03/02/2025
🍽️ BOKY PDF ENTRÉES – Tonga lafatra hanombohana ny sakafo! 🍽️
Te-hanolotra entrée matsiro sy manintona ho an’ny vahiny sy ny fianakaviana? Ity boky PDF ity dia manolotra recette mora arahina sy fomba fanomanana entrée mahafinaritra ho anao!
29/01/2025
🍽️ BOKY PDF : SAKAFO ARAM-PASALAMANA 🥗
Te ho salama sy hanana sakafo mahasalama isan'andro ? 🥑🥦
Ity boky PDF ity dia hanampy anao hahafantatra ireo sakafo aram-pahasalamana tsara ho an’ny vatana, miaraka amin’ny torohevitra sy recette mora arahina
24/01/2025
Maniry te hivelatra ve ny fahalalanao? Tianao ve ny hianatra zavatra vaovao sy mahasoa?
Ny boky PDF ato aminay no vahaolana ho anao! 😍
Misy safidy marobe hanampy anao ireto :
📚 Fiompiana
🐓 Akoho manatody lava
🐓 akoho gasy nohatsaraina
🐓akoho fakana nofo
🐝 Tately
🐟 Trondro nohatsaraina
🐄 Omby vavy beronono
🐖 Kisoa nohatsaraina
🐇 Bitro
🦆 Gana
🐏 Ondry sy osy
🌱 Fambolena
🍊 Voasary, voanjo, letchis, tongolobe
🌾 Vary maro anaka
🌱 Zezika organique
🍰 Fahaiza-manao sy fianarana
🍚 Sakafo malagasy
🥗Sakafo aram-pasalamana
🍣Fianarana entrées
💰 Formation cash point
🧼 Fianarana manao savony
🍦 Esquimaux, yaourt, glace, fromage, flan
🎂 Pâtisserie sy dessert
🍜 Fanamboarana paty gasy
🥩 Famboarana mortadelle
🍞 Mofodipaina sy brioche
🍩 Donuts
Fa maninona ianao no tokony hividy aminay?
✔ Vidiny mora vidy: Boky iray manomboka amin'ny 2.000 Ar monja!
✔ Fihenam-bidy manokana: Maka boky 5, mahazo 1 maimaimpoana!
✔ Kalitao avo lenta: Fianarana voarindra sy mora arahina.
✔ Fandefasana haingana sy azo antoka: Azo antoka fa tonga ara-potoana ny bokinao!
🎉 PROMOTION MANOKANA HO AN'ITY VOLANA ITY IHANY 🎉
Aza miandry ela, tongava misitraka ny fihenam-bidy sy ny fahalalana manova fiainana!
☎ Fanazavana fanampiny:
Mifandraisa aminay amin'ny 038 66 211 97 na alefaso mivantana eto amin'ny pejy ny hafatrao!
25/12/2024
📚🎄 Joyeux Noël et Bonne Année 2025 ! 🎄📚
Toute notre équipe vous souhaite une période de fêtes remplie de bonheur, de paix, et de belles lectures ! 📖✨
Merci de nous avoir accompagnés tout au long de l'année avec votre passion pour la découverte et l'apprentissage à travers nos livres. 🌟
🎉 En 2025, nous continuerons à vous offrir des ouvrages inspirants, utiles et passionnants pour enrichir vos connaissances et illuminer votre quotidien.
📅 [Bonne nouvelle] : Préparez-vous à découvrir de nouvelles collections dès janvier ! 📚✨
Passez des fêtes inoubliables avec vos proches et une belle aventure littéraire entre les mains. 🎁
04/11/2024
Ny fiompiana omby vavy be ronono dia mitaky fahaizana sy fikarakarana manokana mba ahazoana ronono betsaka sy tsara kalitao. Ireto misy torohevitra vitsivitsy hanampy anao hahomby amin’izany:
Safidy ny Karazam-biby
👉Karazana tsara ronono: Mifidiana karazana omby izay fantatra fa manome ronono betsaka
👉fahasalaman’ny biby: Ataovy azo antoka fa salama tsara sy manana tantara ara-pahasalamana madio ilay omby alohan’ny hividianana azy.
👉Rano madio: Tokony hisy rano madio foana ho azon’ny omby sotroina isan’andro mba hisorohana ny fahasemporana ary hanampy amin’ny famokarana ronono.
👉Fikoloana: Asio fikarakarana ny toeram-ponenana, izay tokony ho madio, malalaka, ary mahazo rivotra tsara mba hanampy amin'ny fahasalamana sy ny fitomboan'ny famokarana ronono.
