02/06/2026
NY BIBY MALOTO (7)
Fa oviana tokoa moa no nanadiovan'Andriamanitra an'ireo biby maloto izay voalaza any amin'ny Lev 11 sy ny Deo 14 ireo?
Tsy nisy hoe fotoana manokana nanadiovana an'ireo biby ireo fa napetraka amin'ny maha lalàna ara-pivavahana azy fotsiny ny fifadiana azy ireo tany amin'ny fanekena taloha .Averimberina eto foana fa tsy noho ny fomba fiainany na ny ara-batany na manana olana manokana ara-tsiansa no mahatonga azy maloto (impure) fa napetraka ho maloto fotsiny ireo teo amin'ny lafiny ara-pivavahana.Rehefa tonga anefa i Kristy dia tanteraka tao aminy avokoa ireo lalàna ara-pivavahana rehetra izay lazaina fa aloky ny zavatra ho avy (Kol 2,16).Araka ny fanambaran'i Paoly ao amin'io Kol 2,16 io ihany dia tsy tokony hotsaraina amin'io fihinanana io intsony isika izay iezahan'ireo legalista toherina fatratra izany fanambaran'i Paoly izany fa dia faly hitsaratsara fahatany fotsiny izy ireo fa tsy mitsara araka ny marina akory.
Ny fanekena taloha mantsy dia niorina tamin'ny fankatoavana ireo lalàna nomena ny zanak'Israely ireo, ary Andriamanitra dia efa nampanantena noho ny tsy fahombiazan'io fanekena io fa hisy fanekena vaovao izay ho ataony amin'ireo vahoakany (heb 9,15).Tamin'ny alalan'i Kristy no nanatanterahany io fanekena vaovao io ka ireo singa rehetra nilaina tamin'ny lalàna ara-pivavahana mba hanananan'ny olona fahamasinana hanantonana an'Andriamanitra ao amin'ny trano lay fihaonana (sorona,mpisorona,fanamasinana,ritoaly sns..)dia efa tanteraka ao amin'i Kristy avokoa.
- Izy no mpisorona be
-Izy koa no tena sorona tonga lafatra indrindra
-Ny tena trano lay dia any an-danitra fa tsy ety an-tany ary i Kristy no manao ny asam-pisoronana ho antsika ao
Lazain'i mpanoratra ny hebreo fa ao anatin'io fanekena vaovao io rehefa miova ny lalàna dia miova ihany koa ny fisoronana (Heb 7,12)ka nanomboka teo amin'io fanekena vaovao io dia tsy izay heverina fa maloto intsony no tena mampaloto ny olona fa napetraka fotsiny ireny noho ny hevitra samihafa fonosiny, fa rehefa tonga ny fotoana dia tsy misy intsony izany biby madio sy maloto izany ao amin'Andriamanitra. Raha mbola mipetraka izany ny hoe maloto ny biby tahaka izao ary mahatonga ny olona hahaloto eo anatrehan'Andriamanitra ka tsy azo hohanina sy kasihana ny fatiny dia tsy maintsy arahin'ny olona ihany koa ireo lalàna samihafa izay manodidina sy mifampitohy amin'ireo lalàna mahakasika ny biby maloto ireo ,tahaka ny lalàna ny amin'ny fiterahana,fadimbolana,fivoahan'ny tsirinaina,habokana.Tsy maintsy manaraka ireo ritoalim-panadiovana izy ireo raha sendra mahakasika biby maty ho azy,nefa raha fisasana no resahana dia tsy ny fisasana amin'ny rano akory no mampadio ny olona satria ny loto eo anatrehan'Andriamanitra dia manana hevitra lalindalina kokoa aty amin'ny fanekena vaovao araka ny voaresaka tao amin'ilay Marka 7,21 ka tsy midika inona intsony izany misasa amin'ny rano izany, ary manerana ny fanekena vaovao dia tsy misy nanao izany intsony noho ny fahatakarana izay efa nataon'Andriamanitra tao amin'i Kristy.Tsy misy trano lay fihaonana azonao anaovana fisoronana ary tsy misy mpisoroana afaka ny hikarakara ny fanatitra intsony ary indrindra fa ny mpisorona sy ny mpisorona be.
