Sekoly soa ahiratra

Sekoly soa ahiratra

Share

FAMARITANA:
Ny fanampim-pampianarana « SOA AHIRATRA » dia :
*Manolotra fanofanana amin’ny fomba tsotra, milamina, kanto indrindra, mikasika ny fomba hahai

08/11/2014

Manao ahoana daholo isika rehetra?Mino izahay fa salama tsara ianareo.Ho an' izay manaraka ny mikasika ny fampianarana eto amin'ny SEKOLY SOA AHIRATRA, dia hitanao ao amin'ny "Pejy faharoa ao amin'ny gazaty JEJOO" anio sabotsy 08 novambra 2014, ny andinidiny rehetra tsara ho fantatra.Mirary tontolo soa antsika rehetra!

07/11/2014

Miarahaba antsika rehetra tompoko! Ho antsika manaraka akaiky ny momban'ny SEKOLY SOA AHIRATRA dia entanina hamaky gazety "TIA TANINDRAZANA" ny sabotsy 08 novambra 2014 izao.Misaotra indrindra tompoko dia mirary soa feno anareo izahay!

07/11/2014

« IRAFETAKO SY AELIKO NY TENIKO, NY FOMBAKO, NY KANTOKO. »

FAMARITANA:
Ny fanampim-pampianarana « SOA AHIRATRA » dia :
*Manolotra fanofanana amin’ny fomba tsotra, milamina, kanto indrindra, mikasika ny fomba hahaizana miresaka amin’ny fiteny Malagasy ofisialy ranofotsiny araka ny mari-pahaizana ananana.
*Mampitombo ihany koa ny fahalalana ny maha Malagasy toy ny riba, literatiora, fitsipika……
TOERANA: ANKADIFOTSY BEFELATANANA (misy fanoroan-toerana ao ambadika)
Ambaratonga dimy (06) ny sokajy hofanina amin’izany:
1) SOKAJY MANDADY (S1)
Natokana ho an’ireo manana fahaizana mifadanja amin’ny fanabeazana fototra
2) SOKAJY MIANA-MITSANGANA (S2)
Natokana ho an’ireo manana fahaizana mifadanja amin’ny SAFF : Sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra, dingana voalohany (kilasy fahenina)
3) SOKAJY TALAKY MANDEHA (S3)
Natokana ho an’ireo manana fahaizana mifadanja amin’ny SAFF : Sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra, dingana voalohany (kilasy fahadimy)
4) SOKAJY MANDEHA (S4)
Natokana ho an’ireo manana fahaizana mifadanja amin’ny SAFF : Sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra, dingana faharoa (kilasy fahefatra sy fahatelo)
5) SOKAJY MIHAZAKAZAKA (S5)
Natokana ho an’ireo manana fari-pahaizana mifadanja amin’ny SAFF: Sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra,dingana Faharoa( kilasy faharoa, voalohany, famaranana).
6) SOKAJY MIARA-DIA (S6)
Natokana ho an’ireo vahiny monina sy mizaha tany.

FIHAONANA:
Anatin’ny adiny iray sy sasany, indroa isan-kerinandro, mandritry ny telo volana, araka ny sokajy
FOTOANA:
-Isan’andro , manomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma
-Sabotsy manontolo
FISORATANA ANARANA:
Araka ny filan’ny mpanjifa fa ny fanombohany dia ny 15 septambra 2014
FIDIRANA:
Manomboka ny 06 Oktobra 2014
FILAN-KEVITRA:
Finday laharana : -033 14 883 17
-034 99 736 83
-032 60 414 96
« HISY NY FANAMARINAM-PAHAIZANA OMENA AORIAN’NY FIANARANA NA FIOFANANA REHETRA »
FANOROAN-TOERANA:
VAVAHADY MAINTY

« NY MAHA-MALAGASY : TOY NY VOLAMENA LATSAKA AM-BOVOKA KA TSY NAVELAN’NY TARANY TSY HAMIRATRA

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Soa Ahiratra
Antananarivo
101