English Perfection Course - E.P.C

English Perfection Course - E.P.C

Share

This page aims to help people improve their English language skills.

14/03/2021

🤣LOL🤣

👉 LOL dia midika hoe “laugh out loud” na “laughing out loud” izany hoe 😂 “ mahalatsaka na mahatsikaiky be” fa tsy “lots of love” na “am-pitiavana be” 😁. Voambolana fampiasan’ny zatovo ny “LOL” rehefa misy zavatra mampihomehy na mahalatsaka be. Hita matetika amin’ny 💬 resadresaka ifakalozana 📝 izy io, indrindra fa amin’ny tambajotra sosialy 📱.

e.g.:
A: Tena tsy nahazo bus ah’, de tara tany am-pianarana.
B: Tena mba mahalatsaka koa zany, 😂 lol lol lol 😁

👉 FANAMARIHANA:
• Tsy dia tsara ampiasana ity voambolana “LOL” ity any amin’ny toearam-piasana, any an-tsekoly ary rehefa miresaka amin’ny olona tsy dia mifanerasera aminao.
• Ny “Haha” dia azo asolo ny ny LOL.
____________________________________
👉 LOL stands for “laugh out loud” or “laughing out loud”, not “lots of love”. It is a slang term used when something is really 😂 funny or amusing 😁. LOL is mostly seen in online conversations like texts 💬, chats 📝, and on social media 📱.

e.g.:
A: I missed the bus, so I was late at school.
B: OMG, that’s funny, 😂 lol lol lol 😁

👉 NOTE:
• LOL shouldn’t be used at the workplace and school with people that you don’t know well.
• “Haha” is an alternative of LOL.

13/03/2021

❤️CRUSH❤️

👉 Maro ny azo andikana ny teny hoe “CRUSH”:

• CRUSH AMIN’NY LAFIN’NY ❤ FITIAVANA 💕
👉 Ilazana fitiavana latsa-paka amin’ny olona iray na koa fitsiriritana 😍 olona iray 💘.

Oh.:
• Tena bôgôsy i Michael, ary maro ny tovovavy tara aminy.
• Tara tamin’ny mpiara-mianatra tamiko ah’ tam’zah tany amin’ny lisea.

• CRUSH MIDIKA HOE MAMAKY NA MITOTO
👉 Mamaky zavatra iray (manimba/mamotika) na mitoto zavatra (mafy) iray

Oh.:
• Novakian’ny zandriko lahy ilay tavoahangy.
• Aza adinoina ny manisy tongolo gasy voatoto ao amin’io 🍜 sakafo io hampatsiro azy 😝.

• CRUSH MIDIAKA HOE MAHARESY
👉 Mandresy olona na zavatra iray

Oh.: ⚽ Resin’ny PSG 4 noho 1 ny FC Barcelone ny 16 Febroary 2021.

• CRUSH MIFIKA HOE MAHAKIVY
👉 Ilazana hoe “kivy” 😥, “ketraka” 😞, “diso fanantenana” 💔 na “malahelo be” 😭

Oh.: Tena kivy tanteraka i Jim rehefa tsy afaka tamin’ny fanadinana taranja frantsay.
____________________________________
👉 The word “CRUSH” has multiple meanings or polysemous:

• CRUSH IN THE SENSE OF ❤ LOVE 💕
👉 An intense feeling of love and admiration 😍 for someone 💘
→ have a crush on someone

e.g.:
• Michael is a very handsome boy, and many girls have a crush on him.
• I used to have a crush on my classmate when I was in High-school.

• CRUSH IN THE SENSE OF BREAK OR GRIND
👉 To break something into tiny pieces or to grind something into a powder

e.g.:
• My little brother crushed the bottle.
• Don’t forget to add a piece of crushed garlic to make this 🍜 dish tasty 😝.

• CRUSH IN THE SENSE OF DEFEAT
👉 To defeat someone or something

e.g.: ⚽ PSG crushed FC Barcelona by 4 to 1 on February 16, 2021.

• CRUSH IN THE SENSE OF DEMORALIZE
👉 To be heartbroken 💔 or upset 😥

e.g.: Jim was crushed when he failed his French exam.

07/03/2021

« BAE »

👉 Ny "Bae" fanafohizana ny hoe "before anyone else" izay midika hoe “mialohan’ny olona hafa”.

👉 Fanafohizana ny hoe “baby”, “babe” na “malala”.

👉 Ny "Bae" dia entina hilazana ny:
• sipa
• vady
• olon-tiana
• olona mahatara
• zanaka
• malala

👉 Izany hoe entina hilazana « olona iray tena manan-danja be amin’ny fiainan’ny olona iray » io fanafohizan-teny io.

Ohatra: A: Salama, inona no vaovao?
B: Salama, tena faly be ah’! Vao nanapaka ny datin’ny mariazinay zah’ sy Bae!

06/03/2021

WHAT'S UP?

👉 Ny “What’s up?” dia tena ampisain’ireo olona miteny anglisy maneran-tany hanontaniana ny hoe: “Fa misy inona?”, “Inona ny vaovao/maresaka/malaza?” na hoe: “Fa inona no mahalasa saina anao?”.

Ohatra: A: Salama Rova, inona ny vaovao?
B: Tsy misy vaovao ah! Any aminao any?
A: ‘zah vao nividy finday vaovao.
--------------------------------------
👉“What’s up?” is commonly used by native English speakers around the world to ask “What’s happening?”, “What’s new?” or “What’s worrying you?”.
👉

e.g.: A: Hey, Rova, what’s up?
B: Oh, nothing much! What about you?
A: I’ve just bought a new phone.

19/02/2021

👉 Always do good 💕.👼 It will come back 🌠 to you in unexpected ways 😇.
****************************************
👉 Manaova ny soa hatrany 💕.👼 Hiverina 🌠 aminao amin’ny fomba tsy ampoizina izany 😇.

19/02/2021

Hello guys🙋! Today, we're going to learn the 👉“Basic greetings”👈 in English🇬🇧🇺🇸. Hope you all enjoy it😊.
Don't forget to like 👍❤ and comment!
*************************************
Miarahaba ny rehetra 🙋! Androany isika dia hianatra ireo 👉“Fomba fifampiarahabana”👈 amin’ny fiteny anglisy 🇬🇧🇺🇸. Manantena aho fa ho tianareo izy ity😊.
Aza adinoina ny manisy “J’aime”👍❤ sy “Commentaires”!

14/02/2021

Happy Valentine's Day to all of you!😍😘

Want your school to be the top-listed School/college in Antsirabe?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Antsirabe