01/01/2026
✨ Taom-pahombiazana ngeza be ny 2026 ! ✨
Taona vaovao, vokatra vaovao be! 4 taona katroka izay no niasana mafy, mahafaly ny Labôratoara JET Labo ny mampahafantatra anareo fa hita ihany ny vahaolana handresena ny tahotra ny taranja Siantifika, dia ireto izany :
💊 Mathézol — ho an'izay matahotra mafy ny Matematika (Maths)
💊 PhysicoCalm — ho an'izay mipararetra mihitsy amin'ny Fizika sy Simia (PC)
💊 BioRelax — ho an'ireo miferotr'aina noho ny Siansa (SVT)
Ny mianatra sy ny taranja siantifika dia tsy mampahatahotra velively. efa omenay anao ny lalana ho amin'ny fahatokisan-tena, ny fifehezana feno ny taranja ary ny fahombiazana.
📩 MP avy hatrany ary— tsy mila fisoratana anarana.
2026, 'ndao hianatra amin'ny endrika hafa mihitsy.
Propulsez votre réussite 🚀
#2026
01/01/2026
✨ Commencement magnifique pour 2026 ! ✨
Nouvelle année, bonne nouvelle ! Après 4 ans de recherches acharnées, notre laboratoire JET Labo est fier de présenter trois médicaments révolutionnaires pour vaincre la phobie des matières scientifiques :
💊 Mathézol — pour les Maths
💊 PhysicoCalm — pour la Physique & Chimie
💊 BioRelax — pour les Sciences Naturelles
Parce qu’apprendre ne devrait jamais faire peur, nous ouvrons la voie vers la confiance, la compréhension et la réussite.
📩 MP ouvert — sans ordonnance.
2026, on apprend autrement.
Propulsez votre réussite 🚀
#2026
01/01/2026
MANGATAKA ANAO AHO HAMAKY HATRAMIN'NY FARANY
''teny izay nentiko niarahabana tamin'ny taona lasa ihany no averiko eto''
👉1. Miarahaba anao sy ny ankohonanao rehetra nahatratra izao taona vaovao 2026 izao. Hitombo fitia ao amin'Andriamanitra hatrany anie ianareo.
👉2. Aza avela handalo foana ny fotoana. Ampindramin'Andriamanitra Ilay Tompon'ny fotoana ho anao io, ary ny lasa, tsy hiverina intsony.
👉3. Efa FANTATRAO VE hoe INONA NO TANJONAO HO TRATRARINAO amin'ity taona 2026 ity. INONA NO VOKATRA ANTENAINAO HO AZONAO raha mifarana ity taona 2026 ity.
👉4. Na inona na inona lasanao, TIA ANAO HATRANY JESOA. Izao no hafatra ho anao : 💖meteza HANADINO NY LASA, 💖 ezaho hatrany izay HAHALAVORARY NY ASA, 💖dia ho FITARATRA HO AN'NY HAFA.
👉5. Amin'ny finoanao an'Andriamanitra, amin'ny asa fanompoanao an'Andriamanitra, amin'ny asa fivelomanao, amin'ny fitiavana ho an'ny ankohonanao sy ny manodidina anao rehetra, FOTOANA IZAO HIROSOANAO LALINDALINA KOKOA, FOTOANA izao HITOMBOANAO
👉6. Indramiko eto ny Tenin'i Mr H. Ratsimba izay voasoratra ao amin'ny boky ''LASA 'ZAO'' hoe
"Tadidio fa :
Izay tsy mihangeza dia maty
Izay tsy mihatsara dia maty
Izay tsy mitombo dia maty
Izay tsy miova ho amin'ny tsara kokoa dia maty...
..miovà amin'ny fanavaozana ny saina isan'andro mba hahafahanao mitombo.
Indro, efa tazan'ny masoko sahady ianao mahomby.
Efa tsinjoko sahady ianao manao fijoroana vavolombelona.''
👉7. Hoy koa i Dadafara Zilibera ao amin'ny boky ''LASA 'ZAO'' hoe :
''Ny làlana rehetra mitondra any amin'ny fahafatesana avokoa, ny safidy rehetra mety hahafaty avokoa, satria ny olombelona rehetra tsy maintsy maty avokoa.
Tsy ilay ho faty no olana, fa mialohan'ny fahafatesana, efa niaina ilay fiainana tianao iainana ve ianao? Mpilalao tantara voasoratra sa nifidy ny hanoratra tantara?
Ny làlana rehetra dia samy mitondra mankany amin'ny fahafatesana, ny safidy rehetra dia mety hahafaty daholo satria ny olombelona rehetra tsy maintsy ho faty.
Mandroso, maty raibe, mihemotra, maty renibe, koa raha samy ho faty ihany, inona no manakana anao tsy iaina ny fiainana tianao?
Mbola hiandry tolo-tanana ve? Ahiako ho antitra eo ianao!
Hiandry rahampitso ? Ny ampitso hisy foana, saingy mety efa tsy eo intsony ianao. Raha tsy izao ary dia rahoviana e? Raha tsy ianao ary dia ho iza e? Ianao, ary tsy misy afa-tsy ianao no hany tokana afaka manova ny fiainanao!"
Mahaiza misafidy
Homba anao Andriamanitra
#2026
31/12/2025
⚛️💥 JET LABO — Nouvelles complications détectées
Les recherches continuent… et les symptômes aussi 😬
⚛️ Formulite sévère (PC)
→ trop de lettres, plus aucun sens
💥 Explosion mentale contrôlée
→ dès que l’exercice commence
🌱 Amnésie cellulaire (SVT)
→ compris hier, oublié aujourd’hui
😔 Envie soudaine d’abandonner
→ “ce n’est pas pour moi…”
📌 Mais toute maladie a son traitement.
