Zanaky ny mazava

Zanaky ny mazava

Share

épée de l'esprit Jesus Christ Roi des rois

02/06/2026

NY BIBY MALOTO (7)

Fa oviana tokoa moa no nanadiovan'Andriamanitra an'ireo biby maloto izay voalaza any amin'ny Lev 11 sy ny Deo 14 ireo?

Tsy nisy hoe fotoana manokana nanadiovana an'ireo biby ireo fa napetraka amin'ny maha lalàna ara-pivavahana azy fotsiny ny fifadiana azy ireo tany amin'ny fanekena taloha .Averimberina eto foana fa tsy noho ny fomba fiainany na ny ara-batany na manana olana manokana ara-tsiansa no mahatonga azy maloto (impure) fa napetraka ho maloto fotsiny ireo teo amin'ny lafiny ara-pivavahana.Rehefa tonga anefa i Kristy dia tanteraka tao aminy avokoa ireo lalàna ara-pivavahana rehetra izay lazaina fa aloky ny zavatra ho avy (Kol 2,16).Araka ny fanambaran'i Paoly ao amin'io Kol 2,16 io ihany dia tsy tokony hotsaraina amin'io fihinanana io intsony isika izay iezahan'ireo legalista toherina fatratra izany fanambaran'i Paoly izany fa dia faly hitsaratsara fahatany fotsiny izy ireo fa tsy mitsara araka ny marina akory.

Ny fanekena taloha mantsy dia niorina tamin'ny fankatoavana ireo lalàna nomena ny zanak'Israely ireo, ary Andriamanitra dia efa nampanantena noho ny tsy fahombiazan'io fanekena io fa hisy fanekena vaovao izay ho ataony amin'ireo vahoakany (heb 9,15).Tamin'ny alalan'i Kristy no nanatanterahany io fanekena vaovao io ka ireo singa rehetra nilaina tamin'ny lalàna ara-pivavahana mba hanananan'ny olona fahamasinana hanantonana an'Andriamanitra ao amin'ny trano lay fihaonana (sorona,mpisorona,fanamasinana,ritoaly sns..)dia efa tanteraka ao amin'i Kristy avokoa.

- Izy no mpisorona be
-Izy koa no tena sorona tonga lafatra indrindra
-Ny tena trano lay dia any an-danitra fa tsy ety an-tany ary i Kristy no manao ny asam-pisoronana ho antsika ao

Lazain'i mpanoratra ny hebreo fa ao anatin'io fanekena vaovao io rehefa miova ny lalàna dia miova ihany koa ny fisoronana (Heb 7,12)ka nanomboka teo amin'io fanekena vaovao io dia tsy izay heverina fa maloto intsony no tena mampaloto ny olona fa napetraka fotsiny ireny noho ny hevitra samihafa fonosiny, fa rehefa tonga ny fotoana dia tsy misy intsony izany biby madio sy maloto izany ao amin'Andriamanitra. Raha mbola mipetraka izany ny hoe maloto ny biby tahaka izao ary mahatonga ny olona hahaloto eo anatrehan'Andriamanitra ka tsy azo hohanina sy kasihana ny fatiny dia tsy maintsy arahin'ny olona ihany koa ireo lalàna samihafa izay manodidina sy mifampitohy amin'ireo lalàna mahakasika ny biby maloto ireo ,tahaka ny lalàna ny amin'ny fiterahana,fadimbolana,fivoahan'ny tsirinaina,habokana.Tsy maintsy manaraka ireo ritoalim-panadiovana izy ireo raha sendra mahakasika biby maty ho azy,nefa raha fisasana no resahana dia tsy ny fisasana amin'ny rano akory no mampadio ny olona satria ny loto eo anatrehan'Andriamanitra dia manana hevitra lalindalina kokoa aty amin'ny fanekena vaovao araka ny voaresaka tao amin'ilay Marka 7,21 ka tsy midika inona intsony izany misasa amin'ny rano izany, ary manerana ny fanekena vaovao dia tsy misy nanao izany intsony noho ny fahatakarana izay efa nataon'Andriamanitra tao amin'i Kristy.Tsy misy trano lay fihaonana azonao anaovana fisoronana ary tsy misy mpisoroana afaka ny hikarakara ny fanatitra intsony ary indrindra fa ny mpisorona sy ny mpisorona be.

