17/03/2026
๐กVitan'ny marenina ve ny asa rehetra ?
โ๏ธ Nanatanteraka asa firotsahana teto amin'ny AKA.MA. ireo Mpanazava Sampana Mena Analamanga Afovoany, ny sabotsy 14 marsa 2026 lasa teo.
Nisy ireo solontenan'ny ankizy sy mpianatra tanora, ary beazina eto amin'ny AKA.MA. izay nandray anjara mavitrika tamin'izany. ๐ฅฐ
๐ง Niady hevitra momba ny herisetra anatin'ny asa ireo mpisehatra, ary ny tsoan-kevitra azo dia afaka misahana ny asa rehetra ny marenina fa mila tohana ara-pitaovana sy ara-pifandraisana izy ireo amin'ny fiatrehana izany. ๐ช๐ป
๐ AKA.MA. dia mampiaty ireo mpianatra ao aminy, ary maro ireo tanora nianatra teto amin'ny AKA.MA. no misehatra amin'ny asa maro isan-karazany ankehitriny, any amin'ireo orinasa lehibe sy matanjaka. โจ
08/03/2026
๐ Ny vehivavy ve ?! ๐
Ny vehivavy dia naman'i Jesosy: (Maria, Marta) > miresaha Aminy ๐
Ny vehivavy no nanehoana voalohany fa nitsangana Jesosy > Mijoroa vavolombelona mandrakariva. โ๏ธ
Ny vehivavy dia maro an'isa eran-tany > Mifankatiava๐
Ny vehivavy dia nataon'Andriamanitra manana saina mahita hevitra eo no eo kokoa noho ny lehilahy > Manaova mpanolo-tsaina hendry ๐
Ny vehivavy dia mahavoaka teny haingana kokoa noho ny lehilahy amin'ny toe-javatra iray > Mba ataovy amin'ilay sucrรฉ e! ๐ญ๐ฌ๐ฅค๐ง
Ny vehivavy dia be fitiavana > Misehoa ho Reny modelinโny ankizy rehetra ๐ฉ๐ฉโ๐ฆฐ๐ฉโ๐ฆณ
Farany, ny vehivavy dia mitaky zo > Aoka izay fa efa mihoatra lenta ๐
Fa ARAHABA ho anareo mpiara-miasa vehivavy eto amin'ny AKA.MA. mahatratra ny 8 Martsa e!
Soava
โ๐ป Rivo Andriamampianina
02/03/2026
โ๏ธ Tafiakatra Faritany avokoa ๐
โ
Tily Sampana Maitso : nahazo laharana fahatelo ny Sokajy Ankoay AKA.MA. 119รจ (LS Ekifa Mitagna) tamin'ny LFTT.
LS Sokajy Do AKA.MA. 119รจ (Johan) no LS mendrika ๐คฉ
โ
Sampana Mena : Fokonolona Dรด AKA.MA. 119รจ (Loholona Carlos) no fokonolona mendrika ๐ฉต
Naseho teo anatrehan'ny mpianatra sy ny mpiara-miasa izy ireo androany ๐ฅ
โ๐ปEto amin'ny AKA.MA. , beazina amin'ny lafiny rehetra ireo ankizy hahafahany mivelatra amin'ny maha olona manontolo โจ
18/02/2026
๐กNomarihana androany ny "journรฉe des รฉcoles" ho an'ny teto amin'ny AKA.MA. ๐ฅณ
Hetsika ara- :
๐ชZava-kanto
๐Siansa
๐ Hay soratra
โณFanatanjahan-tena
Ireo ankizy tao amin'ny lycรฉe no nitarika ny mpianatra tamin'izany ๐๐ป sady miala voly no mianatra ๐
13/02/2026
๐ Tsy mitsahatra ny mandroso sy manatsara izahay !
๐ก Nifarana omaly ny fiofanana 9 andro notarihinโireo manampahaizana avy any Afrika Atsimo ho anโireo mpampianatra eto aminโny AKA.MA. sy FO.FA.MA.
