26/12/2025
FANEHOANA HO AMBANY FANEVA
Ny 18 desambra 2025 no naseho ho ambany faneva ireo Mpianatra ho Manamboninahitra ao amin’ny andiany mivantana faha 48 ny Akademia Miaramila. Izany dia notanterahina tao amin’ny “Place d’Armes“ ny Akademia Miaramila. Mpianatra ho Manamboninahitra miisa 89 ireo naseho teo ambany faneva tamin’io fotoana io, izay ahitana vehivavy miisa 08, sy teratany vahiny 10 mirahalahy, avy any: Burkina Faso, Niger, Côte d’Ivoire ary Comores.
Ny fisafoana ny andian-tafika no nanokafana ny fotoana, izay nataon’Andriamatoa Jeneraly, Komandin’i Akademia Miaramila.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-Pirenena, ny Jeneraly BAMA Marima niaraka tamin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, ary ny Jeneraly Komandin’ny Fari-Piarovana sy Filaminana Tsiafajavona.
Taorian’ny firedonana ny hiram-pirenena dia naseho teo ambany faneva ity andiany mivantana faha 48 ity, rehefa niezaka sy nilofo mandritra ny fiofana ara-teknika fototra maha-miaramila na ny FETTA (Formation Elémentaire Technique des Toutes Armes), ary koa naharitra ny fitaizàna niandraiketan’ireo zokiny ka nahatontosa izany antsakany sy andavany.
Lanonana miavaka teo ambany fitarihin’Andriamatoa Jeneraly RATSARAHEVITRA Andriamisetra, Komandin’i Akademia Miaramila.
Ny matso notarihin’ny Lehiben’ny Sampan-draharaha fanofanana sy Fiofanana, narahin’ireo Manamboninahitra mpanabe sy ireo mpianatra ho manamboninahitra manaraka fiofanana ato am’ny Akademia Miaramila: Andiany mivantana faha 47, faha 48, ary ny andiany Iraisam-piadiana faha 22 no nanakatonana ny lanonana ara-miaramila.
Taorian’ny lanonana ara-miaramila dia nitsidika ny toerana hanaovana asa fanorenana trano fanampiny hipetrahan’ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Akademia Miaramila ireo Manampahefana.
Taorian’izay dia nisy ny fampisehoana fahaiza-manao ara-miaramila nataon’ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny andiany mivantana faha-48.