany zegny dia ny izay mamatsy izao formation izao ary agnisany toloragna fisaoragna feno koa.
20/03/2023
Herinandro vaovao izay hirariagna olo jiaby ho feno fahasalamagna sy fahombiazagna amin'ny fagnantanteragna ny adidy izay tsy mora ary mbala hisaoragna feno ny tsiaraikaraiky amin'ny hezaka jiaby zay vitany amizegny adidy zegny.
17/03/2023
Ireo no agnisany échantillon ny asa zay vitan'ireo mpianatra ato amin'ny LTP PK4 ny Antsiranana.
Tsy nataotao foagna ireo fa mpianatra ao amin'ny Spécialité DM na ny BTP no mianatra mahakasiky ny fagnamboaranao tragno sy ny ka tamin'ny alalan'ny plan no nagnanaovany ireo ny tragno ireo.
09/03/2023
Niany no nagnatanteraka ny Examen ny tato amin'ny LTP PK4 ny Antsiranana. Ny contrôle continu dia examen araiky izay misy ato amin'ny Enseignement Technique, ary ny note azo amin'ny Travaux Pratique amin'io izay agnisany note tafiditra agny amin'ny Examen sy
27/02/2023
Herinandro mamaraparagna ny mois de Février ary hiatriky ny mois de Mars ity herinandro ity.
Tsy miova hatrany ny fahavognôsany tsiaraikaraiky.
26/02/2023
Ny fianakaviam-be ny Enseignement Technique ato amin'ny faritra jiaby dia niaraka nitambatra nagnatanteraka ny Fiharabagna tratran'ny taogno 2023 izay natao tato amin'ny LTP PK4 ny Antsiranana.
Ka teo ny Lycée Technique na ny CFP jiaby izay misy ato amin'ny faritra DIANA dia ny
- Diego
- Ambilobe
- Nosy Be
- Ambanja
Agnisany natao nihavaka ny tamin'ity taogno ity satria fagniriany M. Le , satria tsapany loatra fa fianakaviam-be araiky ka rariny loatra ny fitambaragna satria hoy izy : .
Teo koa no nagnanaovagna ny fampafantaragna ny mpiara-miasa jiaby misy ato amin'ny faritra DIANA agnatin'ny fianakaviam-be ny Enseignement Technique
Ravoravo olo jiaby satria elaela fo zay tsary nisy ny kara ty ary nankasitraka M. Le Directeur ny rehetra tamin'ny hezaka be zay nataony tamin'ny nahavitagna zegny fiharabagna tratrany taogno zegny nitambatra ary tagnatiny haravoagna, fahafaham-po ary fitiavagna.
Fisaoragna atolotro hoan'olo jiaby satria tsapa ary hita ny fifankatiavagna sy ny firaisank'ina misy ato amintsika mpiara-miasa jiaby izay nasehotsika.
22/02/2023
Niany ny fotoagna lehibe nizaragna ireo izay natolotr'i ny hoan'ireo mpianatra izay agnisany tsara moyenne tato amin'ny LTP PK4 sy LTPC PK3 ny Antsiranana.
Fisaoragna tsy homby tratra atolotro Madame Le Ministre tamin'ny fitiavagna sy fitsinjovagna ny zanaka Malagasy ary indrindra koa ny Filoham-pirenena hajaina .
Isaoragna nagnotrogno ny lanonagna izay nisolo-tegna Madame le Ministre tamin'ny fanoloragna zegny Kit Scolaire zegny tamin'ireo mpianatra ary teo koa ny olo manank'aja izay nagnotrogno dia ny Préfet ny Antsiranana, ny Telen'ny Gendarmerie mitantagna ny faritra Antsiranana ary Telen'ny Police nationale mitantagna ny faritra Antsiranana.