Na izany aza dia manana ny tandindony anefa ireny biby madio sy maloto ireny ,ka noheverina fa biby maloto ny jentilisa araka ny niheveran'i Petera azy (jereo ny fizarana teo aloha) noho izy ireo tsy ao antin'ny rafitra jodaisma.Izay miaina ao anatin'io fivavahana jodaisma io mantsy no madio satria efa nohamasinina noho ny fanarahany ireo lalàn'Andriamanitra izay nomena an'i Mosesy tamin'izany fotoana izany.Tsy afaka ny hisitraka io fahamasinana io mihitsy ny jentilisa na ireo jiosy tsy miaina amin'ny maha jiosy azy fa manana fiainana sinkretisma sy paganisma.Rehefa tonga i Kristy dia tsy ny fanarahana ireo lalàna mozaika intsony no mahatonga ny olona ho masina fa ny finoana ny asam-panavotana izay nataony, ka afaka ny hisitraka fahamasinana avy amin'izany izy ireo raha tena manana fiombonana aminy tanteraka tokoa rehefa nandalo fibebahana marina.Ny fahitana naseho an'i Petera araka izany dia manamarika fa tsy misy jiosy sy jentilisa intsony ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra fa afaka ny ho masina avokoa ny tsirairay rehefa nino an'i Kristy ka nandalo fibebahana marina:
"Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy." Gal 3,28.

*Ny tokony atao manoloana ny fandresen-dahatra ara-tsakafo:
Ny epistily izay nalefa ho an'ny Romana no tena mamaha ny olana misy momba ny fifandirana amin'ny resaka fifadiana sakafo.Tsara kokoa ny mamaky manontolo ny Romana 14 mba hahazoantsika tsara ny hafatra tian'i Paoly ampitaina.

Raha ny toe-java-misy tamin'ny fiangonana tao Roma no hazavaina dia nifangaro tao ny Jiosy sy ny Jentilisa .Tao anefa ireo Jiosy kristianina izay mbola fatra-pitana ny fitsipika ara-tsakafo sy andro masina avy amin’ny Lalàna.Ary tao kosa ireo Jentilisa kristiana izay nahatsapa fa malalaka tanteraka amin'ny fihinanana .Izany no niteraka fifandirana teo amin'ny roa tonta :dia ny amin'ny hoe iza marina no tena manao ny tsara?

Mazava anefa ny hafatra ampitain'i Paoly ao anatin'izany:

"ARY raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny. Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy. Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy izy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo, sady misaotra an’Andriamanitra koa izy. " Rom 14,1-6.

Sokajian'i Paoly ho roa karazana ireo olona tao anatin'io fiangonana io tamin'izany dia ny malemy finoana sy ny olona manana hahavo amin'ny finoana.Ny malemy finoana dia tsy iza akory fa ireo tsy mihinana afatsy zava-maniry ihany (végétalien).Ny hena tany Roma matetika dia efa natokana tamin’ny sampy na natao sorona tao amin’ny tempolin-tsampy, vao namidy eny an-tsena.
Noho izany,dia misy jiosy (izay mety mbola nifady biby maloto) sy jentilisa kristiana nilaza fa: “Raha nentina tamin'ny sampy ny hena , dia tsara kokoa ny tsy mihinana hena mihitsy.”Izany indrindra no resahin’i Paoly amin’ny 1 Korintiana 8 sy 10 koa.

Ka eto i Paoly dia nanafatra fa tsy tokony atao an-jorom-bala ny olona malemy finoana; ary tsy tokony hitsara ny mihinana ny tsy mihinana satria Andriamanitra no efa nandray azy.
Eo amin'ny and 10-13 izy dia milaza fa tsy tokony hitsara ny rahalahiny ny anankiray, fa samy hotsarain’Andriamanitra ary ny tokony atao dia ny tsy hanasiana fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy. Ilaina ny mandeha amin'ny fitiavana, ary ny fitiavana dia ny fitsinjovana ny hafa fa raha ny hanamavoina azy no tanjona dia efa tsy fitiavana intsony izany.
Ho an'ny legalista (ao anatin'izany ny kristiana sabatista izay fatra-panizingizina sasany)dia hotsarain'Andriamanitra ny amin'ny fitsarana ataon'ireo mihinana izy ary tsy ho afa-bela velively.Mazava ny hafatr'i Paoly fa: "fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany" Rom 14,14 ary koa : "Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafintohinana" Rom 14,20b.Koa aoka araka izany hipetraka amin'ny fandresen-dahatra ananany ny tsirairay fa raha te hifady ny ankilany dia aoka ho hohazominy samirery izany fa tsy tokony hanameloka ny hafa satria tsy misy biby maloto izany intsony,ary ny mihinana dia tokony tsy hanamavo na manome fanafitohinana ny tsy mihinana .

21/05/2026

NY BIBY MALOTO (6)

Ny fanambarana ao amin'ny Asan'ny apostoly mahakasika ny sakafo :

Nandritra ny konsily tany Jerosalema izay nataon'ny apostoly sy ny mpianatra dia nisy ny epistily izay nalefa ho an'ny jentilisa rehefa tapitra ny adihevitra ny amin'ireo zava-dehibe tokony ho fadiana dia ny :

-ny hena naterina amin'ny sampy
-ny ra
-ny zavatra kendaina
-ny fijangajangana

"Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia. Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,– dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin’i Barnabasy sy Paoly malalanay,lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika. Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy. Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo.’" Asa 15,24-29

Hitantsika eto fa raha heverina ho tokony fadiana marina ny biby maloto dia tsy maintsy notanisaina teto koa izany satria miteraka fahalotoana ho an'ny olona tany amin'ny fanekena taloha ,saingy efa tsy izany intsony no fipetrany ankehitriny.

