LYCEE PRIVE Charlemagne

LYCEE PRIVE Charlemagne

Share

Ny LYCEE PRIVE CHARLEMAGNE dia Sekoly tsy miankina amin'ny Fanjakana ary Mpikambana amin'ny TAMBAZOT

26/12/2025

Finaritrô ! Mino aho fa niara-paly t@'fahatongavan'lay Jesoa Mpamonjy daholo isika.
Fa rapitso ao @'gazety "Gazetiko" dia hisy article momba iny famaranana ny fankalazana faha90taona ny sekolintsika Lycée Privé Charlemagne iny.
Ary @ alahady 7h30 ao @'TVM vaovao mpiangonana no hivoaka ny intervue natao t@'Tale isotry. Vaovao mpiangonana satria fitaizana ara-panahy no anisan'ny mampiavaka ny Lycée Privé Charlemagne .
Koa samia ary manara-baovao TVM d mividy ny "Gazetiko"

06/12/2025

Présidence de la République de Madagascar Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenenaMinisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa: Te-hamelona ny hambo-po pirenena ve ny Malagasy?Ny mpitondra ?...
Atao laharam-pahamehana ny fanabeazana sy ny fampianarana. Voalohany indrindra dia tokony manome lanja ny taranja tantara sy ny fomba malagasy ary koa ny jeôgrafia zay manondro ny zava-misy harena @' faritra tsirairay eto Madagasikara .Ka tokony miainga amn'ireo tanisaiko ireo no ifotoran'ny fampianarana manomboka amin'ny ambaratonga fototra ka hatramin'ny kilasy famaranana; mety ilaina mihitsy koa aza ny manome fampianarana sy fanabeazana na fanofanana ho an'ny RAR. Ka mila hampidirina hitarina tsikelikely ka halalinina hatrany @' kilasy famaranana mihitsy ireo taranja voalazako eo ambony ireo satria samy manana ny tantarany sy ny hareny(ara-jeôgrafia) ny isam-paritra ,sady koa misy tantara zay itambaran'ny faritra ihany koa ,satria nisy ny fifanarahan'ireo ampanjaka maro ihany koa.Ka miankina amn'ny fahaizan'ny zanaka aty aoriana izany no antoka iray mampiray an'ity Madagasikara ity ,mampisy ny firaisankina Malagasy sy ny hambo-po maha-Malagasy.
Ary nahoana moa no lasa mihiba ambany dia ambany ny toe-tsaina Malagasy hoy isika zay samy mimenomenona an'izany? :
Satria toa VERY HASINY izany isika amin'zao noho io fampianarana mandringa io.
Koa fanabeazana sy fampianarana ny HASIN'NY TANY, HASIN'NY TENY, HASIN'NY OLOMBELONA tsirairay, NY HASIN'NY ZAVA-BOARY sy NY ZAVA-MANANAINA ETO AMINTSIKA ETO MADAGASIKARA no hany antoky ny fampandrosoana .Fa sady hiteraka hambo-po pirenena izany ka hampisy firaisan-kinam-pirenena hoazy ny fanantanterahana izany. Ka LALAN-TOKANA na VOALOHANY mankany @'fampandrosoana ny fanaovana laharam-pahamehana ny fanabeazana sy fampianarana sy ny manodidina izany dia ny MPAMPIANATRA sy ny SEKOLY na TSY MIANKINA aza ,ary FAMPIOFANANA azy ireo ho TENA MATIANINA.

24/11/2025

ANTSO HO AN' NY RAIAMANDREN'NY MPIANATRA
HO AN'NY MPIANATRA MAINTIMOLALY REHETRA EFA NANDALO TETO AMIN'I LPC, na koa mpiasa na mpampianatra na raiamandreny.

Manasa antsika mba ho tonga hanotrona ny famaranana ny fankalazana ny faha-90taona niorenan'ny sekolitsika LYCÉE PRIVÉ CHARLEMAGNE. Fotoam-pivavahana entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra no entitsika hidera Azy amin'izany ny zoma faha-19 desambra 2025 ao amin'ny FJKM Salema Vaovao 67ha manomboka amin'7ora sy sasany(7h30).
Aoka mba samy hifampilaza isika rehetra izay mandre izao filazana izao.

Misaotra tompoko

22/12/2024

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tontosa soamantsara ny fanokafana ny fankalazana ny faha-90taona ny Lycée Privé Charlemagne.
Misaotra antsika rehetra havana, tapaka sy namana tonga marobe nanotrona ny fotoam-pivavahana ho fiderana an'Andriamanitra tamin'ny fanokafana ny fankalazana ny faha-90taona ny LYCEE PRIVE Charlemagne .
Fiatombohana ihany iny fa amin'ny taona 2025 no tena ivon'ny fankalazana ka mbola afaka foana isika mandray anjara amin'izany.
Koa entitsika am-bavaka mba ho tanteraka soamantsara zay rehetra kasaina hanatrarana ny tanjon'izany fankalazana izany.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ary ny fiadanaNY ho amintsika tsirairay avy.

21/12/2024

90 ans d'expérience dans l'éducation de plusieurs générations à Madagascar.

14/11/2024

😇 C'est avec une immense joie que nous vous invitons, parents, élèves, anciens du LYCÉE PRIVÉ CHARLEMAGNE au culte d'ouverture de la célébration du 90 ème anniversaire de l'école.

Le culte aura lieu :

📅 Vendredi 20 décembre 2024
📍Lieu : FJKM Isotry Fitiavana
🕦 à 9h

Vos pouvez emmener des amis ou des membres de votre famille aussi ✨

13/11/2024

🃏 CONCOURS LOGO 🃏

Miroso hatrany mankany amin'ny fankalazana ny faha 90 taona ny sekoly isika izao. Ka hanokafana izany dia indro ny fifaninana fanamboarana ny Logo ho an'ity 90ème anniversaire ny sekoly ity. Ireto ary ny fitsipika amin'izany :

♦️Couleur Rouge et Noir ♠️ sur fond blanc ⚪

Sary maneho ny hoe :

1. ➡️ LYCEE PRIVE CHARLEMAGNE fête son 90ème anniversaire ( 1935 - 2025 )
2. ➡️ Maneho an-tsary ny teny faneva :
" Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka " Isaïa _ 46 : 4b

Fomba handraisana ny logo :

◾Atao sur papier 21 x 29,5 na
◾ Afindra par clé USB eny amin'ny secrétaire an'ny école : (Antohomadinika, Isotry, Ilanivato)
Na ihany koa alefa amin'ity mail ity :
👉 [email protected]

❓Iza no afaka mandray anjara ❓

👉 Misokatra ho an'ny rehetra ny fandraisana anjara, hamporisihana manokana isika mpianatra, maintimolaly , haneho ny talentantsika amin'izany.

Ny loka ho azo dia :

🎁 100.000 Ar ho an'ny voloany 🎁
🎁 50.000 Ar ho an'ny faharoa 🎁

⛔ HATRAMIN'NY FAHA 20 NOVEMBRE 2024 HO AVY IZAO NO FARANY FANDRAISANA NY LOGO HO AN'IZAY HANDRAY ANJARA .

Manantena ny fandraisan'anjaran-tsika rehetra ary eh 🥳

Photos from LYCEE PRIVE Charlemagne's post 02/11/2024

90ans bientôt : 1935 - 2025

C'est toujours et à jamais " la gloire de DIEU "

25/09/2024
19/09/2024
Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Address


Lot III F 28 Antohomadinika Antaniavo, Lot IVM 20 Isotry
Antananarivo
101