29/10/2024
Ireto misy torohevitra fototra hanampy anao amin'ny fiompiana poule pondeuse:
👉 Fandaminana ny Toeram-ponenana: Ataovy madio sy milamina tsara ny toerana fatorian'ny akoho, mba tsy ho azon'ny aretina. Mila manana faritra misaraka ho an’ny torimasony sy ho an’ny atodiny izy
👉 Rano madio: Ataovy azo antoka fa mahazo rano madio sy vaovao foana ny akoho, satria ilaina ny rano ho an’ny fahasalamany sy ny famokarany.
👉Fiantohana ny Filaminana: Arovy amin’ny biby mpiremby ny toerana iompiana. Azonao atao ny mametraka harato na manda manodidina ny toeram-ponenan'izy ireo.
28/10/2024
Raha te hamboly vary maro anaka, ireto ny dingana tokony arahina:
👉 Fifantenana ny karazana vary: Misy karazana vary maro anaka, noho izany zava-dehibe ny mifidy ilay mety indrindra amin’ny faritra sy toetr'andro
👉 Fanomanana ny tanim-bary : Ahitsio sy diovy tsara ny tany ary ataovy azo antoka fa misy hamandoana tsara. Azonao atao ihany koa ny mampiasa zezika organika na chimique mba hampitombo ny harenan’ny tany.
👉 Asiana rano tsy tapaka ny tanimbary ary jereo hatrany raha misy bibikely na aretina
25/10/2024
Ireto misy torohevitra ho an'ny fiompiana renin-kisoa mampinono:
1. Sakafo mifanaraka aminy
Omeo sakafo be proteinina sy hery mba hanomezana fahafaham-po ny filàna mandritra ny fampinonoana.
Ataovy ao ihany koa ny mineraly toy ny kalsioma sy fosfora mba hampiroborobo ny famokarana ronono.
2. Fitantanana ny toerana
Omeo toerana madio, maina, ary tsara rivotra mba hisorohana ny aretina.
Omeo tokotany misaraka ny renin-kisoa sy ny zanany mba ho voaaro tsara izy ireo.
3. Rano ampy
Ataovy azo antoka fa mahazo rano madio sy ampy tsara ny renin-kisoa satria tena ilaina ho an’ny famokarana ronono izany.
20/10/2024
Raha te-hiompy akoho fakana nofo ianao,dia ireto ny dingana lehibe tokony arahina:
👉 Safidio ny karazana akoho: ny akoho fakana nofo, toy ny "broilers". Ireo akoho ireo dia natao hitombo haingana ka mety tsara amin'ny fivarotana henam-borona.
👉 Manomàna toerana: Mila toerana ampy sy azo antoka ny akoho. Ataovy azo antoka fa voaharo amin'ny biby mpiremby sy misy rivotra tsara ny tranon'akoho. Mila hafanana sy fanaraha-maso ny mari-pana koa, indrindra amin'ny akoho kely vao teraka.
👉 Famahanana sy ny rano fisotro: Mba hahazoana henam-borona tsara, mila famahanana mifandanja ny akoho, matetika misy proteinina ambony sy otrikaina maro. Aza hadinoina ny fanomezana rano madio sy fanafody ilaina hanakanana ny aretina
01/09/2024
Les vacances s’achèvent, et une nouvelle saison commence. Que ce mois de septembre soit synonyme de réussite, de nouveaux projets et de moments inoubliables au travail. Bonne rentrée à tous !
07/08/2024
Ny fiompiana kisoa dia asa mety hahazoam-bola raha atao tsara. Ireto misy torohevitra vitsivitsy hanampy anao amin'izany:
1-Fisafidianana Karazana Kisoa:
Safidio ny karazana kisoa mifanaraka amin'ny tanjonao, ohatra, kisoa mihary hena na biby fiompy. Ny karazana Duroc, Large White, ary Landrace dia malaza amin'ny hena noho ny fitomboan'izy ireo haingana sy ny hena tsara kalitao.
2-Trano Fiompiana sy Fitaovana:
Ataovy madio sy mivelatra ny tranon'ny kisoa. Tokony hisy toerana hialokalofana, tsy dia mafana loatra, ary tsy be rivotra.
3-Fikarakarana Ara-tsakafo:
Zava-dehibe ny fandrindrana ny sakafon'ny kisoa. Ataovy antoka fa mahazo sakafo manankarena otrikaina sy rano madio izy ireo. Ny fampidirana sakafo toy ny provandy na sakafo voajanahary dia afaka manampy amin'ny fitomboany sy ny fahasalamana tsara.
01/08/2024
Bon mois d'août à tous ! 🌞🌟✨
Que ce mois vous apporte des moments de bonheur, de sérénité et de belles réussites. Profitez bien des rayons du soleil et des soirées étoilées.