Malagasy Musicians - Kolontsaina Mozika

Malagasy Musicians - Kolontsaina Mozika

Share

Nous enseignons la guitare moderne (acoustique, électrique, basse), kabosy, ukulele, travail des cordes vocales. Mampianatra amin'ny fiteny malagasy.

Appelez au 0341515920 pour un cours particulier, à Ankatso ou à domicile. We also provide courses in English language. Vous souhaitez :

Vous initier à la guitare moderne : acoustique, électrique ou amplifiée
Acquérir les bases de la pratique musicale

Ajouter à votre jeu de guitare les techniques et offerts par l'amplification
Travailler des genres musicaux en particulier (blues, rock, funk,...)

09/07/2020

Rehefa mianatra gammes ianao, mety hitady hitsin-dàlana, ohatra
Majeur : Do Re Mi Fa Sol La Si Do
mineur : La Si Do Re Mi Fa Sol La

Tsy ho tsapanao ny mampiavaka ireo gammes ireo satria ny Do Majeur (C) sy La mineur (Am) dia tons relatifs, izany hoe mitovy daholo ny notes ao aminy.
Raha piano eto dia touches fotsy, raha guitare dia mitovy ny accords voatsangana* avy amin'ny notes-n'ilay gamme.

Aleo aza mizara roa ny fianarana azy :
- Do Majeur
sy Do mineur : Do Re Mib Fa Sol Lab Sib
- La Majeur sy La mineur

Eto dia ilay Mi (tierce majeure) miova ho Mi bémol (Mib, tierce mineure) no important, mahatonga azy lasa antsoina hoe Do mineur.** Ny Bémol (na Dièse) hafa anatin'ny gamme no mitondra ny Modes.

Ny fahafantaranao hoe notes aiza no niova*** no ahenoanao ny fiantraikany amin'ny sofinao.
Ny fahazarana azo avy ao no ahalalanao ny toetra (consonance, dissonance) sy fihetseham-po entin'ireo intervalles** sy accords.

* Ny accord dia fanambàrana (addition) intervalles roa na maromaro, ohatra tierce(Do-Mi) +quinte(Do-Sol).
Ho azavaintsika miandàlana…

** Ny intervalle dia elanelana voarefy amin'ny Notes roa : Do-Mi, Re-Fa, Do-Sol, Do-Si…
Io intervalle io dia voarefintsika amin'ny sofina (feo miakatra, feo midina), hita maso raha mitendry instrument na mamaky partition.
Ny anarany dia avy amin'ny fanisana ny notes manelanelana ireo notes roa, ohatra raha Do no tonalité (key/root) :
Do(1) miampy (+)
Do(1) Unisson (feo roa mitovy note)
Re(2) Seconde
Mi(3) Tierce majeure, Mib (b3) mineure
Fa(4) Quarte
Sol(5) Quinte
La(6) Sixte
Si(7e Majeur / M7), Sib (7 / 7e mineure)
Do(8) Octave
Re(9e) Mi(10e) Fa(11e) Sol(12e) La(13e)
Afaka miakatra ny fanisana intervalle, nefa afaka midina koa (fantaro ny renversements).

*** touches mainty (piano), ny endrik'ilay accord ampitahaina raha guitare / basse na rehefa instruments à cordes

17/02/2020

Maro be ny dingana lalovina rehefa hianatra hira iray.

Raha avy amin'ny écoute (audio) dia mila averimberina henoina mba ho hay sy tadidy ny mélodie.
Rehefa vitanao ny mihira ny mélodie dia vetivety kokoa ny mitady ny notes.
Rehefa hitanao ny notes dia tadiavo ny doigté mety amin'ny tananao sy tsy manahirana anao.
Eo vao afaka mampitombo ny tempo (vitesse) tsikelikely.

Raha mampiasa partition (solfège, tablature) kosa, dia averimbereno ny mesures vitsivitsy mandrapahazoanao antsaina ny mélodie.
Mety mila manakaiky ny tempo normal vao ho tsapanao izany mélodie izany.

Rehefa tsapanao fa miha-zatra, avereno henoina ny nuances ataon'ny mpitendry (audio) na ny voasoratra (partition).

Rehefa tsy mihenjana intsony ny tananao mitendry vao azo lazaina fa vitanao ilay hira.

Mazotoa mamerina fa io no tena mahomby.

10/12/2019

Afaka omena anao daholo ny notes, accords, ny rudiments rythmiques sy ny gammes rehetra, mbola akora fotsiny ireo, toy ny briques sy vato tsy mety lany.
Anjaranao ny manangana ny mozika amin'ny endriny mety aminao, fotoana sy finiavana no simenitra.
Ny sofina no fitaovana tsara indrindra, accessoires fotsiny ny maso.
Écoute vao tablature, henoina tsara ny feon'ny intervalles fa tsy maika ho matoky izay asehon'ny accordeur
Ny ratsan-tananao no mitadidy rehefa omenao azy ny finiavana.
Koa mazotoa mikaroka raha te hahay, averimbereno, folaho, asio variations, accents, silences.

06/02/2019

Ny mikaroka no mampahay mozika kokoa fa tsy ny tolorana, mila au diapason tsara fotsiny ny instrument-nao.

Mora hay tendrena ilay mozika efa voasoratra sy vakiana, saingy mitoetra kokoa rehefa notadiavina sy nohenoina.

Ampianarina ny mamaky mozika fa ampianarina koa ny mihaino sy mikaroka ary manoratra.

19/10/2017

J-5
concert KatZenJam!
entrée LIBRRR!

15/01/2017

Les cours individuels sont personnalisés, adaptés à votre niveau et vos défauts, et surtout au style de musique que vous voulez étudier.

Tsy ny isa ny séances no henjehina amin'ny fampianarana fa ny fahazotoana sy ny kali-tao. Noho izany, ho kaliana sy kajiana mba hifanandrify amin'ny fahalalana tadiavinao amin'ny mozika ny fampianarana sy toro làlana ho raisinao.



Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


VA42S Tsiadana, Route De L'université
Antananarivo
101