๐ Lohahevitra : firoasanteny (bilinguisme)
๐ค Tanjonโny fiofanana : mba hifehy ny teny malagasy an-tsoratra sy ny teninโny tanana ny mpianatra marenina
๐ Dingana hirosoana hatrany ho amin'ny fanabeazana tsara kalitao, hanohy hivoatra miaraka ! โจ
13/02/2026
๐ฅฐAndroany 13 Febroary 2026 no nosokafana ny taom-piahian'ireo mpianatra avy ao amin'ny sekoly ambony ESTIIMโ ny mpianatra eto amin'ny AKA.MA. ๐
โจModely lehibe eo amin'ny fanabeazana ary iriana ho tahafin'ny maro izao fanehoam-piahiana ataon'ny zoky amin'ny zandry izao ๐๐ป
07/02/2026
โ๏ธ Fifampiarahabana ๐
Skoto Fivondronana faha-CXIX
๐ฅฐ Notanterahina androany, sabotsy 7 Febroary 2026 ny fifampiarahabana taom-baovao teo anivon'ny sampana skoto eto amin'ny AKA.MA.
๐ซ Sady nilalao ireo beazina no nandray Tenin'Andriamanitra, nianatra ary nampiseho ny talentany. ๐ Feno hafaliana sy nankafy ny rehetra ๐
โ๐ปToy izany ny fianarana sy ny fanabezana ato amin'ny AKA.MA. ๐
Eto mianatra
25/01/2026
๐ Noho ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fanabeazana - 24 Janoary
๐ Nitsidika namangy ny AKAMA ny solotenan'ny mpiara-miasa vitsivitsy avy ao aminโny Orinasa SAMBIKA, Orinasa mivoy ny fampiatiana. Misy tanora Marenina 7 miasa ao.
โ
Fitsidihana
โ
Fifampizarana
โ
Fijoroana vavolombelona
โ๐ปMisy amin'izy ireo:
"Designer, gestionnaire de stockage, dรฉcoratrice..."
๐Hafatra nentin'izy ireo: tsy sakana aminโny fahazoana asa tsara ny tsy fandrenesana. ๐ฆป๐ป Ary raha tsy nianatra sy nobeazina tao aminโny AKAMA izahay, hoy ireo tanora ireo, tsy toy izao ka misaotra ny AKAMA, misaotra ny mpanabe ๐๐ป
๐ฃ Ry zandry malala: mianara tsara.๐
20/01/2026
Marenina Rosianina ๐ท๐บ miisa 12 mianadahy no nandalo nitsidika teto aminโny AKA.MA. Izahay tsy mahay teny rosianina ๐ท๐บ, izy ireo tsy mahay teny malagasy ๐ฒ๐ฌ. Fa โ๏ธizahay roa tonta samy mahay teninโny tanana ๐. Nifankahazo tsara ny resaka.
๐๐๐๐๐๐๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ค ๐๐๐๐โ๐๐ฎ ๐ผ๐ฒ๐ผ.๐๐จ.
14/01/2026
๐ฝ Ato amin'ny Buvette AKA.MA. misakafo
โ
๏ธRehefa ilay noana iny ka ety amin'ny 67Ha: ato anaty tontolo๐ณ๐ด mahafinaritra toy izao: odiambavafo toy ny kaompaoze ๐ฅ sy lasopy๐ฅฃ, ny yaourt ๐ฅ sy ny jus๐ฅค... Vary sy laoka ๐ atoandro.
Tongava fa eeeeh! โบ๏ธ sady mahavita asa soa ho an'ny madinika beazina ato ianao ๐no hahazo fahafinaretana ny maso ๐ ary ho afapo ny taovam-pandevonan-kanina.
Mety hahay tenin'ny tร nana ho azy koa ianao an! ๐ Raha mbola tsy mahay dia tondroy fotsiny ny sakafonao dia asehoy ny isan'ny komandinao e! 2 sa 3... Tena tsara ๐