03/11/2025
fotoana vitsy monja no nampiditr'andro
Ora vitsy nefa mafonja na ny alina na ny atoandro
Lasa saina tsy mety mahits tory
Mieritreritra izato lasako
Tsy misy mampahery na dia hory
Nohon'ny vokatrin'ny asako
Toerana iray mbola tsy nitoerako
No misy ahy ankehitriny
Angamba tsy ho reharehako
Iny ditra vitako iny
Toerana maizina sady mangina
Toa sady fanaovana maloto
No sady hitoeran'ny fandriana
Manontany tena aho hoe
Inona ary izany manaikitr'izany
Natahotr'aho sady nanontany
"MOA VE MBA FANTATRAO?"
Varian'aho mijery izato rindrina
Toa mahita sora-tanana maro
Natao peta-drindrina
Ry mpivahiny,
Alaviro lavitra izany fonja izany
Fa mampijaly sady mampi-tomany
Ka mba saino ihany
Tsy manam-pahafahana ianao
Fa voafetra ny toerana aleha
Ao anaty trano Trano masiso ka tsy misy aleha
Ny teny mba nampahery ahy
Dia ilay soratra teo @ rindrina
03/11/2025
Mention spéciale à mes nouveaux fans montants ! Haja Meline
08/10/2025
MALAGASY MANKANY
Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny !
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny !
Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha :
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe : "mandehana, sombinaiko" !
Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely---toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana azafady !
Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento : mafy izany ka tsy toha
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha ! ...
Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody :
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony !
Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana :
Ankizilahy sy ankizivavy, amin’ny tena fisandratrana,
Moa va tsy mpivady mihitsy amin’izato fombafombany?
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombatombany.
Nantenain’Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza.
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza,
Dia nifampikimokimo, ‘ndeha hiserana, handika.
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika !
Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao.
Saingy masina ny sata izay voahitsakitsakao.
Randja ZANAMIHOATRA
zaraho raha tianao 🙏
12/09/2025
Tompoko, manao mbay lalana aho raha hivolana manoloana anareo, manao azafady, miala tsiny, fa tsy tokony hiteny aho fa natao ho tenenina, ary nohon'ny teny tsy ifandrombahana dia mahatsiaro manana anjara fitenenana ny tenako, miparitaka .be ankehitriny ny resaka nosy rose, afa-baraka tanteraka, ka hoy aho hoe: O lehiretsy à! Fa maninona isika tanora ankehitriny haha vao maheno resaka vetaveta dia liana vetivety, fa maninona raha resaka falalahana amin'ny maha malagasy antsika no aparitaka malaza toa izao? Sady efa very hasina ankehitriny ny soa toavina malagasy, aoka izay fa ampy, raha lehilahy ianao no mahita izao dia tsarovy fa manana anabavy ianao ary mbola hiteraka vavy koa, raha vehivavy ianao dia tsarovy fa tsy maintsy misy ny fahalemena, ka hoy aho hoe, andeha ho satrohina ny marina hanazava ny saina, ary andeha ho kirarohina ny rariny hanintsy ny famindra, fa raha izany no tanterakin-tsika dia ho afaka toy ny nahiny ny tsiny, misaotra tompoko
13/11/2024
🟥NDAO MBA HAHITSY NY DISO FA VERY NY MARINA
1👉"Miteraha Fy toa lahy,Fy toa vavy"
..fa tsy 7lahy,7vavy...
Satria tso-drano tsara teo aminy ny fanany zanaka lahy sy vavy ary fy(fitiavana)lehibe teo@fiainany izany.Ny Ntaolo no resaka eto ary tiany na roa fotsiny aza ny zanany saingy lahy sy vavy.
2👉"Tany nahavokisana ka tsihy no itoerana ela".
..fa tsy hoe tsy itoerana ela...Satria FAHINY,eny mbola misy ankehitriny ny tsihy no isakafoanana ka miresadresaka rehefa voky fa tsy miala avy hatrany.
3👉"Vadin-joky kilolohan-jandry"
..fa tsy kilalao(sao misy manararaotra tokoa😂😂)..
Satria ny kiloloha dia lolohavina atampon'ny loha,na hajaina.
4👉"Valahara mpiandry fasana"
.fa tsy valala..Satria ny Valahara dia olona atokisana ary izany mahatonga azy ireo miteny hoe OLONA TSY VALAHARA rehefa tezitra ary mino aho fa efa niteny izany ianao(olona tsy atokisana,fetsifetsy,tsy milaza ny marina).tsisy valala HIANDRY fasana zany.
5👉"Ady voay ama-mamban'krijavola ka ny voamasony no potsirina"
..Fa tsy vomanga...ary ny vomanga tompoko tsy misy masony.
6👉"Mahita volana alohan'i Habiby"
..fa tsy biby...Satria i Habiby dia Mpimasy nalaza tao Ambohidrabiby izay nahatonga io anaratany io fa tsy Ambohitrabiby.
7👉"Ny tody itsy misy,ny atao koa miverina"
..fa tsy hoe ny tody tsy misy...Raha mba NIANATRA na nadefa fisainana lavidavitra ianao tokony hahay hoe nino tanteraka ny fisian'ny Tody ny Ntaolo malagasy sy isika malagasy ka tsy misy ahoana??😂😂izany hoe sady vesaran'ny tody raha manao ratsy ary iverenan'ny nataony.