Tsy hamelabelatra ny lohahevitra mahakasika ny teolojian'ny ra isika fa izay teboka manan-
danja ny amin'izany ihany no resahana kely eto. Raha ny soratra masina iray manontolo no
jerena dia fady tanteraka ny fihinanana ra:

- Hatrany alohan'ny lalàna no efa nifadiana ny ra fa tsy vao tamin'ny andro nanomezana ny
lalàna tamin'ny alalan'i Mosesy akory (Gen 9,4)
- Ary namafisina tsara izany rehefa tonga ny fotoana nanomezana ny lalàna (Lev 7,26-27;
17,10)
- Rarana koa ny biby nokendaina satria mbola ao anatiny ihany ny rany ka tokony ahidina
amin'ny tany izany (Lev 17,13)
- Taty amin'ny Konsily natao tao Jerosalema dia napetraka izay tena tokony hofadian'ny
jentilisa sy izay tokony hotandremany (Asa 15, 28-29)
- Mbola narahin'i Kristiana tsara ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny konsily tany Jerosalema 7 taona taty aoriana (Asa 21,25).

Ao anatin'ny ra no misy ny aina (âme), ary Andriamanitra irery ihany no tompon'ny aina ka
Izy no masi-mandidy ny amin'izany fa tsy isika, ary isany antony andrarana ny tsy fihinanana
ra izany. Izany no midika fa tsy hoe lasa miova tampoka akory ny lalàna aty amin'ny
fanekena vaovao. Ny fandatsahana ny ra ho amin'ny tany ary dia hetsika maneho ny
famerenana ilay aina ho any amin' Andriamanitra indray.

Toko vitsivitsy eo alohan'ilay tantara teo no nandraisan'i Petera ny fanambarana goavana mahakasika izany sakafo izany ao amin'ny Asa 10 izay tsara vakiana manontolo.

Teo amin'io tantara anankiray io no nandraisan'ny Apostoly ny fanambarana manokana mahakasika ny izay tao am-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa.Tsy azo odiana tsy hita anefa ny toe-java-nitranga nialoha izany satria dia voaresaka soamantsara mihitsy ny sakafo ary zava-nisy nandraisana ilay tena tian'Andriamanitra ahatongavana mihitsy aza izany.

"dia niakatra teo ambonin’ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina. Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany; ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay mana-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina. Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’izay ilay zavatra." Asa 10,9-14.

Tsy hoe nahita fahitana avy hatrany fotsiny i Petera fa voalaza mazava hoe NOANA izy nefa ny sakafo mbola teo an-dalampikarakarana azy,ka io toe-javatra io no nohararaotin'Andriamanitra mba ampitana ny hafatra ka nampifandraisany tamin'ny sakafo.Misy fanambarana ofisialy avy an-danitra mahakasika ny sakafo mihitsy eto mialohan'ny tena hevitra fonosin'ilay fahitana ka nolazain'ilay anjely hoe :vonoy, ka hano.Dia nilaza i Petera avy eo hoe :Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. Mbola sakafo hatrany ny fari-toe-javatra nisy na ny tao an-tsain'ilay anjely na ny tao an-tsain'i Petera ,ny fihinanana biby maloto rahateo dia tafiditra ao anatin'ny fady amin'ny jiosy ka izany no antony nahatonga an'i Petera nandà avy hatrany raha navela hihinana an'ireo biby tsy ankanavaka izy ,isany amin'izany ireo heveriny fa biby maloto.Teto i Petera tsy mbola nandinika ny hevitry ny fahitana fa sakafo no tao an-tsainy ary tsy nanintsy ny eritreriny ny amin'izay heveriny ho biby maloto mihitsy ilay nanome fahitana. Andriamanitra anefa nandritra io fotoana io dia nilaza taminy fa "izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady ".Ny dikan'izany dia madio avokoa ny biby rehetra ary azo hohanina soamantsara fa tsy misy madio sy maloto akory.

Dia jereo tsara ary ny tohin'ilay andininy fa miova ny fandehan-javatra rehetra satria lasa nanana fahatakarana ny amin'ny zavatra hitany amin'izay i Petera .
" Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin’i Kornelio nanontany ny tranon’i Simona ka nijanona teo am-bavahady, dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; fa mitsangàna hianao, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy." Asa 10,17-20.

