Islam Da'wa

Islam Da'wa

Share

Madagascar

19/03/2026

Eid moubaraka !!
Rahampitso 20 Mars 2026 izay mifanaraka amin’ny 01 Shawal 1447 no fety ny Eid al fitre

Mirary fety sambatra sy feno fahasoavana ho antsika rehetra !!

25/02/2026

Arovy ary omeo vahaolana ireo traboina manerana ny Madagasikara ô ALLAH !

22/02/2026

Nandritra ny “Lancement officiel des activités de préparation à la réinsertion sociale 2026”
Maison Centrale d’Antanimora (Fonja Antanimora),

Nandray anjara tamin’izany ny Fikambanana AHAD, izay nisolo tena ny fivondronamben’ny Miozolomana eto Madagasikara.

Eto izahay dia manao antso avo amin’ireo fikambanana islamika eto Madagasikara, izay misehatra amin’ny lafiny fampianarana ara-pinoana, sosialy ary fanofanana arak’asa, mba hifanome tanana amin’ny fanomanana sy famerenana ireo voafonja ho tafiditra indray ao anatin’ny fiarahamonina.

Nanorina mosquée sy fotodrafitrasa hafa ao anatin’ny fonja ny Fikambanana AHAD, ka manentana antsika rehetra hifanome tanana hatrany amin’ny fanohanana.

22/02/2026

Fambolen-kazon’ny Miozilmanina taona 2026
Rassemblement vert
Izay nokarakarain’ny Fikambanana AHAD - Association Humanitaire Agit pour le Développement

20/02/2026

📘 FAMOAHANA BOKIKELY VAOVAO – ISLAM DA’WA MADAGASCAR

Faly mampahafantatra antsika rehetra fa hivoaka ato ato ny bokikely mitondra ny lohateny hoe “Mahakasika ny Finoana Islam”, izay novokarin’ny fikambanana Islam Da’wa Madagascar.

Ity bokikely ity dia natao hanamorana ny fampahafantarana ny finoana Islam amin’ny mpiarabelona sy mpiray tanindrazana 🇲🇬.

Ny tanjona amin’izao famoahana izao dia :

Hampiely fahalalana marina momba ny Islam

Hanamafy ny fifankahazoana sy ny fihavanana

Hanampy amin’ny asa ny da’wa amin’ny fomba milamina sy mihaja

Manantena izahay fa ho fitaovana mahasoa ho an’ny tsirairay ity bokikely ity, ary hitondra anjara biriky amin’ny fananganana fiaraha-monina mifototra amin’ny fahalalana sy fifanajana.

📖 Ho avy tsy ho ela… Araho hatrany ny pejy ofisialy raha mila fanazavana fanampiny.

18/02/2026

🌅 Dou‘a au moment de l’iftar

> عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ:
كَانَ رَسُولُ اللَّهِ ﷺ إِذَا أَفْطَرَ قَالَ:
ذَهَبَ الظَّمَأُ وَابْتَلَّتِ الْعُرُوقُ وَثَبَتَ الأَجْرُ إِنْ شَاءَ اللَّهُ

Translittération doah:

" Dhahaba adh-dhama’u wabtallati-l-‘urûq wa thabata-l-ajru in shâ Allah."

Traduction :
D’après ‘Abdullah ibn ‘Umar (qu’Allah les agrée),
le Messager d’Allah ﷺ, lorsqu’il rompait son jeûne, disait :

« La soif est partie, les veines sont irriguées et la récompense est assurée, si Allah le veut. »

17/02/2026

Manomboka rahampitso 18-02-26 ny andro voalohany amin’ny volana Ramadan 1447/2026

Ramadany Moubaraka !!

Photos from Islam Da'wa's post 08/02/2026

Tontosa androany 08/02/2026 ny hetsika Fambolen-kazon’ny Miozolmanina tia tanindrazana.

Zanakazo miisa 2 500 no novolena, nahitana hazo ala sy hazo fihinam-boa isan-karazany.

Nanamarika manokana ity hetsika ity ny fahavitrihan’ireo tanora maro tonga nandray anjara, naneho ny fahavononan’izy ireo hiaro sy hanatsara ny tontolo iainana.

01/02/2026

RAMADAN!!
Andro vitsivitsy sisa !!