Na izany aza dia manana ny tandindony anefa ireny biby madio sy maloto ireny ,ka noheverina fa biby maloto ny jentilisa araka ny niheveran'i Petera azy (jereo ny fizarana teo aloha) noho izy ireo tsy ao antin'ny rafitra jodaisma.Izay miaina ao anatin'io fivavahana jodaisma io mantsy no madio satria efa nohamasinina noho ny fanarahany ireo lalàn'Andriamanitra izay nomena an'i Mosesy tamin'izany fotoana izany.Tsy afaka ny hisitraka io fahamasinana io mihitsy ny jentilisa na ireo jiosy tsy miaina amin'ny maha jiosy azy fa manana fiainana sinkretisma sy paganisma.Rehefa tonga i Kristy dia tsy ny fanarahana ireo lalàna mozaika intsony no mahatonga ny olona ho masina fa ny finoana ny asam-panavotana izay nataony, ka afaka ny hisitraka fahamasinana avy amin'izany izy ireo raha tena manana fiombonana aminy tanteraka tokoa rehefa nandalo fibebahana marina.Ny fahitana naseho an'i Petera araka izany dia manamarika fa tsy misy jiosy sy jentilisa intsony ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra fa afaka ny ho masina avokoa ny tsirairay rehefa nino an'i Kristy ka nandalo fibebahana marina:
"Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy." Gal 3,28.
*Ny tokony atao manoloana ny fandresen-dahatra ara-tsakafo:
Ny epistily izay nalefa ho an'ny Romana no tena mamaha ny olana misy momba ny fifandirana amin'ny resaka fifadiana sakafo.Tsara kokoa ny mamaky manontolo ny Romana 14 mba hahazoantsika tsara ny hafatra tian'i Paoly ampitaina.
Raha ny toe-java-misy tamin'ny fiangonana tao Roma no hazavaina dia nifangaro tao ny Jiosy sy ny Jentilisa .Tao anefa ireo Jiosy kristianina izay mbola fatra-pitana ny fitsipika ara-tsakafo sy andro masina avy amin’ny Lalàna.Ary tao kosa ireo Jentilisa kristiana izay nahatsapa fa malalaka tanteraka amin'ny fihinanana .Izany no niteraka fifandirana teo amin'ny roa tonta :dia ny amin'ny hoe iza marina no tena manao ny tsara?
Mazava anefa ny hafatra ampitain'i Paoly ao anatin'izany:
"ARY raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny. Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy. Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy izy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo, sady misaotra an’Andriamanitra koa izy. " Rom 14,1-6.
Sokajian'i Paoly ho roa karazana ireo olona tao anatin'io fiangonana io tamin'izany dia ny malemy finoana sy ny olona manana hahavo amin'ny finoana.Ny malemy finoana dia tsy iza akory fa ireo tsy mihinana afatsy zava-maniry ihany (végétalien).Ny hena tany Roma matetika dia efa natokana tamin’ny sampy na natao sorona tao amin’ny tempolin-tsampy, vao namidy eny an-tsena.
Noho izany,dia misy jiosy (izay mety mbola nifady biby maloto) sy jentilisa kristiana nilaza fa: “Raha nentina tamin'ny sampy ny hena , dia tsara kokoa ny tsy mihinana hena mihitsy.”Izany indrindra no resahin’i Paoly amin’ny 1 Korintiana 8 sy 10 koa.
Ka eto i Paoly dia nanafatra fa tsy tokony atao an-jorom-bala ny olona malemy finoana; ary tsy tokony hitsara ny mihinana ny tsy mihinana satria Andriamanitra no efa nandray azy.
Eo amin'ny and 10-13 izy dia milaza fa tsy tokony hitsara ny rahalahiny ny anankiray, fa samy hotsarain’Andriamanitra ary ny tokony atao dia ny tsy hanasiana fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy. Ilaina ny mandeha amin'ny fitiavana, ary ny fitiavana dia ny fitsinjovana ny hafa fa raha ny hanamavoina azy no tanjona dia efa tsy fitiavana intsony izany.
Ho an'ny legalista (ao anatin'izany ny kristiana sabatista izay fatra-panizingizina sasany)dia hotsarain'Andriamanitra ny amin'ny fitsarana ataon'ireo mihinana izy ary tsy ho afa-bela velively.Mazava ny hafatr'i Paoly fa: "fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany" Rom 14,14 ary koa : "Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafintohinana" Rom 14,20b.Koa aoka araka izany hipetraka amin'ny fandresen-dahatra ananany ny tsirairay fa raha te hifady ny ankilany dia aoka ho hohazominy samirery izany fa tsy tokony hanameloka ny hafa satria tsy misy biby maloto izany intsony,ary ny mihinana dia tokony tsy hanamavo na manome fanafitohinana ny tsy mihinana .
21/05/2026
04/05/2026
24/04/2026
13/04/2026