Eto i Petera dia lasa saina efa indroa ny amin'ilay fahitana,niezaka nieritreritra ny mety ho hevitra fonosin'ilay fahitana amin'izay izy ary mipetraka avy eo ny hevitra ny amin'ny maha jiosy sy ny jentilisa izay hevitra fonosin'ilay fahitana ny amin'ireo biby izay naseho an'i Petera avy any an-danitra.

"Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. " Asa 10,28.
Araka io Asa 10,28 io dia Andriamanitra izany no nampahafantatra an'i Petera ,tsy azony ilay fahitana fa niady hevitra ny amin'ny sakafo aloha izy izay tsy nolavin'Andriamanitra velively.Raha tsy miresaka sakafo ara-bakiteny ny fahitana tokony nilaza avy hatrany Andriamanitra fa tsy resaka sakafo mihitsy no anton'ny fahitana .Fa taorian'io dia nahazo fahazavan-tsaina avy amin'ny Fanahy Masina ny amin'ny hevitra fonosin'ireo fahitana ireo amin'izay i Petera.

(HITOHY)

04/05/2026

NY BIBY MALOTO (5)

Inona moa no maha-zavadehibe ny fandinihana manokana ity lohahevitra ity ? Novelabelarina ny ambaran'ny soratra masina mahakasika ny biby maloto mba anintsiana ireo endrika fanamelohana samihafa izay ataon'ireo mpanao herezia ,efa voalazan 'i Paoly rahateo mantsy fa hisy ireo karazan'olona izay hanao fampianarana hafahafa izay lazainy mihitsy aza fa fampianaran'ny demonia ka mampifady hanina ny olona.

"FA ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’Andriamanitra ho an’izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ny fisaorana. Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ny fisaorana, satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany." 1 Tim 4,1-4

Midika izany fanambarana izany fa ny sakafo rehetra, na inona na inona, dia azo hanina, raha ekena amin’ny fisaorana sy amin’ny fanajana an’Andriamanitra.

Rehefa hijery ireo lalàna momba ireo sakafo azo hohanina na tsia ireo isika dia ilaina foana ny mijery izay ambaran'ny Testamenta Vaovao mahakasika izany .Ny fanambaran'ny Baiboly iray manontolo no mila jerena rehefa mandinika lohahevitra anankiray sy ny fampiharina tsoahina avy amin'izany fa tsy variana amin'ny fifikirana andalan-tsoratra masina iray sy roa monja izay mety hitondra mankany amin'ny herezia. Izay tian'ny soratra masina iray manontolo ampitaina no mila raisina ary izany antsoin'ny mpandinika hoe le principe de l'analogie de la foi fa tsy izay mapietipety na maharesy lahatra ny tena akory .

*MADIO AVOKO NY HANINA REHETRA

Avy hatrany dia ny fijerin'i Jesosy no raisintsika voalohany araka ny voalazany ao amin'ny Mar 7,17:
"...Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra."

Milaza ny moa legalista fa tsy resaka biby maloto no resahany eo ka ndeha iezahana ny hanazava izany amin'ny antsipirihan'ny zava-nitranga teto .Tsara ny mamaky iray manontolo ny Marka 7,1-23 mba ahahalalantsika ny tena zava-nisy marina.

Rehefa niangona teo amin'i Jesosy ny fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany dia nahita ny mpianatr'i Jesosy nihinanan-kanina tamin'ny tanana tsy misasa.Te hiampanga Azy izy ireo (and 5) satria izany no fomba fanaon'ny jiosy hatramin'izay izay tokony arahina:" Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitana ny fampianarana voatolotry ny razana izy. Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’izay fanaka varahina" and 3-4.
Nanoloana izany dia natsikafon'i Jesosy ny fiatsarambelatsihin'izy ireo tamin'ny nakany izay nolazan'i Isaia ao amin'ny Isaia 29,13. Ny fomba na ny lovan-tsofina nampitaina am-bava (tradition orale) indray no napetrak'izy ireo ho zava-dehibe noho izay nambaran'Andriamanitra ho an'Israely.Noraisiny ohatra tamin'izany ny amin'izay tokony natao ho an'ny ray aman-dreny.
Ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Eks 20,12 sy ny Eks 21,17 dia mandidy ny vahoaka mba hanaja sy tsy anao tsinontsinona an'izy ireny ,ary ny fanakianana nataon'i Jesosy dia manambara fa tena tokony hitia na tokony omen'ny zanaka izay anjaran-tandrifin'ireo ray aman-dreny niteraka .Raha ilay didin'olombelona anefa dia tsy izany velively fa mampianatra hoe rehefa nanolotra fanatitra ho an'Andriamanitra ny olona iray (izay adika hoe korbana) dia tsy mila manao na inona na inona ho an'ireo ray aman-dreny ireo intsony fa ampy amin'ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra izany.
Manafoana ny tenin'Andriamanitra izany satria na dia misy lalàna mahakasika ny fanaterana fanatitra aza ao amin'ny Torah dia mandrisika ny olona hanaja sy tsy hanao tsinontsinona indrindra fa ny hitsinjo ireo ray aman-dreny niteraka ireo Andriamanitra.Ny lovan-tsofina rabinika kosa anefa dia manilika tanteraka izany satria rehefa nanao fanatitra ho an'Andriamanitra dia tsy mampaninona na tsy manao na inona na inona ho an'ireo ray aman-dreny ireo aza.

