26/08/2022
JESOSY KRISTY FAHAZAVAN'IZAO TONTOLO IZAO
Izao tontolo hita maso,misy antsika izao dia tontolo nohamaizinin'ny Devoly,nohamaizinina satria ny nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao dia tsara indrindra(Genesisy 1:31); ary mbola nisy ny Voninahitr'Andriamanitra teto amin'izao tontolo izao,fa fony mbola tsy nanota ny olombelona dia afaka nifandray mivantana tamin'Andriamanitra ,eny ; Jehovah Andriamanitra Ray mihitsy no nidina ho naman'ny olona (Adama sy Eva). Fa rehefa tonga tokoa ilay maizina (Devoly naka endrika menarana) dia nampita ny haizina ho eto amin'izao tontolo izao izy,ka tonga maizina izao tontolo izao satria dia nanaiky handray izany fahamaizinana izany ny olona (Gen 3).
«Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona [5] ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray Azy» Jaona 1:4-5
💢Vokatry ny fandavan'ny olona (Adama sy Eva) ny didin'Andriamanitra sy nanekeny kosa ny Devoly dia tonga ny fahoriana rehetra teto amin'izao tontolo izao,ary lasa ny voninahitr'Andriamanitra ka ny devoly sy ny ota no lasa mpanapaka izao tontolo izao!
«fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra» Romana 3:23
💢Vokatry ny fandavan'ny olona ny Mazava dia tonga maizina izao tontolo izao,ary tena hanjakan'ny fahamaizinana mihitsy!
«fa indro ny aizina manarona ny tany,ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah,ary aminao no isehoan'i Jehovah»Isaia 60:2
🔥 Tonga teto amin'izao tontolo izao Jesosy Kristy mba hamonjy izao tontolo izao amin'ny aizina ary Izy mihitsy no ilay Mazava izay mahazava izao tontolo izao; hoy Izy: «Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina ;fa hanana ny fahazavan'aina»Jaona 8:12
💢Maty nanolotra ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana ilay Mazava mba hanaisotra ny maizina ao anatin'ny olona rehetra izay mandray Azy! «fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra ,dia izay