Ajipad Éducation et Management

Ajipad Éducation et Management

Share

Entrepreneuriat de soi / Leadership / Séminaire de développement personnel / Conférence leitmotiv / A.Academy Madagascar / Entrepreneuriat rural

Photos from Ajipad Éducation et Management's post 13/05/2023

No Mégot Ambositra

Tanoa 26 isa mpikambana ao @ AJIPAD no nanatanteraka ny fitsimponana bôrkan-tsigara teny @ arabe tao Ambositra Atapotanàna androany asabotsy 13 my 2023.

Niainga teny Madiolahatra, dia nandalo Gare Routière, niakatra Ampivarotanomby, nandeha Andrefatsena, nisy nanaraka RN7, Alakamisy ary nihodina tena ambanin'ny Hôpitaly, niverina tao Antaponivinany niafaràna.

Bôrkan-tsigara niisa 9 950 no votsipona tao anatin'ny 2 ora sy sasany. Izany hoe rano fisotro madio 4 975 000 litatra no voaaro tsy ho poizinin'ireo bôrka ireo. Raha 60 litatra isan-tokatrano ny fandaniana rano ao Atapotanàna dia efa rano ampiasain'ny tokatrano 8 000 isa ao anatin’ny 10 andro no voaaro amin'io bôrkan-tsigara 9 950 isa io.

Mankasitraka betsaka ny mpitarika sy ny mpanatanteraka e.

ONG Ajipad Éducation et Management MG
ONG Ajipad Pôle investissements MG
AJIPAD - Mandraharaha sy miara-mientana MG
Fondation Fivoarana Sahaza MG
Fondation Terra Futura CH

01/01/2023
08/05/2021

MIFAMPITSIMBINA SY MIFAMPIARO

Isaorana ny Filohan'ny Synoda SPAM,
Mankasitraka ny vadin'i Talen'ny Hôpitaly
.. noho ny fiaraha-miasa.

Tompon-kevitra sy mpanatanteraka ny fanaovana désinfection sy famendrahana fanafody faobe tao @ Hopitaly Loterana Andranomadio - Antsirabe sy ny Biraon'ny Sinoda SPAM - Antsirabe ny atalata sy alarobia 04-05.05.2021 ny Fikambanana Ajipad Pôle investissements, Ajipad Éducation et Management

Tononina manokana Atoa Talen'ny Hôpitaly Dr. Rasamimanana Harison fifampitsinjovana ara-pahasalamana ity.

AJIPAD - Mandraharaha sy miara-mientana

08/10/2020

☺️☺️☺️Mila fahaiza-manao ny fanirahana sy ny fitsinjarana asa☺️☺️☺️
⚠️⚠️⚠️Tsy izay manana tanàna sy tongotra rehetra dia azonao hirahana sy homena ASA daholo⚠️⚠️⚠️
Ny asa rehetra dia mila olona manana fahalàlana sy fahatakarana mifanaraka aminy:
⛔Takany ve?⛔ Hainy ve?⛔ Azony ve? ⛔Ampy ve ny fotoana anànany??? ⛔Azony atao ve?⛔Liana sy vonona ve izy? ⛔Mifanaraka @ taonàny ve?⛔ Eken'ny lalàna ve???
👉Mila fantarina ny fotom-pisainany
👉Mila fantarina ny marim-pahaizany
👉Indrindra indrindra ny fahavononany sy ny finiavany
👉Mila hazavainao tsara ny zavatra ilainao
Ny vokatra andrasanao
👉Ny fotoana homenao hanaovana azy
👌REHEFA vita ny fanazavana nataonao dia asio andraman'ilay olona averina hazavaina aminao ny fazahoany azy, asio manao fanandramana izy miaraka aminao aloha, dia rehefa hainy dia asio manao irery izy amim-pahalalahana fa aza tsikilovina,
⚠️⚠️⚠️KANEFA!!! 🙏 Ampahafantaro azy fa vonona sy manam-potoana ianao hamaly ny fanotaniany raha misy fanazavana fanampiny ilainy👍👍👍
👌REHEFA vita ny asa dia aza hadino ny mijery ny vita miaraka aminy, raha misy tsy mety dia anotanio azy amimpitoniana hoe inona no tsy azony tsara dia azavao INDRAY ( 1-2-3)
👍👍👍Raha mety kosa dia omeo dera izy ankasitrao fa ny fahaizana mankasitraka dia mahatonga ny olona hazoto ary hanome ny tsara ho anao rahampitso,
🧑REHEFA maniraka dia mila Tony tsara, mazava tsara fa sady tsy maimaika no tsy mikitakita,
👍👍👍Ary ny fanaovanao ireo fampianarana sy fanaraha-maso ireo dia tsy faty antoka na fotoana very fa hanananao olona mahatoky any aoriana,
⛔⛔⛔Tadidio fa raha maniraka ianao dia tsy midika izay hoe afaka adidy fa raha tsy mety ny zavatra nataon'ilay olona noho ny tsy fampianaranao sy ny tsy fanadihadianao tany amboalohany dia ianao ihany no tompon'andraikitra voalohany, ny asa no no zaraina fa tsy ny andraikitra,
💥💥💥Farany ho antsika RAR, Dadatoa, Nenitoa fadio ny maniraka Zaza tsy ampy taona hividy sigara, handrehatra sigara, hividy toaka, famporisiana azy ireo ankolaka hisotro sy hifoka👽👽👽
☠️☠️☠️LOZA HO ANY TSY MIFOKA SIGARA NY FIFOHANA AN-TRANO SATRIA MANIMBA TANTERAKA NY HAVOKAVOK'IZY IREO☠️☠️☠️AROVY NY ZANANTSIKA TSY MANINONA NA ATAON'OLONA FA SAROTINY AZA, IZA NO HIARO AZY IREO RAHA TSY ISIKA RAR IHANY❤️❤️❤️

Milay ianareo❤️❤️❤️ ZARAZARAO RAHA SITRAKAREO

Photos from Vivih Déco Créa's post 04/10/2020
17/08/2020
Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Address


A
Antananarivo
101