Raha niainga avy amin'izany ohatra izany Jesosy dia nampita io hevitra io tamin'ilay zava-nisy ny amin'ny tokony hisasana tanana ka nametraka izy fa " tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy." (and 15).Marihina fa ny hevitry ny fisasana eto dia tsy noho ny olana ara-pahasalamana loatra fa resaka fivavahana izay vokatry ny fanitan-kevitra (théorie de spéculation) nataon'ireo raby ny lalan'i Mosesy ihany ,ary maro rahateo ireo lalàna no nitarin'izy ireo fa tsy ny resaka fisasana ihany.

Eto amin'ity tantara ity anefa dia ahitantsika fahazavan-tsaina hafa mihitsy mahakasika ny fahalotoana araka ny tao an-tsain'i Jesosy.Tsy ilay heverin'ny olona ho maloto tany amin'ny fanekena taloha intsony no tena atao hoe maloto eo anatrehan'Andriamanitra fa namosaka ny tena mampaloto ny olombelona amin'izay Izy ,ary notsindriany tsara tao anatin'izany fa nolazainy izany mba hahadio ny HANINA REHETRA. (and 19).Eto izy dia tsy nanavaka mihitsy hoe ny hanina rehetra afa-tsy ny biby maloto ihany,fa voafoaka ao avokoa rehefa eritreretina ho sakafo mety hohanin'ny olombelona rehetra.Raha mampaloto ny olona ny fihinanana biby maloto araka ny lev 11 sy ny Deo 14 dia tsy izany intsony no mampaloto azy araka izay asehon'i Jesosy fa ireny dia napetraka ho tandindona fotsiny ihany na aloka araka ny nolazain'ny apostoly Paoly ,fa tokana ihany no tena mampaloto ny olona eo anatrehan'Andriamanitra dia ny Ota. Tsindriany tsara mihitsy fa izay ao anatin'ny fon'ny olona no tena mampaloto azy ary ireo toetra sy fanao ratsy tanisain'i Jesosy ireo dia vokatra avy amin'ilay antsoina hoe Ota avokoa.Io Ota io araka izany no manetsika ny olona hirona amin'ireo zavatra izay tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamaitra.Ao am-pon'ny olona no tena toerana misy azy.

Noho izany dia tsy misy hanina maloto sy madio intsony eo imason'Andriamanitra fa madio avokoa rehefa hanina rehetra.Dia mety hilaza isika hoe maninona no tsy hohanina ny alika sy ny voalavo raha izany? Tsotra be ny amaliana azy satria tsy mahazatra ny fihinanana alika sy voalavo fa tsy hoe rehefa azo hohanina ny zavatra rehetra dia ho tapitra hohanina avokoa rehefa Biby.

(Hitohy)

24/04/2026

Ny BIBY MALOTO (4)

Ao anatin'izany fanazavana rehetra izany ,dia mety hilaza ireo legalista hoe ahoana izany ilay teny ao amin'ny Isaia 66,17 izay manao hoe:
"Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly
Ka manaraka ny iray ao afovoany
Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy
Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah."

Ity mantsy no mba tena andininy entin'izy ireo anaovana biby fampitahorana izay tsy hay akory nefa no tena tiany lazaina.

Voalaza eto tokoa mantsy fa ho levona ny olona mihinana henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy ,toa te hiteny izy ireo fa manan-kery mandrakariva ny fandràrana satria aty amin'ny vanim-potoana eskatolojika no resahan'i Isaia fa tsy tany amin'ny andron'i Mosesy na ny zanak'Israely na taorian'ny fahababoana (postexilique ) ,noho izy miresaka afo sy ny sabatra izay entin’i Jehovah hifandahatra amin’ny nofo rehetra (Isa 66,16) izay mifanandrify tanteraka amin'ny afo (2 Tes 1,8) sy ny sabatra izay mivoaka avy amin'ny vavan'i Jesosy (Apo 19,15) hitsarany ny firenena rehetra ary miresaka ny fampiononana sy ny valisoa ho an'ny vahoakan'Andriamanitra (Isa 66,12-14).