8👉"Fon-drazalahy natakalo fon-drazavavy"
..fa tsy fozalahy sy foza vavy...
22/10/2024
Ity mba misy santionany kely.
Fialan-tsiny amin'ny kabary
Rehefa manomboka mikabary, fomba ny miala tsiny aloha ho fanajana sy fanomezam-boninahitra ireo olona manatrika ary koa ho fiarovan-tena ny mpikabary noho ny teny diso mety hambara na fahavotsana mandahatra.
Ity misy santionanan-fialan-tsiny izay noraisina tao amin'ny boky " Faka sy Kolo Mikabary 21.3".
Na dia omena ahy aza ny hitondra ny fitenenana eto anio, dia tsy maintsy miala tsiny ihany aho manoloana ny voninahitrareo rehetra izay manatrika etoana.
"Ny hitsikitsika, hono, no tompon'ny dihy;
Ny vivy, hono, no tompon'ny rano;
Ny railovy, no tompon'ny feo;
Ny Raiamandreny, no tompon'ny fitenenana"
Tsy tokony hilaza aho, fa natao hilazana; tsy tokony hiteny, fa natao hitenenana; koa miala tsiny raha mandray fitenenana eto ankehitriny.
Miala tsiny amin'izay rehetra hambarako etoana, noho ny fahavotsavotsako mandahatra, ny fiambakavakako mivolana, mahatsiaro tena ho mitafy lamba imason'ny tompony ihany, raha miteny eto anatrehanareo; tsy misy mahay mamindra tahaka ny akoho, hono, fa raha mandia sahafa solafaka ihany. Ny fitenenana mantsy toy ny rafi-biriky ka na tsara dinty sy tsara lasitra aza tsy hilaozan'izay hisy ho tapaka:
"Ny didididiana, tsy ary mitovy;
Ny kapakapaina, misy somaka;
Ny fariparitana, tsy ary ho voatana;
Ny teny maro, tsy hilaozan-diso"
Koa miala tsiny tompoko, fa ny tsiny mantsy tahaka ny tevan-dalina, itsiriha-mahafanina, ianjera-mahafaty ary tahaka ny oram-panala, tsy hita fa an-koditra vao mahangoly, raha ananan-tsiny, hono, toy ilay petak'orona voan'ny sery, ka avo roa heny sy fahakentsonana. Tsy ho lany nadro hamira vava ny tsiny eto anefa isika, teny ihany izany ka teny, tsy izay hosoran-tantely akory no mamy, na izay hosoran-tsakay no mangidy, fa ny atao ihany no mahasoa na maharatsy. Koa lalao ny Fanahy mahaolona fa ny malemy fanahy sitr'olona, ny tsara fanahy tratra am-parany.
05/10/2023
Tompokolahy sy tompokovavy,
Tady mazaka fitarihan'omby, omby fitarihan-tsarety, sarety fitateram-bokatra ary ny azafady fitarihan-teny
Tsy tokony hilaza aho, fa natao hilazana; tsy tokony hiteny, fa natao hitenenana; koa miala tsiny raha mandray fitenenana eto ankehitriny.
Miala tsiny amin'izay rehetra hambarako etoana, noho ny fahavotsavotsako mandahatra, ny fiambakavakako mivolana, mahatsiaro tena ho mitafy lamba imason'ny tompony ihany, raha miteny eto anatrehanareo; tsy misy mahay mamindra tahaka ny akoho, hono, fa raha mandia sahafa solafaka ihany. Ny fitenenana mantsy toy ny rafi-biriky ka na tsara dinty sy tsara lasitra aza tsy hilaozan'izay hisy ho tapaka:
"Ny didididiana, tsy ary mitovy;
Ny kapakapaina, misy somaka;
Ny fariparitana, tsy ary ho voatana;
Ny teny maro, tsy hilaozan-diso"
Mahatsiaro manana adidy sy andraikitra izahay eto amin'ny pejy tanora mikabary ary manana safidy mba hamelona indray ny hasin'ny malagasy, andeha mba isika samy gasy ray sy reny mizaka ny zom-pirenena malagasy, monina eto madasikara, mampiana-janaka eto madagasikara, andao hiaraka izaho sy ianao mba handresy ny fanan-devozana izay mihatra amin-tsika, aza avela ho rano raraka fotsiny na hodian-tsy hita ny rà latsaka an'ireo mehery fo teto amin'ny firenen-tsika, mahaiza misafidy izay ho fidiana, mahaiza mandinika sy mamakafaka, mijoroa ho malagasy manana andrikitra, mijoroa ho sarotiny, mijoroa hanana ny maha izy anao,
Voninahitra hono ho an'ny tantely fa ny akondro mba mamy ihany,voninahitra ho an'ny sobika fa ny fatram-bary azo androfana ihany, voninahitra ho anao ry malagasy tsy vaky volo, tsy ankanavaka, ka tonga amin'ny soa tsara indrindra satria hamelona indray ny kanto malagasy.
Koa raha lava hono ny bozaka very ny kisoa, raha lava ny teny adino ny soa, raha lava ny tehina voadona ny saoka, raha lava ny teny adino ny saotra, raha lava ny resaka lainga no betsaka, koa mankasitraka sy makatelina tompokolahy sy tompokovavy, voninahitra anie ho anao ry ,