Sonose Madagascar Page Ofisialy

Sonose Madagascar Page Ofisialy

Share

Éducation - Formation - Développement
✊"Quand un homme a faim, mieux vaut lui apprendre à pêcher que de lui donner un poisson"✔ Développement de l'éducation

Photos from LEDYS's post 27/07/2026
20/07/2026

MIRARY FAHOMBIAZANA HO AN'IREO MIATRIKA FANADINANA BACCALAURÉAT 2026.

17/07/2026

🖊️ Ho an'ny "Personnel Administratif" indray ity.

06/07/2026

✍️ Ny SONOSE/MADA, tarihan'ny Filoha Croidys Armand dia mirary fahombiazana ho an'ireo Zaza Malagasy miatrika fanadinana BEPC, izay manomboka anio 06 jolay 2026.

Photos from Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM's post 17/06/2026
13/06/2026
12/06/2026

TENA MARINA MOA ITY RESAKA ITY, TENA EFA VITA VE NY "ADOPTION"?
⁉️🤔Niteraka adihevitra teo amin'ny sehatra politika sy sosialy ny vontoatin'ny volavolan-dalána mifehy ny tetibolam- panjakana 2026 nasiam-panitsiana (LFR) hita ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny minisiteran'ny toekarena, taorian'ny nahitana fiovana lehibe teo amin'ny fizarana ny vola natokana ho an'ireo andrim-panjakana sy ministera sasany.

Araka izany, raha nampitomboina ny tetibolan'ny Anteni- mierampirenena, dia isan'ireo niharan'ny fampihenana kosa ny sehatry ny fanabeazana sy ny fambolena sy ny fiompiana, izay heverin'ny maro ho fototry ny fampan- drosoana maharitra, indrindra amin'izao vanim-potoan'ny fanavaozana izao.

Araka ny tarehimarika voarakitra ao anatin'ilay volavolan-dalana, niakatra avy amin'ny 76,8 miliara ariary ho 89,8 miliara ariary ny tetibolan'ny Antenimierampirenena, ka mitentina 13 miliara ariary mahery ny fampiakarana natao.

Etsy ankilany anefa, nihena avy amin'ny 2.315 miliara ariary ho 2.183 miliara ariary ny vola natokana ho an'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Toy izany koa ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana izay nidina avy amin'ny 957,5 miliara ariary ho 922 miliara ariary ny tetibolany.

Tsy ireo sehatra ireo ihany no nahitana fiovana. Nahazo fampiakarana goavana ihany koa ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina, raha niakatra avy amin'ny 61,6 miliara Ariary ho 289,4 miliara Ariary ny tetibolany, ka nahatonga ny maro mieritreritra amin'ny hoe ho maro ny fizarana fitaovana tsy maharitra ho amin'ny tanjona politika ato ho ato.

Niakatra koa ny an'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ary ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoran'afo. Etsy andaniny, nihena ny anjaran'ny Vaomieram- pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI).

Mampametra-panontaniana ny maro anefa ny laharam- pahamehana napetraky ny fitondrana amin'izao fanitsiana ny tetibola izao.

Raha mbola miatrika fanamby goavana eo amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana sy ny fampitomboana ny vokatra ara-pambolena i Madagasikara, dia maro no manontany raha mifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka sy ny tanjon'ny fampandrosoana tokoa ny fanapahan-kevitra hampiakatra ny tetibolan'ny depiote nefa mampihena ny an'ireo sehatra fototra mamelona sy manabe ny firenena.

©️ Gazetiko Madagasikara

Photos from Sonose Madagascar Page Ofisialy's post 11/06/2026

🇲🇬 Conseil des Ministres (CM) 10 Juin 2026: "indemnité de logement - indemnités des risques".

✔️ Nolaniana ny didim-panjakana momba ny fanomezana tambin-karama ho an'ny trano fonenana (indemnité de logement) ho an'ny mpiasam-panjakana, ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefàna, ary ireo antokon-draharaham-panjakana.

✔️🌡️ Arahabaina manokana koa ny MPIASAN'NY MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA fa nolaniana ihany koa ny didim-panjakana momba ny fanomezana tambin-karama noho ny loza ateraky ny asa (indemnités des risques).

🙏 Amporisihana sy ankasitrahana hatrany ny Fitondram-panjakana malagasy mijery/hijery sy hanatsara ny mikasika ny mpiasam-panjakana tsy ankanavaka.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Address


Mahamasina
Antananarivo