Tsy inona akory ny tiany ambara amin'io fa miresaka ny ritoaly hisy mandritra izany fotoana izany i Isaia.Ilaina foana mantsy ny mandinika ny tontolon-kevitra izay anatsongana ilay teksta mba hampahazava azy tsara:

Miresaka izy :
-ny fipetraha any amin’ny fasana izay miresaka ny ritoaly fanao amin’ny maty na karazana“necromancie” (fifandraisana amin’ny fanahin’ny maty).
-Ny fanaovana fanatitra kisoa araka ny Isa 66,3 :Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa
-ny fahavetavetana
-ny fanarahana ny iray eo afovoany dia manambara ilay tena arahan'ireo vahoaka ireo izay tsy iza akory fa ilay lehilahin'ota na ilay bibidia voalohany .Tahaka ny maha ivo an'i Kristy no maha ivo azy ,tsy ao Jerosalema fotsiny fa manerana izao tontolo izao mihitsy.Ao amin'ny filazantsara dia Kristy no arahina (Mat 8,22) fa eto ilay mpaka tahaka Azy dia ilay Antikristy no arahin'ny olona
-ny fanamasinana sy ny fanadiovana ho ao an-tanimboly

Tsy misy hafa amin'izay efa nataon'ny zanak'Israely mantsy ny mbola ho ataon'ireo olona ireo araka ny voalaza ao amin'ny Isa 65,3:
"Dia firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza,
Izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin’ny tanimboly
Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny tanimanga,–
Dia izay mipetraka any amin’ny fasana
Ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena,
Sady mihinana henan-kisoa,
Ary ny ron’ny hena fahavetavetana no ao amin’ny loviany,–"

Izany no manamarika fa ny fihinanana kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy dia mifamatotra amin'ny ritoaly ho ataon'ny olona amin'izany fotoana izany, fa tsy noho ny fihinanana ireo zavatra voalaza ireo mihitsy akory no antony hitsaran'Andriamanitra azy fa ny fanarahana ny fomban'ny jentilisa sy ireo andriamanikafa.Nisy ny nanatitra ran-kisoa araka ny (Isa 66,3) ,ka tahaka ny fanaterana fanatitra nataon'ny zanak'Israely dia nohanina ny henany,ary torak'izany koa ny fanatitra kisoa atao dia hohanina ny henany . Ireo fomba ireo dia efa fanaon'ireo firenena paganista ,tahaka ny grika sy ny romana ary ny Hitita dia efa zatra manao fanatitra kisoa ary ny fihinanana kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy dia fifangaroan'ireo fomba amam-panao ara-pivavahana jentilisa mihitsy satria rehefa hitsangana ilay fanjakana tokana dia mifangaro ao avokoa ny fomba amam-panao fahavetavetana samihafa izay fanaon'ny jentilisa rehetra.

Noho izany dia tsy ny fihinanana ireo biby ireo no tena olana fototra eo amin'io teksta io fa ilay fivavahana amin'ny sampy izay miharo ritoaly samihafa , ary tafiditra ao anatin'izany ny fihinanana kisoa sy ny zava-betaveta (nantsoina hoe zava-betaveta izy satria mbola tao anatin'ny tontolon'ny testamenta taloha no nitenenana azy) ary ny totozy.

(Hitohy)

13/04/2026

Ny BIBY MALOTO (3)

III) Efa nifady biby maloto ve ireo olon'Andriamanitra talohan'ny nahazoan'ny zanak'Israely ny lalàna mahakasika ny biby maloto?

Tsara ny mampahafantatra antsika fa ny lalàna ny amin'ny biby maloto dia lalàna ara-pivavahana fa tsy hoe lalàna ara-moraly akory satria rehefa nanome ny lalàna Andriamanitra dia nofaritany mazava fa ny zanak'Israely no tena iantefan'ny hafatra :"ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe..." Lev 11,1.

Manaraka izany dia miresaka fahalotoana vokatry ny fikasihana ny fatin'ireo biby maloto sasany izy izay misy fe-potoana voafaritra tsara toy ny hoe mandra-paharivan'ny andro sy ny amin'ny tokony hanasan'ilay olona ny fitafiany avy eo(Lev 11,24).Izany hoe mila manaraka tsara ny ritoaly efa voasoritra araka izany raha maniry hanana fahadiovana. Tsy vitan'izany fa misy akony amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra Izay masina izany ka ny fifadiana ireo biby maloto ireo dia manamarika ny maha masina ny vahoakan'Israely tahaka ny Andriamaniny izay masina ihany koa :"Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’izay zavatra mandady na mikisaka amin’ny tany. Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho." Lev 11,43-45.