Madame VPAN raha nandray teny dia nisaotra voalohany ny Filoham-pirenena tamin'ny fatokisagna feno tamin'ny Madame ny hitantanany indray ny Ministère ny Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle ary nisaotra koa i Madame le Ministre tamin'ny fagnamezagna ireo fa indrindra koa ny ny mpampianatra Vacataire farany teo igny izay agnisany fangatahagna nataony Madame VPAN tamin'ny Madame Le Ministre ary mbala niangavy hoan'ireo mbal tsy tafiditra mba ho recrutegna ihany koa.
Tsy adignany koa nisaotra ireo mampianatra tamin'ny fagnatontosagna ny adidy izay sarotra.
Hoy koa hoy i Madame VPAN tamin'ny Directeur Régional ny Enseignement Technique raha nagnamia teny fisaoragna sy fankaherezagna amin'ny adidy tsy mora izay ataony: "" Tsy mora ny magnano raha ary raha misy ny raha manafitohigny dia ny zava-dehibe dia ny fahaizagna mifampitandregny". Ireo mpianatra izay nahazo taminy ary nagnambaràny teny hoe: "Asehoy ny zavatra hainao fa aza asitriky mba ho hitan'olo jiaby fa mahay raha atsika"
21/02/2023
Ny fianakaviam-be ny Enseignement Technique aty Antsiranana izay tarihin'ny M. dia ravoravo ndraiky magnano mbala hitatagna ndraiky ny .
Izahay dia Vognono hatrany amin'ny fiaraha-miasa hanohy ny hezaka tsara jiaby efa vita nohon'ny fisianao Madame Le Ministre.
Eto dia manolotra fisaoragna manokana hoan'Andriamatoa hajaina tamin'ny fatokisagna feno napetrany tamin'ny Madame Le Ministre mbala hitatagna ndraiky ny Ministère ny Enseignement Technique.
Tegna mipetraka marigny ny hoe:
21/02/2023
Formation momba ny sy ny ary ny no natao tato amin'ny LTP PK4 ny Antsiranana niany izay nitarihin'ny Formateur aroe (2) dia ny Docteur avy agny amin'ny Ministère de la l'Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle ary ny araiky faharoa dia Docteur izay misa eto Antsiranana ihany.
Ny Enseignement Technique na ny Centre de Formation jiaby misy eto Antsiranana ao agnatiny dia samby nihatriky zegny Formation zegny.
Ny Formation izay Nitronin'ny M.
Hisaoragna ireo Formateur ary indrindra ny tarihin'ny Madame Le Ministre , nikarakara ka nazahoagna ity Formation izay agnisany avantage be hoan'ny mpiara-miasa jiaby.
17/02/2023
Nagnantanteraka fivoriagna ny Administration tarihiny -ZAFILAZA_Francisco ato amin'ny LTP PK4 ny Antsiranana niaraka tamin'ireo jiaby ary hisaoragna ny rehetra.
Fivoriagna izay efa fatao agnatin'ny année scolaire hentigny hamataragna ny zavatra misy amin'ny Classe tsiaraikaraiky na ny holagna na amin'ny lafiny fampianaragna koa ka hentigny hagnitsy raha misy ny holagna zegny hitondragna amin'ny fagnatsaragna mba hahazoagna vokatra tsara.
10/02/2023
Ny Tompon'andraikitra ao amin'ny na ny M. dia agnisany mikarakara mandrakariva miaraka amin'ny M. izay toloragna fisaoragna feno amin'ny fitadiavagna ny tsara isanandra ka nahavitagna zao fitaovagna vaovao izao ato amin'ny FTS ny LTP PK4 ny Antsiranana.
Sezy hipitrahan'ny mpianatra izay miisa 50.
Ny tompon'andraikitra mandray andraikitra sy tsara fitantagnana dia mitondra ny tsara mandrakariva.
06/02/2023
Herinandro vaovao agnatiny fahavaratra feno fahombiazagna.
Mihezaka hatrany ny tsiaraikaraiky magnatanteraka ny adidy izay tandrify izy aby.