ChinaVibe

ChinaVibe

Share

Bourse d’étude en Chine 👌
Apprenez le chinois facilement 🇨🇳🇲🇬
Cours de mandarin et découverte de la culture chinoise pour tous niveaux.

12/08/2026

Tohin’ny lesona omaly ihany, ity indray ny lesona anio!🇨🇳

⚡ 电 (diàn) = herinaratra
💬 话 (huà) = teny, resaka
电话 (diànhuà) = téléphone 📱

11/08/2026

Amin’ny teny sinoa, ny caractère tsirairay dia manana ny heviny manokana. 🤲
Rehefa atambatra izy ireo dia afaka mamorona teny vaovao.🇨🇳

09/08/2026

📝 Mila mitandrina tsara isika rehefa manoratra caractère chinois (汉字 hànzì), satria indraindray dia misy caractère mitovitovy endrika ka mora afangaro.
Isan’izany izao ireto caractère ireto an!

加油be foana!✊

08/08/2026

📚 好久不见 (hǎo jiǔ bú jiàn) dia fomba fiteny sinoa iray ampiasaina rehefa ela tsy nifankahita tamin’olona iray ka mifanena indray.

💡 Teny iray tsotra izay ahafahanao miarahaba olona rehefa tafahaona indray ianareo.

01/08/2026

Ny pronoms personnels dia ampiasaintsika isan’andro rehefa miresaka. Koa andao hianatra azy ireo amin’ny teny sinoa e! 😊🇨🇳

30/07/2026

☀️ Fotoanan’ny vacances izao! Matetika io no fotoana andehanana mitsangatsangana sy mamorona fahatsiarovana vaovao miaraka amin’ny fianakaviana na namana.

🤔 Ahoana ary no miteny hoe “mitsangatsangana” amin’ny teny sinoa?

📖 旅游 (lǚyóu)
Mitsangatsangana / Voyager

💬 Ohatra :
我想去中国旅游。
Wǒ xiǎng qù Zhōngguó lǚyóu.

👉Te handeha hitsangatsangana any Chine aho.
👉Je veux voyager en Chine.

27/07/2026

💙 Ny fahasalamana no harena sarobidy indrindra.
🤔 Ahoana ary no miteny hoe “mandeha mijery dokotera” amin’ny teny sinoa?

📖 看病 (kàn bìng)
Mandeha mijery dokotera / Consulter un médecin

💬 Ohatra :
你应该去看病。
Nǐ yīnggāi qù kàn bìng.

👉Tokony handeha hijery dokotera ianao.
👉Tu devrais consulter un médecin.

26/07/2026

📲 Indraindray antso iray monja no afaka mampitsiky olona iray. Aza misalasala miantso ireo olona tianao.

🇨🇳 打电话 (dǎ diànhuà)
📞 Miantso an-telefaonina | Téléphoner / Passer un appel

📝 Ohatra :
他正在打电话。
Tā zhèngzài dǎ diànhuà.

🇲🇬 Miantso an-telefaonina izy izao.
🇫🇷 Il est entrain de téléphoner.

23/07/2026

✨ Eo amin’ny fiainana dia misy foana ny mamy sy ny mangidy. Ny tena namana dia miara-mandalo izany rehetra izany.

Mentionneo izy de mba miara mahay ny dikany amin’ny teny sinoa ianareo 😃

📖 同甘共苦 (tóng gān gòng kǔ)
👉Miara-mizaka ny mamy sy ny mangidy.
👉Partager la joie et la peine.

21/07/2026

Aza avela hanakana ny nofinao ny tahotra. Ny dingana voalohany dia ny sahy manandrana. 😊

📖 害怕 (hàipà) = Matahotra / Avoir peur de

Aza matahotra fa mianara teny sinoa, hainao ary vitanao io.🇨🇳💪🏽

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


Antananarivo