Ny lalàna ny amin'ny fifadiana ny biby maloto rahateo dia nampidirina tao anatin'ny bokin'ny Levitikosy izay mirakitra ireo lalàna mifandray amin'ny lafiny ara-pivavahana ,ary nialoha ireo lalàna mahakasika ny fahalotoana teo amin'ny vahoakan'Israely sy ny ritoalim-panadiovana izay mahakasika izany,ka rehefa miresaka maloto Andriamanitra dia maloto (souillé) avokoa rehefa nihinana na nikasika fatina biby maloto ,na nikasika faty,na azon'ny habokana,na ny fivoahan'ny ra mbamin'ireo tsiranoka hafa :

- Ny fikasihana faty (Lev. 11:24-40; Nom. 19)

Ny fahafatesana dia ny mifanohitra tanteraka amin’Andriamanitra Izay Loharanon’aina.
Ny fikasihana ny faty araka izany dia mamindra ilay “fanalavirana aina” amin’ny olona.
Mila fanadiovana manokana amin’ny alalan'ny rano sy ny fanatitra izany.

-Ny aretina toy ny boka (Lev. 13–14)

Tsy aretina “lepra” ara-pitsaboana fotsiny io, fa mariky ny fahalovana sy ny fahasimban’ny nofo.
Ny hoditra misy loaka, ny volo miova loko, ny fery mivoaka tsiranoka dia tandindon’ny faharatsiana sy ny fahapotehana amin’ny vatana.Tsy tokony ho eo amin’ny toerana masina izany satria mampiseho ny “fahasimban’ny endrika izay noforonin’Andriamanitra”.Misy toromarika sy ritoaly manokana tsy maintsy arahina ihany koa vao azo lazaina hoe madio ny boka anankiray.

-Ny fivoahan-dra sy ny tsiranoka hafa (Lev. 12; 15)

Ny rà dia mariky ny aina (Lev. 17:11). Rehefa mivoaka amin’ny vatana izany dia manambara tandindon’ny fihenan’ny aina.
Ny fadimbolana,ny fiterahana, na aretina miteraka fivoahan-dra na na tsiranoka dia samy manambara ny fihenan'ny fiainana avokoa.
Tsy azo entina eo amin’ny toerana masina izany satria mampahatsiahy ny tsy fahatanterahana amin’ny ara-panahy sy ara-batana.Misy toromarika sy ritoaly tsy maintsy arahin'izy ireny ihany koa vao azo lazaina hoe madio ireo sokajin'olona ireo.

=> Ny foto-kevitra manambatra ireo rehetra ireo
Rehefa ampifandraisina, ny antony nahatonga ny sokajy rehetra ho “maloto ara-pivavahana” dia:
Mifandray amin’ny fahafatesana na fihenan’ny aina.
Manambara fahalovana na fahasimban’ny nofo.
Ny fanitsahana ny lamina tonga lafatra napetrak’Andriamanitra tamin’ny famoronana.
Mampitombo ny fisarahana eo amin’ny madio sy ny maloto ho famantarana ny maha-vahoaka masina ny Israely.

Ireo rehetra ireo anefa dia mitaky toromarika sy ritoalim-pahadiovana (fisasana sy ny fanaterana fanatitra) vao afaka ny lazaina hoe madio eo anatrehan'Andriamanitra .Noho izany ,raha tena hanaraka antsipirihany an'ireo lalàna nomena ny zanak'Israely ireo dia tsy ny biby maloto ihany no tokony hofadiana fa ilaina koa ny manaraka amin'ny antsakany sy andavany ireo toromarika sy ritoalim-panadiovana voalaza ao amin'ny Levitikosy sy Nomery satria lalàna nomen'Andriamanitra avokoa izany.Tsy ny biby maloto ihany no tokony fadiana,fa raha nisy fikasihana faty natao dia ilaina ny manaraka amin'ny antsakany sy andavany ireo endrika fisasana voalaza,tahaka izany koa ny vehivavy mandeha fadimbolana,ny vehivavy miteraka,ny boka,ny olona mandeha tsirin'aina izay misy aza mifamatotra amin'ny resaka sorona biby tao amin'ny tempoly mihitsy .

-Ho an'ireo nikasika faty (taolam-paty na fasana) Nomery 19:11–22

Ny fepetra tsy maintsy arahina dia :
maloto ara-pivavahana mandritra ny 7 andro.
Mihidy mandritra izany fotoana izany.
Misasa amin’ny alalan'ny rano misy ny lavenon’ny ombivavy mena (fiomanan’ny mpisorona) amin’ny andro faha-3 sy faha-7.
Sasana ny akanjo sy ny vatana.

=> Marihina fa io ritoaly io dia mitaky MPISORONA manao ilay SORONA sy ny TRANO LAY FIHAONANA izay amafazana ilay ran'ny omby vavy mena

Vokany raha tsy manao izany dia : esorina tsy ho isan’ny fiangonana (Nom. 19:13).

-Boka (lepra na izay aretina mitovitovy aminy):Levitikosy 13–14

Ny fepetra tsy maintsy arahina dia :
Entina eo amin’ny mpisorona hojerena.Raha voamarina fa tena boka tokoa Ilay olona dia mila miala amin’ny toby mihitsy ka mandeha mitokana.
Rehefa sitrana izy dia mandalo fanadiovana manokana mihitsy:
Fanatitra.
Fanasana amin’ny rano.
Fitondrana vorona madio roa,ny iray hovonoina,ny iray hovotsindrina.
Fanosorana ra sy diloilo amin’ny vatana sy rantsantanana.