🤲

24/01/2026

🌱 MAMBOLY HAZO, MAMBOLY FIAINANA
🌍 Planter des arbres, c’est semer la vie

📅 Dimanche 08 février 2026
📍 Manandriana – Fokontany Ambohipananina (RN3 vers Sabotsinamehana) Antananarivo

Maps: https://maps.app.goo.gl/y1qKKZyLvY7sEjks9

🤲 Initiative citoyenne de musulmans engagés et patriotes pour la protection de l’environnement et l’avenir des générations futures.

✨ Activités prévues :

🚶‍♂️ Randonnée

🌳 Plantation d’arbres

♻️ Sensibilisation environnementale

🤝 En partenariat avec ZAWADI & AHAD
📞 Infos : 034 42 709 00

👉 Participez, plantez un arbre et laissez une trace utile pour demain. 🌱🌍

03/01/2026

FANAMBARANA OFISIALY

Mikasika ny fanavaozana ny Fikambanana Islam Da’wa Madagasikara

Ry rahalahy sy anabavy hajaina,

Ny fikambanana Islam Da’wa, izay naorina tamin’ny taona 2017, dia miditra amin’ny dingana vaovao eo amin’ny fampandrosoana sy ny fanavaozana. Ny tanjonay dia ny hamelona sy hanavao indray ny hetsika ataonay, mba hampiely ny finoana Islamo amin’ny fomba feno fahalalana, fahendrena, saina misokatra ary fifanajana.

Amin’izany dia miantso sy manasa ireo rehetra liana sy vonona hitondra ny anjara birikiny izahay, indrindra fa:

mpikaroka sy mpandinika,

mpahay tantara,

manam-pahaizana ara-pinoana (teolojiana),

tanora sy teknisiana,

ary izay rehetra manana vina mitovy amin’ny fampiroboroboana ny Islamo ao anatin’ny fiarahamonina mirindra, manaiky ny fahasamihafana ary miorina amin’ny fifanajana.

Ny tanjonay dia ny hamorona sehatra iombonana ahafahana mampita sy manazava ny finoana Islamo amin’ny fomba mendrika mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny.

Ho fanamorana ny fifandraisana sy ny fandrindrana ny hetsika, dia napetraka ny vondrona WhatsApp iray (rohy etsy ambany). Manasa anareo izahay hiara-hiasa amin’ireo tetikasa isan-karazany, toy ny:

famoahana boky sy bokikely,

asa sy fandaharan’asa amin’ny tambajotra sosialy,

fampielezam-peo sy fahitalavitra,

ary sehatra hafa ho fampiroboroboana ny Da’wa.

Manantena izahay fa ho maro ianareo no hiara-dalana amin’ity dià ara-tsaina sy ara-panahy ity,
In shā’ Allāh.

https://chat.whatsapp.com/JGUfpWABXPD6B5JYd5A847

03/01/2026

́Annonce pour la Redynamisation de l’Association Islam Da’wa Madagascar

Chers frères et sœurs,
L’association Islam Da’wa, fondée en 2017, entame une nouvelle étape de son parcours. Notre objectif est de réactiver nos activités en constituant une équipe renouvelée et en lançant de nouveaux projets dédiés à la diffusion de l’islam dans un esprit de tolérance, de sagesse intellectuelle et de respect mutuel.

Nous lançons un appel à toutes les personnes désireuses de contribuer à une meilleure compréhension intellectuelle de l’islam : penseurs, historiens, théologiens, spécialistes des religions comparées, jeunes techniciens, et tous ceux qui partagent notre vision du vivre-ensemble. Nous souhaitons offrir un cadre où l’islam peut être transmis avec ouverture d’esprit et profondeur intellectuelle.

Un groupe WhatsApp sera mis en place pour coordonner nos efforts et échanger nos idées. Nous vous invitons à nous rejoindre pour participer à des initiatives variées : publications de livres et brochures, communication sur les réseaux sociaux, interventions radio et télévisées.

Nous espérons que vous serez nombreux à vous engager dans cette aventure intellectuelle et spirituelle, insha’Allah.

https://chat.whatsapp.com/JGUfpWABXPD6B5JYd5A847

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Address


Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 12:00
14:00 - 17:30
Tuesday 08:30 - 12:00
14:00 - 17:30
Wednesday 08:30 - 12:00
14:00 - 17:30
Thursday 08:30 - 12:00
14:00 - 17:30