02/12/2023
NY VANIM - POTOANA NOELY
*Ny vanim-potoana Noely no tapany voalohany ao Litorizika.
* Manomboka ny Alahady voalohany ahorian'ny Fetin'ny Kristy Mpanjaka;ka mihafara ny Alahadin'ny Epifania.
*Mivany roa izy io araka ny nandaminan'ny Eglizy azy :
•1- Ny Avent na "Fiaviana"
•2- Ny Noely
••Ny Fiaviana (na Avant) dia manomboka ny Alahady voalohany ahorian'ny Fetin'
i Kristy Mpankaka,hatramin'ny faha 24 Desambra mialohan'ny maty
masoandro.
*Ahitana Alahady efatra mandritra izany.
Hanjakan ny Hafaliana Fihadanana Fitiavana Ny Alahady 1e :
Maneho hafaliana vokatry ny Fifonana sy famelan keloka. Lokon'ny fanantenana. Miloko maintso. Ny Alahady 2e:
Mitory ny Finoan'ireo Patriarika sy hanorenan tsika mafy ny finoan tsika. Miloko manga. Alahady 3e:
Mitory fahamarinana sy fiadanana. Io no fotoana hampiasana ny loko mavokely. Alahady faha 4e:
Mitory sy maneho hafaliana sy firavoravoana ary fitiavana.Miloko mena.
_Fotoana natokana hiomanana amin'ny fankalazana ny fahaterahan' i Jesoa Kristy mpamonjy .
_Izy tonga nofo sy teraka hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.
_Dia Izy tonga nofo (Eojarustia)monina sy mitoetra ao am -po-tsika sy ny Fiangonana
_ Izy tonga amboninahitra @ andro farany izay hilan-tsika fihomanana mandavataona mandritra ny fahaveloman-tsika
•• Ny Noely dia manomboka ny 24 desambra maty masoandro ka mihafara ny Alahadin'ny Epifania.
***Maromaro ireo andro miavaka ankalazaina mandritran'ny vanim-potoanan'ny Noely:
°Ireo Alahady efatra mandritra ny Avent
° 08 Desambra:Masina Maria IMAKOLE
°25 Desambra:Noely
°Fetin'ny Fianakaviana Masina: Zoma na ny Alahady voalohany ahorian'ny Noely.
°Andro natokana hatsiarovana ireo zaza tsy manantsiny efa maty.
°01Janoary:Masina Maria Renin'Andriamanitra.
***Koa mirary antsika rehetra ho feno fihomanana tanteraka eo amp4iandrasana izao fankalazana ny Fiavian'ny Tompo izao...ary mirary raha mirary antsika mianankavy ho tratr'izany andro malaza sy lehibe ho antsika Kristianina Katolika.
Samý ary ho tahian'Andriamanitra.
"Kekely"