Fotoana: Miankina amin’ny toe-pahasitranana.

- Fadimbolana( Levitikosy 15:19–24): Fivoahan’ny ra amin’ny fadimbolana.

Ny fepetra tsy maintsy arahina dia :
Maloto 7 andro.Izay mikasika azy na ny fandriany dia maloto koa mandrapahatapitry ny 7 andro.
Sasana amin'ny rano ny vatana sy ny akanjo a.

Fanamarihana: Raha mihoatra ny fotoana mahazatra ny fivoahana, dia manana fitsipika hafa mitovitovy amin’ny aretin-drà.

-Ny fivoahan’ny tsirin’aina (Levitikosy 15:16–18): Fivoahan’ny tsirin’aina (amin’ny filahiana)

Ny fepetra tsy maintsy arahina dia :
Maloto mandritra ny 7 andro.
Sasana amin'ny rano ny vatana
Sasana amin’ny rano koa izay lamba na zavatra voaloton’ny tsirin’aina.
Raha amin’ny firaisana ara-nofo → samy maloto mandrapahatpitry ny 7 andro ny mpivady.

- Niteraka (Levitikosy 12:1–8)

Ny fepetra tsy maintsy arahina dia :
Raha teraka zanakalahy →dia maloto 7 andro + fahadiovana 33 andro (fitambarany 40 andro).
Raha zanakavavy → maloto 14 andro + fahadiovana 66 andro (fitambarany 80 andro).

Tsindian'i Jehovah tsara fa tsy afaka mankao amin'ny toerana masina izy noho io fahalotoany io,mifamatotra tanteraka amin'ny fitoerana masina ny fahalotoana araka izany.
Aorian’izany dia mitondra fanatitra izy ho fanadiovana:
Manome ondry aman’osy + voromailala na vorom-potsy.Entina eo anoloan'ny varavaran'ny tranolay fihaonana eo amin'ny mpisorona ireo
Raha mahantra ilay olona dia → voromailala roa na vorom-potsy roa.

=> Izany rehetra izany no manamarika fa raha te hifady ireo biby maloto ireo ny olona dia tsy afaka ny hisafidy na koa izay lalàna maharesy lahatra ihany no arahina fa mila arahina amin'ny antsakany sy andavany avokoa izay rehetra voalaza. Hitantsika teo fa mila mpisorona sy biby na fanatitra ary ny trano lay fihaonana izay mifamatotra amin'ny ritoaly ny lalàna ka raha hifady biby maloto ianao dia tena mitandrina izany amin'ny antsakany sy andavany tokoa ve? Raha niteraka na mandeha fadimbolana na mamoaka tsirin'aina na misy habokana dia notanterahinao amin'ny antsakany sy andavany ve ireo lalàna rehetra mifamatotra amin'izany? Ny zava-misy anefa dia tsy misy legalista manaraka ireo amin'ny antsakany sy andavany fa ny biby maloto ihany no mba iezahan'izy ireo fadiana.Ary na dia manana eritreritra ny hitandrina aza dia tsy afaka ny hanatanteraka izany mihitsy satria raha kristiana dia efa ao anatin'ny fanekena vaovao ka tsy hisy mpisorona sy sorona ary trano lay fihaonana afaka anaovana izany intsony.

Koa raha lalàna ara-pivavahana ny lalàna ny amin'ny biby maloto dia tsy natao ho an'ny olombelona rehetra izany fa tena mifantoka amin'ny zanak'Israely fotsiny ihany ary azo antoka fa tsy nifady biby maloto akory ireo olon'Andriamanitra izay talohan'ny lalàna izay nomena ny zanak'Israely.

Na dia nisy aza ny nanasokajian'Andriamanitra ny biby atao hoe maloto sy madio (Gen 7,2) dia azo antoka fa mifantoka kokoa tany amin'ireo biby azo natao fanatitra ny antony nahatonga izany satria dia biby madio avokoa no natao fanatitra na dia talohan'ny lalàna sy tao anatin'ny vanim-potoana ny lalàna aza (ondry,osy,vantotrombilahy,voromailala).Tsy nanana olana tamin'ireo sakafo nohanina mihitsy ny olona talohan'ny lalàna satria azo nohanina avokoa ny hena rehetra:

"Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra." Gen 9,3.

Tsy misy fandrarana mihitsy voalaza eto fa tsy azo hohanina ny biby maloto.Ny ra ihany no efa fady hatramin'izay na dia taorian'ny lalàna izay nomena an'i Mosesy aza:
"kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo..." Gen 9,4.

(Hitohy)

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo