20/09/2026
TE HIDITRA AMIN'NY SEHATRY NY FAMBOLENA AMIN'ITY TAONA ITY VE IANAO?
Maro ny olona te hanomboka fambolena, saingy matetika ny fanontaniana voalohany dia hoe: “Inona no hamboleko?”
👉 Raha te hahomby ianao, aza manomboka amin'ny fividianana masomboly fotsiny. Manomboha amin'ny PLANINA.
Ireto misy zavatra tokony hoeritreretinao voalohany:
1. Farito ny tanjonao
Te hamokatra hohanina ve ianao sa te hivarotra? Ny tanjonao no hamaritra ny safidinao.
2. Fantaro ny taninao
Jereo ny karazan-tany, ny fahazoana rano, ny toetr'andro ary ireo voly mety amin'ilay toerana.
3. Fantaro ny tsena
Alohan'ny hambolena dia anontanio ny tenanao hoe: iza no hividy ny vokatra? Aiza no hivarotana azy?
4. Ataovy ny kajy
Fantaro mialoha ny vola ilaina amin'ny masomboly, zezika, asa, fanondrahana, fitaterana ary fandaniana hafa.
5. Misafidiana masomboly tsara
Ny vokatra tsara dia manomboka amin'ny fitaovana fambolena tsara, indrindra ny masomboly.
6. Mianara aloha
Raha vao manomboka ianao, aza misalasala mitady torohevitra sy fiofanana. Ny fahalalana dia mampihena ny fahadisoana sy ny fandaniana tsy ilaina.
7. Manaova programme de culture
Farito mialoha ny fotoana hamafazana, hambolena, hikolokoloana ary hijinjana.
❌ Tsarovy:
Tsy ny fananana tany be no mahatonga ny fambolena hahomby, fa ny fananana PLANINA mazava, fahalalana ary fitantanana tsara.
Saison culturale vaovao = fotoana vaovao hanombohana.
👉 Te hanomboka fambolena amin'ity taona ity ve ianao?
Araho hatrany ny Fermagri Mikolo, fa mbola hozarainay aminao tsikelikely ireo toro-hevitra ilaina ho an'izay te hiditra amin'ny sehatry ny fambolena.
Mandroso miaraka no Tanjona 🤗