30/12/2025
🧠💊 JET LABO — Alerte sanitaire
Le laboratoire JET Labo annonce des maladies scolaires 😷👇
🧮 Calculite aigüe
→ maux de tête dès qu’un x apparaît ou les signes se mélange tous
📉 Équationphobie
→ panique devant “résoudre”
😵 Syndrome du Zéro Direct
→ tu travailles… résultat : 0
Si tu te reconnais, rassure-toi :
👉 ce n’est pas un manque d’intelligence.
📌 Suite au prochain épisode…
29/12/2025
𝐌𝐚𝐭𝐞𝐦𝐚𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐚𝐧𝐲 𝐫𝐨𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐢𝐧𝐲
Ianao koa ve mba nanontany tena hoe misy Matematika sasan-tsasany toa tany am-pianarana ihany no mety ampiasana fa tsy miasa amin'ny fiainana akory.
ohatra hoe : -2 x -2 = 4 (raha trosa io izany dia mahazo tombony ilay mpindrana)
na koa hoe : 12 x 0 = 0 (nankaiza izany ny akohoko 12 hoy ilay namana izay)
✍fa na izany aza, ho anao, na ho an'ny zanakao, 𝐭𝐞 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐟𝐞𝐡𝐲 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐤𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐬𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚, 𝐧𝐝𝐚𝐨 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐏 𝐯𝐞𝐭𝐢𝐯𝐞𝐭𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐞𝐬𝐚𝐤𝐚.
ny efa ao anatintsika ao, mila fohazina fotsiny izy dia velona indray
PS : mitombona daholo ny maths eo amin'ny fiainana andavan'andro, mila solomaso spéciale fotsiny. ao amin'ny MP ao raha hividy azy😁😁🧐
16/11/2024
VAOVAO BE😲😲😲😲😲
ndao hilalao dia mahazoa loka.
🫵💪Pourquoi la fonction logarithme ne sort-elle jamais avec les autres fonctions ?
ao amin'ny coms ary.
izay rehetra mahamarina dia mahazo loka avokoa
01/01/2024
MANGATAKA ANAO AHO HAMAKY HATRAMIN'NY FARANY
👉1. Miarahaba anao sy ny ankohonanao rehetra nahatratra izao taona vaovao 2024 izao. Hitombo fitia ao amin'Andriamanitra hatrany anie ianareo.
👉2. Aza avela handalo foana ny fotoana. Ampindramin'Andriamanitra Ilay Tompon'ny fotoana ho anao io, ary ny lasa, tsy hiverina intsony.
👉3. Efa FANTATRAO VE hoe INONA NO TANJONAO HO TRATRARINAO amin'ity taona 2024 ity. INONA NO VOKATRA ANTENAINAO HO AZONAO raha mifarana ity taona 2024 ity.
👉4. Na inona na inona lasanao, TIA ANAO HATRANY JESOA. Izao no hafatra ho anao : 💖meteza HANADINO NY LASA, 💖 ezaho izay HAHALAVORARY NY ASA, 💖dia ho FITARATRA HO AN'NY HAFA.
👉5. Amin'ny finoanao an'Andriamanitra, amin'ny asa fanompoanao an'Andriamanitra, amin'ny asa fivelomanao, amin'ny fitiavana ho an'ny ankohonanao sy ny manodidina anao rehetra, FOTOANA IZAO HIROSOANAO LALINDALINA KOKOA, FOTOANA izao HITOMBOANAO
👉6. Indramiko eto ny Tenin'i Mr H. Ratsimba izay voasoratra ao amin'ny boky ''LASA 'ZAO'' hoe
"Tadidio fa :
Izay tsy mihangeza dia maty
Izay tsy mihatsara dia maty
Izay tsy mitombo dia maty
Izay tsy miova ho amin'ny tsara kokoa dia maty...
..miovà amin'ny fanavaozana ny saina isan'andro mba hahafahanao mitombo.
Indro, efa tazan'ny masoko sahady ianao mahomby.
Efa tsinjoko sahady ianao manao fijoroana vavolombelona.''
👉7. Hoy koa i Dadafara Zilibera ao amin'ny boky ''LASA 'ZAO'' hoe :
''Ny làlana rehetra mitondra any amin'ny fahafatesana avokoa, ny safidy rehetra mety hahafaty avokoa, satria ny olombelona rehetra tsy maintsy maty avokoa.
Tsy ilay ho faty no olana, fa mialohan'ny fahafatesana, efa niaina ilay fiainana tianao iainana ve ianao? Mpilalao tantara voasoratra sa nifidy ny hanoratra tantara?
Ny làlana rehetra dia samy mitondra mankany amin'ny fahafatesana, ny safidy rehetra dia mety hahafaty daholo satria ny olombelona rehetra tsy maintsy ho faty.
Mandroso, maty raibe, mihemotra, maty renibe, koa raha samy ho faty ihany, inona no manakana anao tsy iaina ny fiainana tianao?
Mbola hiandry tolo-tanana ve? Ahiako ho antitra eo ianao!
Hiandry rahampitso ? Ny ampitso hisy foana, saingy mety efa tsy eo intsony ianao. Raha tsy izao ary dia rahoviana e? Raha tsy ianao ary dia ho iza e? Ianao, ary tsy misy afa-tsy iana no hany tokana afaka manova ny fiainanao!"
Mahaiza misafidy
Homba anao Andriamanitra